1 Korintianina 2:1-16

2  Koa rehefa tonga teo aminareo aho, ry rahalahy, dia tsy tamin’ny teny+ sy fahendrena mampiaiky volana no nitoriako taminareo ny zava-miafina+ masin’Andriamanitra.  Fa tapa-kevitra aho rehefa teo aminareo ny tsy hisarika ny sainareo afa-tsy ho amin’i Jesosy Kristy+ ihany, dia izy voafantsika tamin’ny hazo fijaliana.  Ary osa sy natahotra ary nangovitra be aho fony tonga teo aminareo.+  Ary tsy tamin’ny fampiasana tenim-pahendrena maharesy lahatra no nitenenako sy nitoriako, fa tamin’ny fampisehoana ny fiasan’ny fanahy masina sy ny hery,+  mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’olombelona,+ fa amin’ny herin’Andriamanitra.+  Ary miresaka momba ny fahendrena amin’izay matotra+ isika, nefa tsy ny fahendren’ity+ tontolo ity na ny an’ny mpitondrany,+ dia mpitondra izay ho levona.+  Fa isika miresaka momba ny fahendren’Andriamanitra ao amin’ny zava-miafina masina,+ dia ilay fahendrena nafenina, izay efa nomanin’Andriamanitra mialoha, talohan’ny niorenan’ireo rafitra+ nisy teto amin’ity tontolo ity, mba hahazoantsika voninahitra.  Ary tsy nisy nahafantatra izany fahendrena izany ny mpitondra+ eo amin’ity tontolo ity.+ Fa raha nahafantatra izy, dia tsy ho nofantsihany tamin’ny hazo fijaliana+ ny Tompo be voninahitra.  Fa araka ny voasoratra hoe: “Tsy hitan’ny maso na ren’ny sofina, na nitsiry tao am-pon’ny olona ny zavatra nomanin’Andriamanitra ho an’izay tia azy.”+ 10  Fa tamintsika no nampihariharian’Andriamanitra+ izany tamin’ny alalan’ny fanahiny.+ Ny fanahy+ mantsy mikaroka ao anatin’ny zava-drehetra, eny fa na dia ny zava-dalin’Andriamanitra+ aza. 11  Fa iza no mahafantatra ny zavatra momba ny olona iray afa-tsy ny tenany ihany? Koa tsy misy mahafantatra ny zavatra momba an’Andriamanitra koa, afa-tsy ny fanahin’Andriamanitra+ ihany. 12  Fa isika tsy nandray ny fanahin’izao+ tontolo izao, fa ny fanahy+ avy amin’Andriamanitra, mba hahafantarantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin-katsaram-panahy.+ 13  Ary lazaintsika koa izany zavatra izany, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona+ anefa, fa amin’ny teny ampianarin’ny fanahy,+ satria teny araka ny fanahy no anazavantsika zavatra araka ny fanahy.+ 14  Ary ny olona araka ny nofo dia tsy manaiky izay zavatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, satria hadalana aminy izany. Ary tsy afaka ny hahafantatra izany izy,+ satria mila ny fanahin’Andriamanitra ny fandinihana an’izany. 15  Fa ny olona araka ny fanahy+ kosa mandinika ny zava-drehetra, nefa tsy misy olona mandinika+ azy. 16  Fa “iza no nanjary nahafantatra ny sain’i Jehovah,+ mba hampianatra azy?”+ Isika kosa anefa manana ny sain’i+ Kristy.

Fanamarihana