1 Korintianina 9:1-27

9  Tsy olona afaka ve aho?+ Tsy apostoly ve aho?+ Tsy efa nahita an’i Jesosy Tompontsika ve aho?+ Tsy ianareo ve no vokatry ny asako ao amin’ny Tompo?  Raha tsy apostoly ho an’ny olon-kafa aho, dia tena azo antoka fa apostoly ho anareo. Fa ianareo no tombo-kase manamarina+ ny maha apostoly ahy, raha ny amin’ny Tompo.  Izao àry no fiarovan-tenako amin’ireo mandinika ny momba ahy:+  Angaha izahay tsy manan-jo hihinana+ sy hisotro?  Angaha izahay tsy manan-jo hitondra vady+ mpino, toy ny ataon’ny apostoly hafa rehetra sy ny rahalahin’ny Tompo+ ary Kefasy?+  Sa izaho sy Barnabasy+ ihany no tsy manan-jo hitsahatra amin’ny asa fivelomana?+  Aiza no hisy miaramila mianto-tena? Iza no mamboly voaloboka ka tsy mihinana ny voany?+ Na iza no miandry andian’ondry ka tsy mihinana amin’ny rononony?+  Araka ny fihevitry ny olona+ ve no ilazako izany? Tsy milaza izany koa angaha moa ny Lalàna?+  Fa izao no voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy: “Aza asiana fehivava ny omby miasa eny am-pamoloana.”+ Ny omby ve no ahin’Andriamanitra? 10  Sa noho isika indrindra no nilazany izany? Tena noho isika no nanoratana izany,+ satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana ny hahazo vokatra, ary izay miasa eny am-pamoloana dia tokony hanao izany amin’ny fanantenana ny hahazo ny anjarany.+ 11  Raha namafy zavatry ny fanahy+ taminareo izahay, dia mba mampaninona moa raha hijinja zavatra ho an’ny nofo avy aminareo izahay?+ 12  Raha ny hafa aza manana izany zo izany aminareo,+ tsy mainka fa izahay? Tsy mampiasa izany zo izany anefa izahay,+ fa miaritra ny zava-drehetra, mba tsy hanakantsakananay ny vaovao tsara+ momba an’i Kristy. 13  Tsy fantatrareo ve fa izay manao asa masina dia mihinana+ izay ao amin’ny tempoly, ary izay manompo mandrakariva+ eo amin’ny alitara dia miara-mahazo anjara amin’ny alitara? 14  Toy izany koa fa nodidian’ny Tompo+ hivelona amin’ny vaovao tsara izay mitory ny vaovao tsara.+ 15  Tsy nisy nampiasaiko anefa izany zo izany.+ Ary tsy ny hahazoako izany zavatra izany velively no anoratako, fa aleoko aza maty toy izay... Fa tsy misy olona hahafoana ny antony ireharehako!+ 16  Koa raha mitory ny vaovao tsara+ aho, dia tsy misy antony ireharehako, fa tsy maintsy+ manao izany aho. Lozako+ tokoa raha tsy mitory ny vaovao tsara aho! 17  Raha an-tsitrapo+ no anaovako izany, dia manana valisoa+ aho, fa raha tsy an-tsitrapo kosa, dia efa manana asa fiandraiketana+ nankinina tamiko rahateo aho. 18  Inona àry no valisoako? Izao: Rehefa mitory ny vaovao tsara aho, dia afaka manolotra izany maimaim-poana,+ mba tsy hanararaotako ny zoko avy amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. 19  Fa na dia afaka adidy amin’ny olona rehetra aza aho, dia efa nataoko ho mpanompon’ny+ rehetra ny tenako, mba hahazoako+ olona maro araka izay azo atao. 20  Koa tamin’ny Jiosy dia tonga Jiosy aho,+ mba hahazoako ny Jiosy. Tamin’izay teo ambanin’ny lalàna, dia tonga toy izay teo ambanin’ny lalàna aho,+ na dia tsy eo ambanin’ny lalàna aza,+ mba hahazoako izay eo ambanin’ny lalàna. 21  Tamin’izay tsy manan-dalàna,+ dia tonga toy izay tsy manan-dalàna aho,+ na dia manana ny lalàn’Andriamanitra sy eo ambanin’ny lalàn’i+ Kristy+ aza aho, mba hahazoako izay tsy manan-dalàna. 22  Tamin’ny malemy, dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy.+ Tonga zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra+ aho, mba hisy hovonjeko na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. 23  Fa ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako+ azy io amin’ny hafa. 24  Tsy fantatrareo ve fa mihazakazaka avokoa ny mpihazakazaka+ rehetra manao fifaninanana, nefa iray monja no mahazo ny loka?+ Mihazakazaha+ koa mba hahazoanareo azy io.+ 25  Ary mifehy tena+ amin’ny zava-drehetra koa izay rehetra mandray anjara amin’ny fifaninanana. Mazava ho azy fa manao izany izy ireo mba hahazoana satroboninahitra mety lo,+ fa isika kosa mba hahazoana ny tsy mety lo.+ 26  Koa rehefa mihazakazaka+ aho, dia tsy mihazakazaka befahatany fotsiny. Ary tsy toy ny mamely rivotra+ aho rehefa mamely totohondry, 27  fa asiako mafy ny vatako+ ka andevoziko, sao izaho indray no tsy hankasitrahana+ kanefa efa nitory tamin’ny hafa.

Fanamarihana