1 Mpanjaka 15:1-34
15 Tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakan’i Jeroboama+ Mpanjaka zanak’i Nebata,+ no lasa mpanjakan’ny Joda i Abiama.+
2 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Maka,+ zafikelin’i Abisaloma.+
3 Nandeha tamin’ny fahotana rehetra efa nataon-drainy talohany i Abiama. Ary tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony,+ tsy mba hoatran’ny fon’i Davida razambeny.+
4 Fa noho ny amin’i Davida+ no nanomezan’i Jehovah Andriamaniny azy jiro+ tany Jerosalema, ka nanendreny an-janany handimby azy sy nampaharetany an’i Jerosalema.+
5 Nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah mantsy i Davida, ary tsy niala tamin’izay nandidiany azy izy nandritra ny androm-piainany,+ afa-tsy tamin’ilay raharaha momba an’i Oria Hetita.+
6 Ary nisy ady teo amin’i Rehoboama sy Jeroboama nandritra ny androm-piainany.+
7 Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Abiama, mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? Ary nisy ady koa teo amin’i Abiama sy Jeroboama.+
8 Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Abiama, ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ Ary i Asa+ zanany no nanjaka nandimby azy.
9 Tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Jeroboama mpanjakan’ny Israely no nanjakan’i Asa teo amin’ny Joda.
10 Iraika amby efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny renibeny dia Maka,+ zafikelin’i Abisaloma.+
11 Ary nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah i Asa, sahala amin’i Davida razambeny.+
12 Koa nofoanany teo amin’ilay tany ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly,+ ary nesoriny daholo koa ny sampy maharikoriko*+ nataon’ny razany.+
13 Nesoriny tsy ho andriambavy+ koa na dia i Maka+ renibeny aza, satria nanao sampy mahatsiravina izay nampiasaina hivavahana tamin’ny tsato-kazo masina. Dia nokapain’i Asa ilay sampy+ mahatsiravina nataon’ny renibeny ka nodorany+ tao amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona.+
14 Fa tsy mba nesoriny+ kosa ireo toerana avo.+ Na izany aza, dia nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah ny fon’i Asa, nandritra ny androm-piainany.+
15 Ary nampidiriny tao an-tranon’i Jehovah izay zavatra nohamasinin-drainy sy nohamasinin’ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary zavatra maro hafa.+
16 Ary nisy ady teo amin’i Asa sy Basa+ mpanjakan’ny Israely, nandritra ny androm-piainan’izy ireo.
17 Koa niakatra hanafika an’i Joda i Basa mpanjakan’ny Israely, ary nanorina an’i Rama+ izy mba tsy hamelana na iza na iza hivezivezy hankao amin’i Asa mpanjakan’ny Joda.+
18 Koa nalain’i Asa daholo ny volafotsy sy ny volamena sisa tamin’ireo zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny mpanjaka, ka nataony teo an-tanan’ny mpanompony. Ary nirahin’i Asa Mpanjaka ireo ho any amin’i Beni-hadada+ zanak’i Tabrimona, zanak’i Heziona, mpanjakan’i Syria,+ izay nonina tao Damaskosy,+ mba hilaza hoe:
19 “Misy fifanekena eo amiko sy aminao, ary eo amin’ny raiko sy ny rainao. Nandefasako volafotsy sy volamena ianao ho fanomezana.+ Koa foany ny fifanekena nifanaovanao tamin’i Basa mpanjakan’ny Israely, mba hialany amiko.”+
20 Dia neken’i Beni-hadada ny tenin’i Asa Mpanjaka, ka nirahiny ireo lehiben’ny tafiny mba hanafika ny tanànan’ny Israely. Koa notafihiny i Iona+ sy Dana+ sy Abela-beti-maka+ mbamin’i Kinereta manontolo, hatrany amin’ny tanin’i Naftaly+ manontolo.
21 Raha vao ren’i Basa izany, dia tsy nanorina an’i Rama+ intsony izy. Ary mbola nonina tao Tirza+ izy.
22 Fa nampiantsoin’i Asa Mpanjaka kosa ny Joda+ rehetra, ary tsy nisy afa-niala tamin’ny fiantsoany. Dia nentin’ny olona ny vato sy ny hazo nanorenan’i Basa an’i Rama, ka ireny no nampiasain’i Asa Mpanjaka hanorenana an’i Geba+ an’i Benjamina, sy Mizpa.+
23 Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Asa rehetra, mbamin’ny heriny rehetra sy izay rehetra nataony ary ireo tanàna naoriny, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? Narary tongotra+ anefa izy rehefa antitra.+
24 Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Asa,+ ka nalevina any amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida razambeny.+ Ary i Josafata+ zanany no nanjaka nandimby azy.
25 Ary i Nadaba+ zanak’i Jeroboama kosa lasa mpanjakan’ny Israely tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda. Ary nanjaka roa taona teo amin’ny Israely izy.
26 Ary nanao izay ratsy+ teo imason’i Jehovah foana izy, ary mbola nanao hoatran’izay nataon-drainy+ sady nanao araka ny fahotan-drainy izay nampanotany ny Israely.+
27 Ary nanao tetika hamelezana an’i Nadaba i Basa+ zanak’i Ahia anisan’ny taranak’Isakara, ka namono azy ho faty tao Gibetona,+ izay an’ny Filistinina. Mbola nanao fahirano an’i Gibetona i Nadaba sy ny Israely rehetra tamin’izay.
28 Koa novonoin’i Basa izy tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, ka i Basa no nanjaka nandimby azy.+
29 Raha vao lasa mpanjaka i Basa, dia novonoiny daholo ny ankohonan’i Jeroboama manontolo, ka tsy nasiany niangana izay rehetra nanam-pofonaina tamin’ny ankohonan’i Jeroboama mandra-pandringany azy tanteraka, araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Ahia Silonita mpanompony,+
30 noho ny fahotana izay nataon’i Jeroboama+ sy nampanotany ny Israely, ary koa noho ny nanaovany izay hampahatezitra an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+
31 Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Nadaba, mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany?
32 Ary nisy ady teo amin’i Asa sy Basa mpanjakan’ny Israely, nandritra ny androm-piainan’izy ireo.+
33 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely rehetra tao Tirza i Basa zanak’i Ahia, ary nanjaka efatra amby roapolo taona izy.+
34 Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy,+ ary mbola nanao hoatran’izay nataon’i Jeroboama+ sady nanao araka ny fahotany izay nampanotany ny Israely.+