1 Korintianina 6:1-20

6  Raha misy aminareo manana ady+ amin’ny namany, dia ho sahiny ve ny hitory any amin’ny fitsarana ka hiseho eo anatrehan’ny olona tsy marina,+ fa tsy eo anatrehan’ny olona masina?+  Sa tsy fantatrareo fa hitsara+ an’izao tontolo izao+ ny olona masina? Koa raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, tsy mendrika ny hitsara raharaha tena madinika+ ve ianareo?  Tsy fantatrareo ve fa hitsara anjely isika?+ Koa nahoana no tsy hitsara raharaha momba izao fiainana izao?  Raha toa àry ka raharaha momba izao fiainana izao no ilanareo fitsarana,+ dia lehilahy hamavoin’ny fiangonana ve no apetrakareo ho mpitsara?+  Ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.+ Marina ve fa tsy misy lehilahy hendry+ aminareo ka ho afaka hitsara ny adin’ireo rahalahiny?  Ny rahalahy anefa mitory ny rahalahiny any amin’ny fitsarana, ary amin’izay indray eo anatrehan’ny tsy mpino.+  Koa tena faharesena tanteraka ho anareo ny ifampitorianareo.+ Tsy aleo ve manaiky hiharan’ny tsy rariny?+ Tsy aleo ve manaiky hambakaina?+  Tsy izany anefa fa ianareo no manao ny tsy rariny sady manambaka, nefa ny rahalahinareo ihany no anaovanareo izany.+  Tsy fantatrareo angaha fa tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina?+ Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga,+ na mpanompo sampy,+ na mpanitsakitsa-bady,+ na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana,+ na lehilahy miray amin’ny lehilahy,+ 10  na mpangalatra, na olona manana faniriana tsy mety afa-po,+ na mpimamo,+ na mpanevateva, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.+ 11  Efa toy izany ihany ny sasany aminareo,+ saingy efa voasasa madio tsara ianareo,+ efa nohamasinina ianareo,+ efa nambara ho marina+ ianareo tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy+ Tompontsika sy tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.+ 12  Azoko atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mahasoa.+ Azoko atao ny zava-drehetra,+ nefa tsy havelako hofehezin-javatra na inona na inona ny tenako.+ 13  Ny sakafo dia natao ho an’ny kibo, ary ny kibo ho an’ny sakafo,+ nefa samy holevonin’Andriamanitra izy roa tonta.+ Ary ny vatana dia tsy natao ho an’ny fijangajangana, fa ho an’ny Tompo,+ ary ny Tompo kosa ho an’ny vatana.+ 14  Fa Andriamanitra efa nanangana ny Tompo+ sady hanangana antsika amin’ny maty,+ amin’ny alalan’ny heriny.+ 15  Tsy fantatrareo ve fa rantsambatan’i+ Kristy ny vatanareo?+ Koa ny rantsambatan’i Kristy ve no halaiko ka hataoko ho rantsambatan’ny mpivaro-tena?+ Sanatria izany! 16  Tsy fantatrareo angaha fa izay miray amin’ny mpivaro-tena dia vatana iray aminy? Fa hoy Andriamanitra: “Ho nofo iray ihany izy roa.”+ 17  Fa izay tafaray amin’ny Tompo kosa dia iray+ saina aminy.+ 18  Andosiro ny fijangajangana.+ Izay fahotana hafa rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny vatany, fa ny mpijangajanga kosa manota amin’ny vatany ihany.+ 19  Tsy fantatrareo angaha fa ny vatanareo no tempolin’ny+ fanahy masina, dia ny fanahy masina izay ao anatinareo+ sady azonareo avy amin’Andriamanitra? Ary tsy anareo intsony koa ny tenanareo,+ 20  fa voavidy ianareo.+ Koa mankalazà an’Andriamanitra+ amin’ny vatanareo.+

Fanamarihana