1 Korintianina 7:1-40

7  Izao no valin’ny fanontaniana nosoratanareo: Tsara raha tsy mikasi-behivavy+ ny lehilahy.  Noho ny fielezan’ny fijangajangana anefa,+ dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny avy,+ ary ny vehivavy samy hanana ny vadiny avy.  Aoka ny lehilahy hanao ny adidiny amin’ny vadiny,+ ary ny vehivavy koa mba hanao toy izany.+  Ny vehivavy dia tsy manana fahefana amin’ny vatany, fa ny vadiny no manana izany.+ Toy izany koa fa ny lehilahy dia tsy manana fahefana amin’ny vatany, fa ny vadiny no manana izany.+  Aoka tsy hisy aminareo tsy hanaiky hanao ny adidy amim-bady,+ raha tsy efa ifanarahanareo angaha hoe mandritra ny fotoana iray,+ mba hanokananareo fotoana ho amin’ny vavaka ka hiaraka indray ianareo avy eo, sao haka fanahy+ anareo foana i Satana noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena.+  Tsy mandidy anefa aho raha milaza izany,+ fa mamela anareo malalaka.+  Fa iriko ho tahaka ahy ny olona rehetra.+ Samy nahazo fanomezana+ avy amin’Andriamanitra anefa ny tsirairay, ka ny iray toy izao, ary ny iray kosa toy izao.  Izao no lazaiko amin’ny tsy manambady+ sy ny vehivavy mpitondratena: Tsara raha mitoetra ho tahaka ahy izy ireo.+  Raha tsy mahafehy tena anefa izy,+ dia aoka izy hanambady, fa aleo manambady+ toy izay harehitry ny filan’ny nofo.+ 10  Manoro hevitra ny manambady aho, nefa tsy izaho fa ny Tompo:+ Tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny vehivavy.+ 11  Raha tena miala tokoa anefa izy, dia aoka hitoetra ho tsy manambady na aoka hody amin’ny vadiny. Ary tsy tokony hiala amin’ny vadiny ny lehilahy. 12  Milaza amin’ny hafa kosa aho, eny, izaho fa tsy ny Tompo:+ Raha misy rahalahy manambady tsy mpino, ary manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy. 13  Ary raha misy vehivavy manambady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy. 14  Fa hamasinina noho ny amin’ny vadiny ny lehilahy tsy mpino, ary hamasinina noho ny amin’ny rahalahy ny vadiny tsy mpino. Raha tsy izany, dia tena tsy madio ny zanakareo,+ nefa masina izy ireo izao.+ 15  Fa raha ilay tsy mino kosa no te hiala,+ dia avelao izy hiala. Tsy voageja ny rahalahy na ny anabavy ao anatin’ny toe-javatra toy izany, fa Andriamanitra efa niantso anareo ho amin’ny fihavanana.+ 16  Tsy fantatrao angaha ravehivavy fa mety ho voavonjinao ny vadinao?+ Ary tsy fantatrao angaha ralehilahy fa mety ho voavonjinao ny vadinao?+ 17  Efa nomen’i Jehovah izay tokony ho azy avy ny tsirairay,+ ka aoka samy handeha araka izay efa niantsoan’Andriamanitra azy.+ Ary izany no andidiako+ ny fiangonana rehetra. 18  Misy voafora ve fony izy nantsoina?+ Aoka izy tsy ho lasa tsy mifora. Misy tsy mifora ve tamin’izy nantsoina?+ Aoka izy tsy hoforana.+ 19  Tsy midika ho inona ny famorana,+ ary tsy midika ho inona ny tsy famorana,+ fa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra no izy.+ 20  Na toy inona na toy inona ny tsirairay tamin’izy nantsoina,+ dia aoka izy hitoetra amin’izany.+ 21  Mpanompon’olona ve ianao no nantsoina? Aoka tsy hampanahy anao izany,+ nefa raha misy mety hahafahanao amin’izany, dia hararaoty. 22  Fa izay ao amin’ny Tompo ka nantsoina tamin’izy mpanompon’olona, dia olona nomena fahafahana izy sady an’ny Tompo.+ Toy izany koa fa izay nantsoina tamin’izy olona afaka,+ dia mpanompon’i+ Kristy izy. 23  Voavidy ianareo,+ ka aza mety ho lasa mpanompon’olona+ intsony. 24  Ry rahalahy, na toy inona na toy inona+ ny tsirairay tamin’izy nantsoina, dia aoka izy hitoetra amin’izany sady hifandray akaiky amin’Andriamanitra. 25  Ny amin’ny virjiny kosa, dia tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho. Manome ny hevitro+ anefa aho, satria nanehoan’ny Tompo+ famindram-po mba ho mendri-pitokisana.+ 26  Koa izao no tsara, araka ny hevitro, noho ny fahasahiranana mahazo antsika ankehitriny: Tsara raha mitoetra amin’izay efa misy azy ny olona.+ 27  Lehilahy efa voafatotry ny fanambadiana àry ve ianao?+ Aza mitady izay hahafahana.+ Lehilahy tsy voafatotry ny fanambadiana intsony ve ianao? Aza mitady vady intsony. 28  Raha manambady aza anefa ianao, dia tsy manota.+ Ary raha misy virjiny manambady, dia tsy manota izy. Hanam-pahoriana amin’ny nofony anefa ireo hanambady,+ ka tsy tiako hiharan’izany ianareo. 29  Izao koa no lazaiko, ry rahalahy: Efa kely sisa ny fotoana tavela.+ Manomboka izao, dia aoka izay manambady ho toy ny tsy manana,+ 30  ary izay mitomany ho toy ny tsy mitomany, ary izay mifaly ho toy ny tsy mifaly, ary izay mividy ho toy ny tsy manana, 31  ary izay mampiasa an’izao tontolo izao,+ ho toy ireo tsy revo tanteraka aminy, fa miovaova ny sehatr’ity tontolo ity.+ 32  Iriko tokoa ianareo ho afaka amin’ny fanahiana.+ Ny lehilahy tsy manambady dia manahy ny amin’izay an’ny Tompo, ny amin’ny fomba hahazoany sitraka amin’ny Tompo. 33  Fa ny lehilahy manambady kosa manahy+ ny amin’izay an’izao tontolo izao, ny amin’ny fomba hahazoany sitraka amin’ny vadiny,+ 34  ka voazarazara izy. Ankoatra izany, ny vehivavy tsy manambady sy ny virjiny dia manahy ny amin’izay an’ny Tompo,+ mba ho masina ny tenany sy ny sainy. Ny vehivavy manambady kosa anefa manahy ny amin’izay an’izao tontolo izao, ny amin’ny fomba hahazoany sitraka amin’ny vadiny.+ 35  Ny hahasoa anareo no ilazako izany. Tsy ny hamatotra anareo no ilazako izany, fa ny handrisika anareo ho amin’izay mety+ sy ho amin’izay atao hoe fanompoana ny Tompo mandrakariva tsy misy fieritreretana zavatra hafa.+ 36  Raha misy anefa mihevitra fa tsy hainy ny mitondra tena amin’ny maha virjiny azy,+ ary raha efa dila ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana izy, ka tokony hanambady, dia aoka izy hanao izay tiany. Tsy manota izy. Aoka izy ireo hanambady.+ 37  Raha misy kosa tapa-kevitra ao am-pony, ka tsy misy zavatra manery azy, fa mahafehy ny sitrapony izy ary tapa-kevitra ao am-pony ny hitoetra ho virjiny, dia tsara ny ataony.+ 38  Noho izany, izay tsy mitoetra ho virjiny fa manambady dia manao tsara,+ fa izay mitoetra ho virjiny kosa ka tsy manambady dia manao tsara kokoa.+ 39  Voafatotry ny fanambadiana ny vehivavy raha mbola velona koa ny vadiny.+ Fa raha maty* kosa ny vadiny, dia afaka manambady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.+ 40  Sambatra kokoa anefa izy, araka ny hevitro, raha mitoetra amin’izao.+ Azoko antoka fa manana ny fanahin’Andriamanitra+ koa aho.

Fanamarihana

A.b.t.: “matory (ao amin’ny fahafatesana).”