1 Korintianina 8:1-13

8  Ary ny amin’ny sakafo atolotra ho an’ny sampy,+ dia fantatsika fa manana fahalalana+ isika rehetra. Ny fahalalana anefa mampirehareha, fa ny fitiavana kosa mampahery.+  Raha misy mihevi-tena ho efa manam-pahalalana momba ny zavatra iray,+ dia mbola tsy mahafantatra izany araka ny tokony hahafantarany azy izy.+  Fa raha misy tia an’Andriamanitra kosa,+ dia fantatr’Andriamanitra izy.+  Ny amin’ny fihinanana+ sakafo atolotra ho an’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona velively ny sampy,+ ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany.+  Fa na misy aza ireo antsoina hoe “andriamanitra”,+ na any an-danitra+ na eto an-tany,+ toy ny isian’ny “andriamanitra” maro sy “tompo” maro,+  dia tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana+ ihany amintsika, dia ny Ray,+ izay niavian’ny zava-drehetra, ary ho azy isika.+ Ary tokana ihany ny Tompo,+ dia i Jesosy Kristy.+ Tamin’ny alalany no nanaovana ny zava-drehetra+ sady nanaovana antsika koa.  Tsy ny olona rehetra anefa no manana izany fahalalana izany.+ Fa hatramin’izao ny sasany dia mbola mieritreritra momba ny sampy ihany, ka rehefa mihinan-kanina izy dia mieritreritra hoe zavatra natao sorona ho an’ny sampy izany.+ Koa voaloto ny feon’ny fieritreretany satria malemy.+  Tsy hahamendrika antsika eo anatrehan’Andriamanitra anefa ny sakafo.+ Raha tsy mihinana isika, dia tsy ho matiantoka, ary raha mihinana isika, dia tsy hahazo tombony.+  Mitandrema hatrany anefa sao ho lasa vato mahatafintohina ho an’ny malemy izany zo anananareo izany.+ 10  Fa raha ianao izay manam-pahalalana no misy mahita mandry ilika* hisakafo ao amin’ny tempolin’ny sampy, moa ve ny feon’ny fieritreretan’ilay malemy tsy hampirisika azy ho sahy hihinana sakafo atolotra ho an’ny sampy?+ 11  Koa ny fahalalanao àry no manimba an’ilay malemy, dia ny rahalahinao izay namoizan’i Kristy ny ainy.+ 12  Fa manota amin’i Kristy ianareo, rehefa manota toy izany amin’ny rahalahinareo ka mandratra ny feon’ny fieritreretany+ mbola malemy. 13  Koa raha ny sakafo no mahatafintohina ny rahalahiko,+ dia tsy hihinan-kena intsony mihitsy aho sao ho tafintohina ny rahalahiko.+

Fanamarihana

Jereo Mt 8:11 f.a.p.