Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MILTIADIS STAVROU | TANTARAM-PIAINANA

“Tsapanay hoe Nikarakara sy Nitari-dalana Anay i Jehovah”

“Tsapanay hoe Nikarakara sy Nitari-dalana Anay i Jehovah”

Nipetraka tany Tripoli, any Liban, izahay tamin’izaho 13 taona teo ho eo. Tiako erỳ ny nijery aotomobilina nandalo teo an-tanànanay tamin’izany. Izany no fanaon’ny ankizy nitovy taona tamiko. Nisy aotomobilina amerikanina menamena ana lehilahy syrianina izay tena nisarika ny masoko. Gaga be àry aho rehefa nirahin’ilay pretran’ny Fiangonana Ortodoksa teo an-tanànanay izahay, mba hitoraka an’ilay aotomobilina. Vavolombelon’i Jehovah mantsy, hono, no tompon’ilay izy.

 Noteneninay ilay pretra hoe: “Dia ahoana raha maninona maninona ilay lehilahy?” Dia namaly izy hoe: “Vonoy izy! Fafao amin’ity akanjoko ity fotsiny ny rany raha matinareo izy e!” Marina fa nampirehareha an’ahy foana ilay hoe anisan’ny Fiangonana Grika Ortodoksa. Ny teny masiaka nataon’ilay pretra anefa no nahatonga an’ahy hiala tamin’ilay fiangonana tatỳ aoriana. Rehefa nieritreritra momba an’iny zava-nitranga iny aho, dia tsapako hoe nanampy an’ahy izy iny mba hahita ny marina momba an’i Jehovah.

Nahita ny marina momba an’i Jehovah aho

 Rehefa nihalehibe aho dia feno olona avy amin’ny kolontsaina sy fiteny ary fivavahana samihafa i Tripoli, izay tanàna nisy seranan-tsambo. Samy nirehareha tamin’ny fiaviany ny fianakaviana rehetra, dia hoatran’izany koa ny fianakavianay. Niditra tao amin’ny antoko iray atao hoe Miaramilan’ny Finoana a izaho sy ny zokiko lahy anankitelo. Nanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Mbola tsy nihaona tamin’ny Vavolombelona mihitsy izahay, kanefa hozy ilay pretra hoe andian-jiolahy manohitra ny Fiangonana Grika Ortodoksa ry zareo, dia izany Jehovah izany, hono, no mpitarika an-dry zareo. Notenenin’ilay pretra foana izahay hoe raha vao mahita Vavolombelona ianareo dia asio ry zareo.

 Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay rahalahiko anankitelo, nefa tsy nahafantatra an’izany aho. Tsy nahery setra tamin’ny Vavolombelona izy telo fa nanaiky hianatra Baiboly niaraka tamin-dry zareo, mba hanaporofoana fotsiny hoe diso ry zareo. Niditra tao an-trano aho indray hariva, dia nahita Vavolombelon’i Jehovah be dia be tao amin’ny efitrano fandraisam-bahininay. Niresadresaka Baiboly tamin’ny fianakaviako sy mpiray tanàna vitsivitsy ry zareo. Tezitra be aho tamin’izay! Dia sahin-dry zareo ve ny nivadika tamin’ny fivavahana Ortodoksa? Tamin’izaho saika handeha iny mihitsy no niteny tamiko ilay mpiray tanàna taminay izay hoe mipetraha aloha dia mihainoa. Mpitsabo nify fantatr’olona izy sady Vavolombelon’i Jehovah. Nisy namanay nampiasa ny Baiboliko dia namaky ny Salamo 83:18. Tonga saina aho tamin’izay hoe nandainga kay ilay pretranay, fa hay i Jehovah tsy mpitarika andian-jiolahy izany fa izy irery no tena Andriamanitra!

Taoriana kelin’ny batisako

 Te hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jehovah aho, dia nanatrika an’ilay fianarana Baiboly tao an-tranonay. Ny Rahalahy Michel Aboud no nitarika an’ilay izy. Indray andro izay, nisy namanay niara-nianatra teo nametraka fanontaniana. Efa nanitikitika ny saiko foana ilay izy hatramin’ny mbola kely. Izao no nolazainy: “Hono ho’aho, fa iza no namorona an’Andriamanitra?” Nanondro saka anankiray nipetraka teo ambony seza ny Rahalahy Aboud avy eo. Nolazainy hoe tsy afaka mahatakatra ny fomba fisainantsika sy ny tenintsika ny saka. Dia hoatran’izany koa isika, be dia be ny zavatra momba an’Andriamanitra tsy ho takatsika mihitsy. Iny fanoharana tsotra iny no nanampy an’ahy hahita hoe misy zavatra sasany momba an’i Jehovah tsy ho azoko mihitsy. Nanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra aho tsy ela taorian’izay, dia natao batisa tamin’ny 1946 tamin’izaho 15 taona.

Nampisy dikany ny fiainako ny asan’ny mpisava lalana

 Mpaka sary i Hanna zokinay lahy, dia niara-niasa taminy aho tamin’ny 1948. Nisy toerana fandokoana teo akaikin’ny toeram-piasan’ny zokinay. An’ny Rahalahy Najib Salem b ilay izy. Mpitory tsy matahotahotra i Najib, dia hoatr’izay foana izy mandra-pahafatiny tamin’izy 100 taona. Rehefa niara-nitory taminy tany amina tanàna kely aho, dia hitako hoe be herim-po izy na dia nisy nanohitra aza. Nahavita nanombo-dresaka tamin’ny olona rehetra koa izy na inona na inona fivavahan’ilay olona. Nisy vokany be tamiko ny modely nomeny.

Najib Salem (farany aoriana, ankavanana), nisy vokany be tamiko ny modely nomeny

 Indray andro dia tonga nitsidika anay ny anabavy iray atao hoe Mary Shaayah, tamin’izahay tao am-piasana. Avy any Liban izy fa nipetraka tany Etazonia. Renim-pianakaviana be atao izy sady mpisava lalana be zotom-po. Niova be ny fiainako taorian’izy nitsidika anay. Adiny roa izy teo foana nitantara ny zavatra hitany teny amin’ny fanompoana. Nitodika tany amiko izy alohan’ny handehanany dia niteny hoe: “Milto a, ianao tsy manambady, koa maninona raha manao mpisava lalana?” Dia noteneniko izy hoe izaho tsy afaka manao mpisava lalana fa tsy maintsy miasa. Nanontany izy avy eo hoe: “Adiny firy izay isika no teto androany maraina?” Hozy aho hoe: “Adiny roa teo ho eo.” Dia izao no nolazain’i Mary: “Hoatran’ny tsy niasa be ianao tao anatin’izay fotoana izay e! Raha manokana fotoana hoatran’iny ianao mba hitoriana isan’andro, dia ho afaka hanao mpisava lalana. Maninona raha manandrana herintaona fotsiny, dia aorian’izay ianao manapa-kevitra na hanohy na tsia.”

 Tsy mora amin’ny lehilahy ny mandray torohevitra avy amin’ny vehivavy, amin’ny kolontsainay. Hitako anefa hoe azo noraisina tsara ilay teniny. Nanomboka nanao mpisava lalana aho roa volana taorian’izay, tamin’ny Janoary 1952. Herintaona sy tapany teo ho eo taorian’izay, dia nahazo fanasana aho mba hanatrika ny kilasy faha-22 amin’ny Sekolin’i Gileada.

Fianakaviana sy namana manao veloma ahy tamin’izaho handeha hanao Sekolin’i Gileada tamin’ny 1953

 Voatendry tatỳ Moyen-Orient aho rehefa nahazo diplaoma. Tsy ampy herintaona taorian’izay, dia nanambady misionera iray avy any Angletera aho. Doris Wood no anarany. Sariaka izy ary nanompo tatỳ Moyen-Orient koa.

Nitory ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tany Syria

 Tsy ela taorian’ny mariazinay dia voatendry tany Alep, any Syria, izahay sy Doris. Voarara ny fitoriana tany, dia olona no niteny taminay hoe: “Atsy misy olona te hianatra Baiboly.” Hoatr’izany no nahazoanay ny ankamaroan’ny mpianatray.

 Nisy vehivavy iray izay liana tamin’ny Baiboly. Nitsidika azy izahay indray andro. Natahotra be izy rehefa namoha varavarana dia niteny hoe: “Mitandrema! Vao nandalo teo ny polisy. Te hahafantatra ry zareo hoe aiza ianareo no mipetraka.” Hitanay tamin’izany fa fantatry ny polisy miafina hoe taiza izahay no nampianatra Baiboly. Niantso an’ireo rahalahy nanara-maso ny asa tany Moyen-Orient izahay, dia nanoro hevitra anay ry zareo hoe nila niala tany haingana araka izay azo atao izahay. Marina hoe nalahelo izahay satria nandao ny mpianatray. Tsapanay anefa hoe tena tia anay i Jehovah dia niaro anay.

Tsapanay hoe nitari-dalana anay i Jehovah tany Irak

 Voatendry tany Bagdad, any Irak, indray izahay tamin’ny 1955. Na dia afaka nitory tamin’ny olona rehetra aza izahay tany Irak, dia ireo nilaza ho Kristianina no tena nifantohanay. Nitandrina foana anefa izahay.

Miaraka amin’ny misionera hafa tany Irak

 Niezaka nanao resadresaka mahafinaritra tamin’ny Silamo koa izahay, teny an-tsena na teny an-dalana. Matetika i Doris no niresaka zavatra mety hahaliana ny olona, ohatra hoe: “Niteny tamiko foana ny dadako hoe mbola hotsarain’ilay Mpamorona isika rehetra amin’ny zavatra ataontsika.” (Romanina 14:12) Dia avy eo izy niteny hoe: “Nanampy ahy foana teo amin’ny fiainako io teniny io. Ahoana no fahitanao an’izany?”

 Efa ho telo taona izahay no nanompo tany Bagdad, dia tena tianay be ilay izy. Nanampy an’ireo rahalahy tany izahay mba handamina ny asa fitoriana sady ho mailo tsara foana. Tao amin’ilay tranon’ny misionera nipetrahanay no natao ny fivoriana tamin’ny teny arabo. Faly be izahay nandray an’ireo olona avy amin’ny foko asyrianina. Nilaza ho Kristianina ny ankamaroan-dry zareo. Rehefa hitan-dry zareo hoe nifankatia sy niray saina isika tany am-pivoriana, dia niaiky ry zareo fa tena mpianatr’i Jesosy isika.​—Jaona 13:35.

Natao tao amin’ilay tranon’ny misionera nipetrahanay tany Bagdad ny fivoriana

 Anisan’ireo nalaky nanaiky an’ilay hafatra momba ny fihavanana notorinay i Nicolas Aziz. Raim-pianakaviana tsara fanahy sy manetry tena izy ary metisy armenianina sy asyrianina. Tonga dia neken’i Nicolas sy Helen vadiny izay nampianarin’ny Baiboly momba an’i Jehovah sy Jesosy Zanany, hoe tsy mitovy ry zareo. (1 Korintianina 8:5, 6) Mbola tadidiko foana ilay andro nanaovana batisa an’i Nicolas sy ireo olona 20 hafa tao amin’ny Reniranon’i Eofrata.

Nanampy anay ny tanan’i Jehovah tany Iran

Tany Iran, tamin’ny 1958

 Nisy fanonganam-panjakana tamin’ny 14 Jolay 1958, dia maty ny mpanjakan’ny Irak Faisal II. Nila nifindra tany Iran izahay taoriana kelin’izay. Afaka nanohy nitory tamin’ny vahiny izahay tany nandritra ny enim-bolana teo ho eo, nefa nitandrina tsara foana.

 Talohan’ny nialanay tany Téhéran, renivohitr’i Iran, dia nentina tany amin’ny polisy aho ary nanontanintanian-dry zareo. Tonga saina aho tamin’izay hoe hay ny polisy nanara-maso anay foana. Taorian’ilay famotopotorana dia niantso an’i Doris aho, dia hozy aho taminy hoe manara-maso antsika ny polisy. Nifanaraka àry izahay hoe mba tsy hampidi-doza anay, dia tsy hody any an-trano aloha aho mandra-pialanay tany Iran.

 Nahita toerana azo antoka hijanona i Doris, mandra-pahatongan’ilay fotoana hihaonanay teny amin’ny seranam-piaramanidina. Ahoana anefa no hahatongavany any, nefa tsy ho voamariky ny polisy? Nivavaka tamin’i Jehovah momba an’izany i Doris.

 Tampoka teo dia avy be ny orana, dia tsy maintsy nialoka daholo ny olona rehetra, anisan’izany ny polisy. Tsy nisy olona mihitsy àry teny an-dalana, dia tonga soa aman-tsara tany amin’ny seranam-piaramanidina i Doris. Hozy izy hoe: “Tena fahagagana mihitsy iny oram-be iny!”

 Rehefa niala tany Iran izahay, dia voatendry hanompo tany an-tany hafa. Olona avy amin’ny foko samihafa no tany ary samy nanana ny fivavahany ry zareo. Nanao ny asan’ny faritra izahay tamin’ny 1961, dia nitsidika mpiara-manompo nanerana ny Moyen-Orient.

Hitanay hoe mahery ny fanahin’i Jehovah

 Tamin’izahay nanompo tatỳ Moyen-Orient, dia imbetsaka aho no nahita hoe mampiray saina ny olona ny fanahin’Andriamanitra. Mbola tadidiko foana ny resadresaka mahafinaritra nifanaovanay sy izay Palestinianina roa lahy izay rehefa nianatra Baiboly. Eddy sy Nicolas no anaran-dry zareo. Samy tia nivory izy roa lahy nefa vetivety dia tsy nianatra Baiboly intsony, noho ny firehan-kevitra ara-politika nananany. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanokatra ny fon-dry zareo, amin’izay ry zareo manaiky ny fahamarinana. Rehefa fantany hoe hamaha ny olan’ny olombelona rehetra Andriamanitra fa tsy hoe ny an’ny Palestinianina ihany, dia niverina nianatra izy roa lahy. (Isaia 2:4) Tsy nanindrahindra ny fireneny intsony ry zareo, dia avy eo natao batisa. Lasa mpiandraikitra ny faritra mafana fo i Nicolas tatỳ aoriana.

 Na taiza na taiza nandehananay, dia nampiaiky anay sy Doris hoe tsy nivadika ireo rahalahy na inona na inona natrehiny. Niatrika zava-tsarotra be dia be ry zareo, dia nataoko tanjona ny hampahery an-dry zareo rehefa mitsidika. (Romanina 1:11, 12) Mba hanatratrarana an’izany tanjona izany dia notadidiko foana hoe mitovy amin’ireo rahalahy sy anabaviko aho, fa tsy hoe tsara kokoa noho ry zareo akory. (1 Korintianina 9:22) Tena afa-po aho rehefa afaka nanampy an’izay mpiara-manompo nila fampaherezana.

 Faly izahay nahita hoe betsaka tamin’ireo olona nianatra Baiboly taminay no lasa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Nifindra tany an-tany hafa ny sasany tamin-dry zareo sy ny fianakaviany, mba hitsoahana ny ady tao amin’ny tany nisy azy. Tena fitahiana be ho an’ireo mpitory niteny arabo tany Aostralia, Kanada, Eoropa ary Etazonia anefa ry zareo. Efa lehibe izao ny zanak’izy ireny dia niverina atỳ Moyen-Orient ny sasany aminy, taona vitsivitsy lasa izay. Manompo any amin’ny faritra mila mpitory bebe kokoa ry zareo. Tsy omby tratra ny hafalianay sy Doris, satria manana zanaka sy zafikely ara-panahy be dia be izahay!

Hiantehitra amin’i Jehovah foana izahay

 Nandritra ny androm-piainanay dia tsapanay hoe nikarakara sy nitari-dalana anay i Jehovah, ary tamin’ny fomba isan-karazany no nanaovany an’izany. Faly aho hoe nampiany dia nahavita tsy nanavakavaka sy tsy nanindrahindra firenena intsony, hoatran’ny nataoko tamin’izaho mbola tanora. Nanampy ahy ny fampiofanana azoko avy amin’ny mpiara-manompo be herim-po sy be fitiavana. Nanomana ahy mba hitory ny fahamarinana amin’ny karazan’olona rehetra izany. Niatrika olana be dia be izahay rehefa nifindrafindra toerana, dia indraindray aza tsy hainay hoe inona no hitranga ao aoriana kely ao. Nampianatra anay anefa izany mba hiantehitra tanteraka amin’i Jehovah Andriamanitra fa tsy amin’ny tenanay.​—Salamo 16:8.

 Rehefa mieritreritra an’izay taona maro nanompoako an’i Jehovah izay aho, dia miaiky hoe tena nahavita be tamiko ilay Raiko any an-danitra. Matetika i Doris no miteny hoe: “Tsisy na inona na inona tokony hisakana antsika tsy hahafoy tena ho an’i Jehovah, na dia rahonana ho faty aza isika.” Dia miombon-kevitra tanteraka amin’ny malalako aho. Te hisaotra an’i Jehovah foana izahay hoe avelany hitory atỳ Moyen-Orient, sady amin’izay hafatra manampy ny olona ho tia fihavanana no torinay. (Salamo 46:8, 9) Tsy manahy momba ny hoavy mihitsy izahay, satria izahay matoky hoe hitari-dalana sy hiaro foana an’izay rehetra miantehitra aminy i Jehovah.​—Isaia 26:3.

a Misy fanazavana fanampiny momba an’io antoko io ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1980 (frantsay), pejy 186-188.

b Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 2001, pejy 22-26, ny tantaran’i Najib Salem.