1 Korintianina 4:1-21

4  Aoka ny olona hanaiky anay ho mpanompo eo ambany fahefan’i+ Kristy sy mpanompo+ miandraikitra ny zava-miafina masin’Andriamanitra.+  Raha izany àry no izy, dia takina amin’ny mpanompo+ toy izany ny ho olona mendri-pitokisana.+  Na ianareo na ny fitsaran’olombelona+ no handinika ny momba ahy dia tsy misy dikany amiko izany. Na izaho aza tsy manao izany amin’ny tenako.  Fa tsy hitako izay tsiniko,+ nefa tsy mahatonga ahy ho marina izany, fa i Jehovah no mandinika ny momba ahy.+  Koa aza mitsara+ na inona na inona alohan’ny fotoana voatondro, eny, mandra-piavin’ny Tompo.+ Izy no hampiseho mazava ny zava-miafin’ny haizina+ sy hampiharihary ny fikasan’ny fo.+ Amin’izay dia samy hahazo fiderana avy amin’Andriamanitra+ ny tsirairay.  Milaza izany zavatra izany aho, ry rahalahy, ka ny tenako sy Apolosy+ no noraisiko ho ohatra mba hahasoa anareo, ka hianaranareo ilay fitsipika hoe: “Aza mihoatra noho izay voasoratra”,+ mba tsy hisy hirehareha+ ianareo ka hihevitra ny iray ho tsara kokoa noho ny iray.+  Fa inona no mahatonga anao tsy hitovy+ amin’ny hafa? Inona tokoa moa no anananao izay tsy nomena anao?+ Koa raha nisy nanome ihany ianao,+ nahoana no mirehareha+ hoatran’ny hoe tsy nisy nanome?  Hay, efa afa-po sahady ianareo? Ary efa manankarena sahady?+ Ary efa nanomboka nanjaka+ sahady, nefa tsy niaraka taminay? Enga anie ianareo ho efa nanomboka nanjaka, mba hiarahanay manjaka aminareo koa!+  Fa amiko, dia toa izahay apostoly no nataon’Andriamanitra farany niakatra an-tsehatra,+ toy ny olona voaheloka hovonoina,+ satria nanjary fampisehoana an-tsehatra+ hojeren’izao tontolo izao sy ny anjely+ ary ny olona+ izahay. 10  Izahay moa adala+ noho ny amin’i Kristy, fa ianareo kosa malina+ ao amin’i Kristy. Izahay malemy,+ fa ianareo kosa mahery.+ Ianareo tsara laza,+ fa izahay kosa afa-boninahitra.+ 11  Hatramin’izao ora izao, dia mbola noana+ sy mangetaheta+ sy zara raha mitafy+ sy ampijalina+ sy tsy manan-kialofana+ izahay, 12  ary misasatra+ miasa amin’ny tananay.+ Rehefa tevatevaina izahay dia mirary soa,+ rehefa enjehina dia miaritra,+ 13  rehefa alam-baraka dia miangavy.+ Nanjary toy ny fakon’izao tontolo izao sy faikan’ny zava-drehetra izahay mandraka ankehitriny.+ 14  Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no anoratako izany, fa ny hananatra anareo toy ny zanako malalako.+ 15  Fa na manana mpitaiza+ iray alina ao amin’i Kristy aza ianareo, dia azo antoka fa tsy manana ray maro.+ Fa tonga rainareo ao amin’i Kristy Jesosy aho, noho ny vaovao tsara.+ 16  Koa miangavy anareo aho: Aoka hanahaka ahy ianareo.+ 17  Izany no antony anirahako an’i Timoty any aminareo,+ satria zanako+ malalako sy mendri-pitokisana ao amin’ny Tompo izy. Ary izy hampahatsiahy anareo ny fomba fiasako ao amin’i Kristy Jesosy,+ toy ny fomba fampianatro hatraiza hatraiza any amin’ny fiangonana rehetra. 18  Mirehareha+ ny sasany, toy ny hoe tsy ho tonga any aminareo aho. 19  Ho avy tsy ho ela any aminareo anefa aho, raha sitrapon’i Jehovah,+ ka tsy izay lazain’ireo mirehareha no tiako hofantarina, fa ny heriny. 20  Tsy izay lazain’ny olona mantsy no mahatonga ny fanjakan’Andriamanitra hiharihary eo amin’ny fiainany, fa ny herin’ny fanahin’Andriamanitra eo aminy.+ 21  Fa inona no tianareo: Ny hahatongavako any aminareo amin’ny tsorakazo+ sa amin’ny fitiavana sy fahalemem-panahy?+

Fanamarihana