1 Korintianina 1:1-31

1  Paoly, voantso ho apostolin’i+ Jesosy Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra,+ sy Sostena+ rahalahintsika.  Ho an’ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto,+ eny, ho anareo izay nohamasinina+ tao amin’i Kristy Jesosy sady voantso ho olona masina,+ mbamin’izay rehetra miantso hatraiza hatraiza ny anaran’ny+ Tompontsika, dia i Jesosy Kristy, izay Tompon’izy ireo sady Tompontsika koa,+  Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ sy ny fiadanana+ izay avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo!+  Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo aho, noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ nasehon’Andriamanitra taminareo tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy.+  Eny, misaotra azy aho fa nanjary nanan-karena+ tao amin’i Kristy amin’ny zava-drehetra ianareo, dia amin’ny fahaiza-mitory sy amin’ny fahalalana feno,+  satria natao mafy orina teo aminareo ny fitoriana momba an’i Kristy.+  Amin’izay dia tsy hisy mihitsy fanomezana+ tsy hanananareo, raha mbola miandry fatratra ny fampiharihariana+ an’i Jesosy Kristy Tompontsika ianareo.  Ary hahatonga anareo ho mafy orina+ hatramin’ny farany koa Andriamanitra, mba tsy hisy antony hanakianana+ anareo amin’ny andron’i+ Jesosy Kristy Tompontsika.+  Tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra,+ izay niantso anareo hanan-javatra iombonana+ amin’ny Zanany, dia i Jesosy Kristy Tompontsika. 10  Koa mananatra+ anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i+ Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanaraka tsara ianareo rehetra amin’izay lazainareo,+ ary mba tsy hisy fisaratsarahana+ eo aminareo, fa mba ho tafaray tsara ianareo ka hiray saina sy hiray hevitra.+ 11  Fa nisy avy amin’ny ankohonan’i Kloa nilaza+ tamiko ny momba anareo, ry rahalahiko, fa misy tsy fifanarahana, hono, eo aminareo. 12  Izao mantsy no tiako holazaina: Samy milaza ianareo hoe: “Izaho an’i Paoly”, “Izaho an’i Apolosy”,+ “Izaho an’i Kefasy”, “Izaho an’i Kristy.” 13  Koa voazarazara i Kristy.+ I Paoly angaha no voafantsika tamin’ny hazo fijaliana ho anareo? Sa natao batisa+ tamin’ny anaran’i Paoly ianareo? 14  Misaotra an’Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy i Krispo+ sy Gaio+ ihany, 15  mba tsy hisy hilaza fa natao batisa tamin’ny anarako ianareo. 16  Eny e! Nataoko batisa koa ny ankohonan’i Stefanasy.+ Tsy tadidiko kosa anefa raha nisy hafa koa nataoko batisa. 17  Fa i Kristy tsy naniraka ahy+ hanao batisa, fa hitory ny vaovao tsara. Tsy hampiasa teny fampiderana fahaizana+ anefa aho rehefa manao izany, sao ho very maina ny hazo fijalian’i Kristy. 18  Fa amin’izay ho ringana,+ dia hadalana+ ny teny momba ny hazo fijaliana, fa amintsika izay vonjena+ kosa, dia herin’Andriamanitra+ izany. 19  Fa voasoratra hoe: “Hofoanako ny fahendren’ny olon-kendry,+ ary hailiko+ ny fahiratan-tsain’ny mahira-tsaina.”+ 20  Aiza àry ny olon-kendry? Aiza ny mpanora-dalàna?+ Aiza ny mpiady hevitra+ eo amin’ity tontolo ity?+ Tsy novan’Andriamanitra ho hadalana ve ny fahendren’izao tontolo izao?+ 21  Izao no fahendren’Andriamanitra: Koa satria ny fahendren’izao tontolo izao+ tsy nahatonga azy hahalala an’Andriamanitra,+ dia hitan’Andriamanitra fa tsara ny hamonjena izay mino, amin’ny alalan’ny hafatra torinay izay hadalana+ amin’ny olona. 22  Fa ny Jiosy mangataka famantarana,+ ary ny Grika mitady fahendrena,+ 23  fa isika kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny hazo fijaliana.+ Amin’ny Jiosy izany dia zavatra mahatafintohina,+ ary amin’ny hafa firenena dia hadalana.+ 24  Amin’izay voantso kosa anefa, na Jiosy na Grika, dia amin’ny alalan’i Kristy no isehoan’ny herin’Andriamanitra+ sy ny fahendren’Andriamanitra.+ 25  Fa izay toa hadalana avy amin’Andriamanitra dia hendry noho ny olona, ary izay toa fahalemena avy amin’Andriamanitra dia mahery noho ny olona.+ 26  Ary hitanareo ny fiantsoany anareo, ry rahalahy, fa tsy maro ny hendry+ araka ny nofo nantsoina,+ tsy maro ny mahery,+ ary tsy maro ny avo razana. 27  Fa Andriamanitra nifidy ny zavatra adala amin’izao tontolo izao+ mba hampahamenatra ny olon-kendry. Ary Andriamanitra nifidy ny zavatra malemy amin’izao tontolo izao mba hampahamenatra ny zavatra mahery.+ 28  Ary Andriamanitra nifidy ny zavatra ambany amin’izao tontolo izao sy ny zavatra hamavoina sy ny tsy misy,+ mba hanafoanany+ izay misy, 29  mba tsy hisy nofo hirehareha+ eo imason’Andriamanitra. 30  Fa izy no nahatonga anareo ho tafaray amin’i Kristy Jesosy. Ary i Kristy no tonga fahendrena+ avy amin’Andriamanitra ho antsika, sy fahamarinana+ sy fahamasinana+ ary fanafahana amin’ny alalan’ny vidim-panavotana,+ 31  mba ho araka ny voasoratra hoe: “Izay mirehareha, dia aoka ho i Jehovah no ho reharehany.”+

Fanamarihana