1 Korintianina 10:1-33

10  Tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa teo ambanin’ny rahona+ avokoa ny razantsika, ary namakivaky ny ranomasina+ izy rehetra,  ary natao batisa ka tafaray tamin’i Mosesy+ izy rehetra, fony teo anatrehan’ny rahona sy namakivaky ny ranomasina,  ary nihinana sakafo ara-panahy+ mitovy ihany izy rehetra,  ary nisotro zava-pisotro ara-panahy+ mitovy ihany izy rehetra. Fa nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy+ izay nanaraka azy izy ireo, ary Kristy+ izany vatolampy+ izany.  Na izany aza, dia tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny ankamaroany,+ fa ripaka+ tany an-tany efitra.  Koa tonga anatra ho antsika izany, mba tsy haniriantsika zava-dratsy,+ toy ny nanirian’izy ireo izany.  Ary aoka ianareo tsy ho tonga mpanompo sampy, toy ny sasany taminy,+ araka ny voasoratra hoe: “Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, ary nitsangana hifalifaly.”+  Ary aoka isika tsy hijangajanga, toy ny nijangajangan’ny sasany tamin’ireny,+ ka telo arivo sy roa alina taminy no maty tao anatin’ny iray andro.+  Ary aoka isika tsy hitsapa toetra an’i Jehovah,+ toy ny sasany tamin’ireny izay nitsapa toetra azy,+ ka matin’ny bibilava.+ 10  Ary aoka isika tsy himenomenona, toy ny sasany tamin’ireny izay nimenomenona,+ ka matin’ny mpandringana.+ 11  Nanjo azy ireny izany mba ho anatra, ary nosoratana ho fampitandremana+ ho antsika, dia isika izay tratran’ny faran’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.+ 12  Koa izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.+ 13  Tsy misy fakam-panahy mihatra aminareo, afa-tsy izay mpahazo ny olona.+ Tsy mivadika amin’ny teniny anefa Andriamanitra,+ ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo,+ fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana+ koa, mba hahazakanareo izany. 14  Koa andosiro+ ny fanompoan-tsampy,+ ry malala. 15  Miresaka aminareo toy ny miresaka amin’ny olona manam-pahendrena+ aho, ka ianareo mihitsy no aoka hitsara izay lazaiko. 16  Ny kaopin’ny+ fisaorana izay isaorantsika, tsy fandraisan-tsoa amin’ny ran’i Kristy koa ve izany? Ary ny mofo tapahintsika,+ tsy fandraisan-tsoa amin’ny vatan’i Kristy+ koa ve izany? 17  Koa satria tsy misy afa-tsy mofo iray monja, dia vatana iray+ isika, na maro aza,+ fa samy mihinana amin’izany mofo+ iray izany isika rehetra. 18  Jereo ny Israely araka ny nofo:+ Tsy miara-mahazo anjara amin’ny alitara ve izay mihinana ny sorona?+ 19  Inona àry no holazaiko? Misy dikany ve izay atao sorona ho an’ny sampy, na misy dikany ve ny sampy?+ 20  Tsia, nefa lazaiko fa izay zavatra atolotry ny hafa firenena ho sorona dia ataony sorona ho an’ny demonia,+ fa tsy ho an’Andriamanitra. Koa tsy tiako hanan-javatra iombonana amin’ny demonia+ ianareo. 21  Tsy afaka ny hisotro amin’ny kaopin’i Jehovah+ sy ny kaopin’ny demonia ianareo. Tsy afaka ny hihinana amin’ny “latabatr’i Jehovah”+ sy ny latabatry ny demonia ianareo. 22  Sa “manao izay hahasaro-piaro an’i Jehovah isika”?+ Mahery noho izy angaha isika?+ 23  Azo atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mahasoa.+ Azo atao ny zava-drehetra,+ nefa tsy ny zava-drehetra no mampahery.+ 24  Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany,+ fa izay hahasoa ny hafa.+ 25  Hano+ foana izay rehetra amidy eny amin’ny tsena fivarotan-kena, fa aza manontany noho ny feon’ny fieritreretanareo.+ 26  Fa “an’i Jehovah+ ny tany sy izay rehetra eo aminy.”+ 27  Raha misy tsy mpino manasa anareo ka te ho any ianareo, dia hano izay rehetra aroso eo anoloanareo,+ ka aza manontany sao hampikorontana ny feon’ny fieritreretanareo izany.+ 28  Fa raha misy kosa miteny aminareo hoe: “Zavatra natolotra ho sorona ity”, dia aza mihinana noho ilay nampahafantatra anareo sy noho ny feon’ny fieritreretana.+ 29  “Feon’ny fieritreretana”, hoy aho, nefa tsy ny anao, fa ny an’ilay olona. Fa nahoana ny fahafahako no tsarain’ny feon’ny fieritreretan’ny olon-kafa?+ 30  Raha mihinana aho sady misaotra, nahoana aho no haratsina amin’izay anaovako fisaorana?+ 31  Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.+ 32  Aza manao izay hahatafintohina+ ny Jiosy na ny Grika na ny fiangonan’Andriamanitra, 33  dia tahaka ahy koa izay miezaka hahafaly ny rehetra amin’ny zava-drehetra,+ ka tsy mitady izay hahasoa ahy+ fa izay hahasoa ny maro, mba ho voavonjy izy ireny.+

Fanamarihana