1 Korintianina 16:1-24

16  Mikasika ilay famoriam-bola+ ho an’ny olona masina,+ dia aoka koa ianareo hanao araka izay nandidiako an’ireo fiangonana any Galatia.+  Isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia aoka ny tsirairay aminareo, any an-tokantranony any, mba hanokana vola, arakaraka izay azony. Amin’izay, rehefa tonga aho, dia tsy hisy famoriam-bola hatao intsony.  Fa rehefa tonga any aho, dia izay olona ekenareo an-taratasy+ no hirahiko hitondra ny fanomezanareo ho any Jerosalema.  Raha mety koa anefa ny handehanako any, dia hiaraka amiko izy ireo.  Fa ho tonga any aminareo aho rehefa avy mandalo an’i Makedonia, fa efa handalo an’i Makedonia+ aho izao.  Ary angamba hijanona kelikely any aminareo aho na handany ny ririnina any mihitsy aza, mba hanateranareo+ ahy lavidavitra amin’izay halehako.  Fa tsy amin’izao fandalovako izao no tiako hahitana anareo, fa manantena ny hijanona elaela any aminareo+ aho, raha avelan’i+ Jehovah.+  Hijanona eto Efesosy+ anefa aho mandra-pahatongan’ny fetin’ny Pentekosta,  fa misy varavarana lehibe nosokafana ho ahy, dia varavarana misokatra ho amin’ny asa.+ Maro anefa ny mpanohitra. 10  Raha tonga any anefa i Timoty,+ dia tandremo mba tsy hatahotra izy eo aminareo, fa manao ny asan’i Jehovah izy,+ tahaka ahy koa. 11  Koa aoka tsy hisy hanao tsinontsinona+ azy. Atero lavidavitra izy ka alefaso soa aman-tsara mba ho tonga atỳ amiko, fa miandry azy izaho sy ireo rahalahy. 12  Mikasika an’i Apolosy+ rahalahintsika, dia niangaviako mafy izy hiaraka amin’ireo rahalahy ho any aminareo, saingy tsy sitrany mihitsy aloha izao ny handeha. Fa ho tonga any ihany izy rehefa afaka. 13  Miambena hatrany,+ ary aoka ianareo ho mafy orina ao amin’ny finoana+ sy hitomban-dahy+ hatrany ary hatanjaka.+ 14  Ataovy amim-pitiavana izay rehetra ataonareo.+ 15  Izao no iangaviako anareo, ry rahalahy: Fantatrareo fa ny fianakavian’i Stefanasy no voaloham-bokatra+ tany Akaia ary nanolo-tena hikarakara ny olona masina+ izy ireo, 16  koa enga anie ianareo hanaiky foana ny olona toy ireny sy izay rehetra mifarimbona amin’ny asa sy misasatra mafy!+ 17  Faly anefa aho fa eto amiko i Stefanasy+ sy Fortonato ary Akaiko, satria manonitra ny tsy maha eto anareo izy ireo. 18  Fa mamelombelona ahy+ sy mamelombelona anareo izy ireo. Koa mba ekeo ny olona toy ireny.+ 19  Mampamangy,+ hono, ianareo, hoy ireo fiangonana atỳ Azia. Mampamangy anareo indrindra ao amin’ny Tompo, hono, i Akoila sy Priska, mbamin’ny fiangonana ao an-tranony.+ 20  Mampamangy anareo ny rahalahy rehetra. Mifampiarahabà amin’ny oroka masina.+ 21  Ity no veloma nosoratan’ny tanako, izaho Paoly.+ 22  Raha misy tsy miraiki-po amin’ny Tompo, dia aoka izy ho voaozona.+ Avia, ry Tomponay ô!+ 23  Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Tompo! 24  Ho aminareo rehetra anie ny fitiavako, ao amin’i Kristy Jesosy!

Fanamarihana