1 Korintianina 13:1-13

13  Raha miteny amin’ny fitenin’olona+ sy fitenin’anjely aho nefa tsy manam-pitiavana, dia tonga takela-barahina maneno na kipantsona+ mikarantsana aho.  Ary raha manana ny fahaiza-maminany+ aho sady mahafantatra ny zava-miafina masina+ rehetra sy ny fahalalana+ rehetra, ary manana ny finoana rehetra ka mahafindra tendrombohitra,+ nefa tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona+ aho.  Ary raha manome ny fananako rehetra aho mba hahazoan’ny hafa sakafo,+ ary manolotra ny tenako ho sorona+ mba hisy hireharehako, nefa tsy manam-pitiavana,+ dia tsy hisy tombony ho ahy velively izany.  Ny fitiavana+ mahari-po+ sy tsara fanahy.+ Ny fitiavana tsy mialona,+ tsy mirehareha,+ tsy mieboebo,+  tsy manao izay tsy mahamendrika,+ tsy mitady izay hahasoa ny tenany,+ tsy mora tezitra,+ tsy mitana lolompo,+  tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana+ fa mifaly noho ny fahamarinana+ kosa,  mandefitra ny zava-drehetra,+ mino ny zava-drehetra,+ manantena ny zava-drehetra,+ miaritra ny zava-drehetra.+  Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.+ Fa na misy aza ny fahaiza-maminany, dia hofoanana izany, ary na misy aza ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa, dia hitsahatra izany, ary na misy aza ny fahalalana, dia hofoanana izany.+  Fa ampahany ihany ny fahalalantsika,+ ary ampahany ihany ny faminaniana ambarantsika,+ 10  fa rehefa feno izany,+ dia hofoanana ilay ampahany. 11  Fony aho zaza, dia niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Fa amin’izao izaho efa olon-dehibe+ izao, dia nesoriko ny toetran-jaza. 12  Mahita manjavozavo eo amin’ny fitaratra metaly isika ankehitriny,+ fa amin’izany kosa dia hahita mifanatrika.+ Ampahany ihany ny fahalalako ankehitriny, fa amin’izany kosa aho dia hanana fahalalana marina tsara toy ny ahafantarana ahy marina tsara.+ 13  Fa mitoetra ireto telo ireto ankehitriny: Finoana sy fanantenana ary fitiavana. Ny fitiavana anefa no lehibe indrindra amin’ireo.+

Fanamarihana