1 Korintianina 14:1-40

14  Miezaha mafy hifankatia, nefa miezaha mafy koa hahazo ny fahaizana omen’ny fanahy,+ indrindra fa ny haminany.+  Fa izay miteny amin’ny fiteny samihafa dia tsy miteny amin’olona fa amin’Andriamanitra, satria tsy misy mahazo izay lazainy,+ fa ny fanahy no mahatonga azy hilaza zava-miafina masina.+  Fa izay maminany kosa dia mampahery+ sy mandrisika ary mampionona ny olona amin’izay lazainy.  Izay miteny amin’ny fiteny samihafa dia mampahery ny tenany, fa izay maminany kosa mampahery ny fiangonana.  Tiako hiteny amin’ny fiteny samihafa+ ianareo rehetra, nefa aleoko ihany ianareo maminany.+ Eny, izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin’ny fiteny samihafa,+ raha tsy hoe mandika teny angaha izy, mba hahazoan’ny fiangonana fampaherezana.  Raha izao aho, ry rahalahy, no tonga any aminareo miteny amin’ny fiteny samihafa, dia inona no soa hataoko aminareo raha toa aho ka tsy mampiharihary zavatra+ tsy fantatrareo na milaza fahalalana+ na faminaniana na fampianarana aminareo?  Maneno, ohatra, ny zavatra tsy mananaina,+ na sodina na harpa. Raha tsy mamoaka feo samy hafa anefa ilay izy, ahoana no hahafantarana hoe inona izany feon-kira avoakan’ny sodina na avoakan’ny harpa izany?  Raha tsy mazava tsara tokoa ny antso ataon’ny trompetra, iza no hiomana hiady?+  Toy izany koa fa raha tsy milaza teny mora azo+ ny lelanareo, ahoana no hahafantarana izay lazainareo? Hiteny amin’ny rivotra+ fotsiny ianareo, raha ny marina. 10  Mety hisy feo maro be isan-karazany amin’ny fiteny eo amin’izao tontolo izao, nefa samy misy heviny izy ireny. 11  Koa raha tsy azoko àry ny hevitr’izay lazaina, dia ho vahiny+ amin’ilay miteny aho, ary ilay miteny kosa ho vahiny amiko. 12  Dia toy izany koa ianareo: Koa satria maniry fatratra ny fanomezan’ny fanahy+ ianareo, dia miezaha koa hanana be dia be amin’izany mba hampaherezana ny fiangonana.+ 13  Koa aoka àry izay miteny amin’ny fiteny samihafa hivavaka mba hahay handika teny.+ 14  Fa raha amin’ny fiteny samihafa no ivavahako, dia ny fanomezan’ny fanahy izay noraisiko no mivavaka,+ fa ny saiko kosa tsy mahazo ny hevitr’izay lazaiko. 15  Inona àry no hatao? Hampiasaiko ny fanomezan’ny fanahy rehefa mivavaka aho, nefa hampiasaiko koa ny saiko. Ny fanomezan’ny fanahy no hihirako fiderana,+ nefa ny saiko koa no hihirako fiderana.+ 16  Fa raha amin’ny alalan’ny fanomezan’ny fanahy no anaovanao fiderana, ahoana no hilazan’ny olon-tsotra eo am-pitoerany eo hoe “Amena”+ amin’ny fisaorana ataonao, nefa tsy fantany izay lazainao? 17  Marina fa tsara ny fomba isaoranao, nefa tsy mahazo fampaherezana+ ny hafa. 18  Misaotra an’Andriamanitra aho fa miteny amin’ny fiteny samihafa mihoatra noho ianareo rehetra.+ 19  Eo amin’ny fiangonana anefa, dia aleoko milaza teny dimy azon’ny saiko mba hampianarako ny hafa koa, toy izay hilaza teny iray alina amin’ny fiteny samihafa.+ 20  Ry rahalahy, aoka ianareo tsy ho zaza raha ny amin’ny fahaiza-misaina,+ fa aoka ho zaza bodo raha ny amin’ny faharatsiana,+ nefa kosa ho olon-dehibe raha ny amin’ny fahaiza-misaina.+ 21  Izao no voasoratra ao amin’ny Lalàna: “‘Ny lelan’ny hafa firenena sy ny molotry ny vahiny+ no hitenenako amin’ity vahoaka ity,+ nefa na amin’izany aza dia mbola tsy hihaino ahy ihany izy’, hoy i Jehovah.”+ 22  Koa ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa dia famantarana+ ho an’ny tsy mpino,+ fa tsy ho an’ny mpino, ary ny faminaniana kosa ho an’ny mpino,+ fa tsy ho an’ny tsy mpino. 23  Raha mivory eo amin’ny toerana iray àry ny fiangonana manontolo ka samy miteny amin’ny fiteny samihafa ny rehetra,+ nefa miditra ny olon-tsotra na ny tsy mpino, tsy holazainy fa adala ve ianareo? 24  Fa raha samy maminany kosa ianareo rehetra ary misy tsy mpino na olon-tsotra miditra, dia ho tsapany fa mananatra azy ny rehetra+ sady mandinika azy tsara. 25  Koa hanjary hiharihary+ izay miafina ao am-pony ka hiankohoka izy ary hivavaka amin’Andriamanitra, sady hilaza hoe: “Tena eo aminareo tokoa Andriamanitra.”+ 26  Inona àry no hatao, ry rahalahy? Rehefa mivory ianareo, dia misy manana salamo, misy mampianatra, misy milaza ny zavatra naharihary taminy, misy miteny amin’ny fiteny samihafa, ary misy mandika teny.+ Aoka ny zava-drehetra hatao mba hampaherezana.+ 27  Ary raha misy miteny amin’ny fiteny samihafa, dia aoka izy ireo hoferana ho roa na telo, raha be indrindra, ka hifandimby. Ary aoka hisy handika teny.+ 28  Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin’ny fiangonana ka hiteny amin’ny tenany ihany+ sy amin’Andriamanitra. 29  Ankoatra izany, dia aoka ho mpaminany+ roa na telo no hiteny, ary aoka ny hafa hamantatra ny hevitr’izany.+ 30  Raha misy amin’izay mipetraka eo anefa mahazo fanambarana naharihary taminy,+ dia aoka hangina ilay voalohany. 31  Ary samy afaka maminany+ ianareo rehetra, fa mandeha tsirairay, mba hianaran’ny rehetra sy hampaherezana+ ny rehetra. 32  Ary tokony ho hain’ny mpaminany ny mifehy ny fanomezan’ny fanahy haminany. 33  Fa Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikorontanana,+ fa Andriamanitry ny filaminana.+ Toy ny any amin’ny fiangonana rehetran’ny olona masina, 34  dia aoka ny vehivavy hangina+ rehefa eo anivon’ny fiangonana, fa tsy mahazo miteny izy ireo. Aoka kosa izy hanaiky,+ araka ny lazain’ny Lalàna.+ 35  Fa raha misy zavatra tiany ho fantatra kosa, dia aoka izy hanontany ny vadiny any an-trano, fa mahamenatra+ raha miteny eo anivon’ny fiangonana ny vehivavy. 36  Ahoana hoe? Avy taminareo ve no nivoahan’ny tenin’Andriamanitra,+ sa hatreo aminareo ihany no tongany? 37  Raha misy mihevi-tena ho mpaminany na ho manana fanomezan’ny fanahy, dia aoka izy hanaiky izay soratako aminareo, satria didin’ny Tompo izany+ soratako izany. 38  Fa raha misy tsy manaiky, dia avelao izy tsy hanaiky. 39  Koa miezaha mafy hahazo ny fahaiza-maminany,+ ry rahalahiko, nefa koa aza rarana ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.+ 40  Fa aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.+

Fanamarihana