1 Korintianina 3:1-23

3  Ary tsy afa-niresaka taminareo toy ny amin’ny olona araka ny fanahy+ aho, ry rahalahy, fa toy ny amin’ny olona araka ny nofo, toy ny amin’ny zaza bodo+ ao amin’i Kristy.  Ronono no nomeko ho sakafonareo, fa tsy ventin-kanina,+ satria mbola tsy natanjaka tsara ianareo. Mbola tsy matanjaka tsara ihany anefa ianareo ankehitriny,+  fa mbola araka ny nofo+ ihany. Fa raha misy fialonana sy fifamaliana eo aminareo,+ tsy araka ny nofo ve ianareo sady mitondra tena toy ny olona eo amin’izao tontolo izao?+  Raha hoy ny iray hoe: “Izaho an’i Paoly”, ary ny iray kosa hoe: “Izaho an’i Apolosy”,+ tsy toy ny olon-kafa rehetra ihany ve ianareo?  Koa inona moa i Apolosy?+ Ary inona moa i Paoly? Mpanompo+ fotsiny ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, araka ny fanompoana nomen’ny Tompo azy ireo tsirairay avy.  Izaho namboly,+ i Apolosy nanondraka,+ fa Andriamanitra kosa no tsy nitsahatra nampitombo.+  Koa tsy ilay mamboly na ilay manondraka no inona,+ fa Andriamanitra izay mampitombo.+  Ary iray ihany+ ilay mamboly sy ilay manondraka, nefa ny tsirairay aminy dia samy hahazo ny valisoany araka ny asa mafy nataony.+  Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay,+ ary ianareo dia saha volena+ sy trano aorina,+ izay samy an’Andriamanitra. 10  Araka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ nasehon’Andriamanitra tamiko, dia nametraka fototra+ aho toy ny ataon’ny olon-kendry lehiben’ny fanorenana, fa olon-kafa kosa no manorina eo ambonin’ilay fototra. Aoka anefa ny tsirairay hitandrina hatrany ny fomba fanorenany eo ambonin’izany fototra izany.+ 11  Fa tsy misy afaka mametraka fototra+ hafa ankoatra izay efa napetraka, dia i Jesosy Kristy.+ 12  Raha misy manorina amin’ny volamena, volafotsy, vatosoa, hazo, bozaka, mololo eo ambonin’ilay fototra, 13  dia hiharihary ny asan’ny tsirairay, rehefa tonga ny andro fisedrana. Fa hampiharihary izany ny afo,+ ka hampiseho ny karazan’asan’ny tsirairay. 14  Raha mbola eo ihany ny asa naorin’ny olona teo ambonin’ilay fototra,+ dia hahazo valisoa izy.+ 15  Fa raha may kosa ny asany, dia ho matiantoka izy, nefa hovonjena+ ihany, saingy ho toy ny avy amin’ny afo.+ 16  Tsy fantatrareo ve fa tempolin’Andriamanitra ianareo,+ ary mitoetra ao anatinareo ny fanahin’Andriamanitra?+ 17  Raha misy mandrava ny tempolin’Andriamanitra, dia haringan’Andriamanitra izy.+ Fa masina ny tempolin’Andriamanitra,+ ary ianareo+ izany tempoly+ izany. 18  Aoka tsy hisy hamita-tena: Raha misy aminareo mihevi-tena ho hendry+ eto amin’ity tontolo ity, dia aoka izy ho adala, mba ho hendry.+ 19  Fa amin’Andriamanitra dia hadalana ny fahendren’ity tontolo ity,+ fa voasoratra hoe: “Ny hafetsen’ny hendry ihany no amandrihany azy.”+ 20  Ary koa hoe: “Fantatr’i Jehovah fa zava-poana ny fisainan’ny olon-kendry.”+ 21  Koa aoka tsy hisy hanao olona ho reharehany, fa anareo ny zava-drehetra,+ 22  na i Paoly izany, na i Apolosy,+ na i Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy,+ eny, anareo ny zava-drehetra. 23  Ianareo kosa an’i Kristy,+ ary i Kristy an’Andriamanitra.+

Fanamarihana