1 Korintianina 15:1-58

15  Ary ampahatsiahiviko anareo, ry rahalahy, ny vaovao tsara+ notoriko taminareo,+ izay nekenareo sy ifikiranareo.+  Amin’ny alalan’izany vaovao tsara renareo tamiko izany no amonjena+ anareo koa raha tananareo mafy izany, fa raha tsy izany, dia very maina+ ny nahatongavanareo ho mpino.  Fa anisan’ny zavatra voalohany natolotro anareo ilay efa noraisiko koa,+ dia izao: Maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina,+  ary nalevina izy+ dia natsangana+ tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo,+ araka ny Soratra Masina,+  ary niseho tamin’i Kefasy+ izy, ary avy eo tamin’izy roa ambin’ny folo lahy.+  Taorian’izany, dia rahalahy maherin’ny dimanjato no indray nisehoany, ka mbola velona ankehitriny ny ankamaroany,+ fa ny sasany kosa efa nodimandry.*  Taorian’izany, dia niseho tamin’i Jakoba+ izy, avy eo tamin’ny apostoly rehetra,+  ary farany indrindra, dia niseho tamiko koa izy,+ toy ny hoe niseho tamin’ny zaza teraka tsy tonga volana.  Fa izaho no kely indrindra+ amin’ny apostoly, ary tsy mendrika hantsoina hoe apostoly aho, satria nanenjika+ ny fiangonan’Andriamanitra. 10  Ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ nasehon’Andriamanitra anefa no naha toy izao ahy. Ary tsy very maina ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehony tamiko.+ Fa niasa mafy mihoatra noho izy rehetra aho,+ nefa tsy izaho fa ilay hatsaram-panahy tsy manam-paharoa naseho tamiko.+ 11  Izany anefa no torinay, na izaho na izy ireo, ary izany no inoanareo.+ 12  Ary raha i Kristy no torina fa efa natsangana tamin’ny maty,+ ahoana no ilazan’ny sasany aminareo fa tsy misy fitsanganan’ny maty?+ 13  Raha tsy hisy tokoa ny fitsanganan’ny maty, na i Kristy aza tsy natsangana.+ 14  Fa raha tsy natsangana i Kristy, dia tena very maina ny fitoriantsika, ary very maina ny finoantsika.+ 15  Ary ho hita fa vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra isika,+ satria manambara+ fa Andriamanitra efa nanangana an’i Kristy.+ Tsy ho natsangany anefa izy raha tsy hatsangana tokoa ny maty.+ 16  Fa raha tsy hatsangana ny maty, na i Kristy aza tsy ho natsangana. 17  Ankoatra izany, raha tsy natsangana i Kristy, dia zava-poana ny finoanareo, ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo.+ 18  Ary very+ koa izay nodimandry* tao amin’i+ Kristy. 19  Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy,+ dia isika no mampahonena indrindra amin’ny olona rehetra. 20  Efa natsangana tamin’ny maty tokoa anefa i Kristy,+ izay voaloham-bokatra+ amin’ireo nodimandry.*+ 21  Koa satria olona iray no niavian’ny fahafatesana,+ dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty.+ 22  Fa tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama,+ no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.+ 23  Samy araka ny filaharany avy anefa: i Kristy no voaloham-bokatra,+ ary avy eo izay an’i Kristy, mandritra ny fanatrehany.+ 24  Ary amin’ny farany, dia hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy izy, rehefa avy nofoanany avokoa ny fitondrana sy ny fahefana ary ny hery rehetra.+ 25  Fa hanjaka izy, mandra-panaon’Andriamanitra ny fahavalo rehetra ho eo ambany tongony.+ 26  Ary hofoanana ny fahafatesana,+ izay fahavalo farany. 27  Fa ‘nasain’Andriamanitra nanaiky azy ny zava-drehetra ka nataony eo ambany tongony.’+ Rehefa voalaza hoe: ‘Nasaina nanaiky azy ny zava-drehetra’,+ dia miharihary fa tsy anisan’izany ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy.+ 28  Fa rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra,+ dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay+ nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.+ 29  Raha tsy izany, dia inona no soa ho azon’ireo atao batisa mba ho faty?+ Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty,+ nahoana no atao batisa+ koa izy ireo mba ho faty? 30  Nahoana àry isika no efa saika niharan-doza foana koa?+ 31  Tandindomin-doza isan’andro ny aiko.+ Ny fifaliako+ ny aminareo no anamafisako izany teniko izany, ry rahalahy, dia ny fifaliako ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. 32  Fa raha niady tamin’ny bibidia tany Efesosy+ tahaka ny nataon’ny sasany aho, inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia “aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.”+ 33  Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.+ 34  Aoka ianareo hifoha sy hahatsiaro saina+ ka hanao ny marina, ary aza zatra manota. Tsy manana fahalalana an’Andriamanitra mantsy ny sasany.+ Ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.+ 35  Na izany aza, dia misy hilaza hoe: “Hatao ahoana no fanangana ny maty? Eny, vatana manao ahoana izy rehefa tonga?”+ 36  Ry tsy misaina, tsy hovelomina izay afafinao raha tsy maty aloha.+ 37  Ary tsy ilay zavamaniry* hipoitra no afafinao, fa voa+ fotsiny ihany, na voa inona izany na voa inona. 38  Omen’Andriamanitra vatana+ araka izay tiany+ anefa ilay voa, ary ny voa tsirairay samy omeny ny vatany avy. 39  Tsy mitovy ny nofo rehetra, fa hafa ny an’ny olombelona, hafa ny nofon’ny omby, hafa ny nofon’ny vorona, ary hafa ny an’ny trondro.+ 40  Hafa ny vatan’izay any an-danitra+ ary hafa ny vatan’izay etỳ an-tany.+ Hafa ny voninahitry+ ny vatan’ny any an-danitra, ary hafa ny an’ny etỳ an-tany. 41  Hafa ny voninahitry ny masoandro,+ hafa ny an’ny volana,+ ary hafa ny an’ny kintana.+ Raha ny marina aza, dia samy manana ny voninahiny ny kintana. 42  Toy izany koa ny fitsanganan’ny maty.+ Vatana mety lo izy rehefa afafy, fa vatana tsy mety lo+ kosa rehefa atsangana. 43  Afa-boninahitra+ izy rehefa afafy, fa be voninahitra+ rehefa atsangana. Malemy+ izy rehefa afafy, fa mahery rehefa atsangana.+ 44  Vatana ara-nofo+ izy rehefa afafy, fa vatana ara-panahy rehefa atsangana.+ Raha misy vatana ara-nofo, dia misy koa ara-panahy. 45  Fa izao mihitsy no voasoratra: “Tonga zavamananaina* i Adama voalohany.”+ Ary i Adama farany kosa tonga fanahy*+ mahavelona.+ 46  Tsy izay ara-panahy anefa no voalohany, fa izay ara-nofo, vao ny ara-panahy.+ 47  Ilay lehilahy voalohany dia avy amin’ny tany sady natao tamin’ny vovoka,+ fa ilay lehilahy faharoa kosa avy any an-danitra.+ 48  Tahaka ilay natao tamin’ny vovoka+ ireo natao tamin’ny vovoka, ary tahaka ilay avy any an-danitra+ ireo any an-danitra.+ 49  Tahaka ny itondrantsika ny endrik’ilay+ natao tamin’ny vovoka no hitondrantsika koa ny endrik’ilay+ avy any an-danitra. 50  Izao anefa no lazaiko, ry rahalahy: Tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra,+ ary izay mety lo tsy mandova ny tsy mety lo.+ 51  Zava-miafina masina no lazaiko aminareo: Tsy hodimandry* avokoa isika rehetra, fa isika rehetra dia hovana+ 52  ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy, ao anatin’ny indray mipy maso, rehefa maneno ny trompetra farany. Fa haneno ny trompetra,+ dia hatsangana ny maty ka hanjary ho tsy mety lo, ary hovana isika. 53  Fa tsy maintsy hitafy ny tsy mety lo+ ity mety lo ity, ary tsy maintsy hitafy ny tsy mety maty ity mety maty+ ity. 54  Rehefa hiova ho tsy mety lo anefa ity mety lo ity ary hiova ho tsy mety maty ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: “Ho foana mandrakizay ny fahafatesana.”+ 55  “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?”+ 56  Ny fanindronana+ mahatonga ny fahafatesana dia ny ota, fa ny herin’ny ota kosa dia avy amin’ny Lalàna.+ 57  Fa hisaorana anie Andriamanitra, satria manome antsika ny fandresena izy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!+ 58  Noho izany, ry rahalahy malalako, dia aoka ianareo hifahatra tsara+ sy tsy ho voahozongozona ary ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo,+ satria fantatrareo fa tsy very maina+ ny asa mafy ataonareo ao amin’ny Tompo.

Fanamarihana

A.b.t.: “matory (ao amin’ny fahafatesana).”
A.b.t.: “matory (ao amin’ny fahafatesana).”
A.b.t.: “matory (ao amin’ny fahafatesana).”
A.b.t.: “vatana.”
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
A.b.t.: “hatory (ao amin’ny fahafatesana).”