1 Korintianina 5:1-13

5  Re fa misy fijangajangana+ eo aminareo, ary fijangajangana tsy fahita na dia eo amin’ny hafa firenena aza. Re tokoa fa misy lehilahy manao tokantranomaso amin’ny vadin-drainy.+  Dia mirehareha+ ve ianareo fa tsy tokony halahelo+ kosa, ka hanaisotra tsy ho eo aminareo ilay lehilahy nanao izany zavatra izany?+  Izaho kosa, na tsy any aminareo aza fa ny saiko any aminareo ihany, dia efa nitsara+ tokoa an’ilay lehilahy nanao toy izany, toy ny hoe any aho.  Koa izao no fitsarako: Rehefa tafangona ianareo ka any koa ny eritreritro, amin’ny alalan’ny herin’i Jesosy Tompontsika, dia aoka ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompontsika+  no anoloranareo an-dralehilahy ho an’i Satana+ handringanana ny nofo, mba ho voaro ny toe-tsain’ny+ fiangonana, mandritra ny andron’ny Tompo.+  Tsy tsara ny antony ireharehanareo.+ Tsy fantatrareo ve fa lalivay kely fotsiny dia mampitombo+ ny koba manontolo?+  Esory ny lalivay efa ela, mba ho koba vaovao+ ianareo, satria tsy tokony hisy lalivay ianareo. Fa efa natao sorona+ tokoa i Kristy,+ izay toy ny zanak’ondrin’ny Paska.+  Koa aoka isika hankalaza ilay fety,+ tsy amin’ny lalivay efa ela,+ na amin’ny lalivain’ny+ faharatsiana sy ny haratsiam-panahy,+ fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny mofon’ny fahatsoram-po sy ny fahamarinana.+  Nanoratra taminareo aho mba tsy hifaneraseranareo intsony amin’ny mpijangajanga, 10  nefa tsy te hilaza aho hoe tsy hifanerasera tanteraka amin’ny mpijangajanga+ eto amin’ity tontolo ity,+ na izay manana faniriana tsy mety afa-po na mpanao an-keriny na mpanompo sampy. Raha izany mantsy, dia tena tsy maintsy miala eo amin’izao tontolo izao ianareo.+ 11  Fa manoratra aminareo kosa aho izao mba tsy hifaneraseranareo intsony+ amin’izay antsoina hoe rahalahy nefa mpijangajanga, na manana faniriana tsy mety afa-po,+ na mpanompo sampy, na mpanevateva, na mpimamo,+ na mpanao an-keriny, ary mba tsy hiara-mihinana aminy akory. 12  Fa inona no idirako amin’izay fitsarana ny any ivelany?+ Tsy ianareo ve no mitsara ny ato anatiny,+ 13  fa Andriamanitra kosa no mitsara ny any ivelany?+ “Esory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.”+

Fanamarihana