1 Mpanjaka 17:1-24

17  Ary niteny tamin’i Ahaba i Elia+ Tisbita, izay anisan’ny mponin’i Gileada,+ hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ izay eo anatrehany no itsanganako,+ dia tsy hisy ando na orana mandritra ny taona maro,+ raha tsy noho ny baiko avy amiko!”+  Dia tonga tamin’i Elia ny tenin’i+ Jehovah hoe:  “Mialà eto ka mivilia miantsinanana ary miafena+ any amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kerita, any atsinanan’i Jordana.  Ary ny rano eo amin’ilay lohasaha no hosotroinao,+ ary ny goaika+ no hodidiako hanome sakafo anao any.”+  Dia lasa avy hatrany i Elia, ka nanao araka ny tenin’i Jehovah.+ Koa nandeha izy ka nonina tany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kerita, any atsinanan’i Jordana.  Ny goaika no nitondra mofo sy hena ho azy rehefa maraina sy hariva, ary ny rano teo amin’ilay lohasaha falehan-driaka no nosotroiny.+  Ritra anefa ny rano teo amin’ilay lohasaha+ rehefa afaka andro maromaro, satria tsy nisy oram-be nilatsaka tamin’ny tany.  Dia tonga taminy ny tenin’i Jehovah hoe:+  “Mitsangàna ka mandehana any Zarefata+ any Sidona, ary mijanòna any. Misy vehivavy mpitondratena efa nasaiko hanome sakafo anao any.” 10  Koa nitsangana izy ka nankany Zarefata, dia nankao amin’ny fidirana amin’ilay tanàna. Ary nisy vehivavy mpitondratena naka kitay teo. Dia niantso azy i Elia, ka nanao hoe: “Mba itondray rano kely anaty kaopy re aho hosotroiko e!”+ 11  Ary raha iny izy lasa naka rano iny, dia niantso azy indray i Elia, ary niteny hoe: “Dia mba itondray mofo+ kely koa aho, azafady.” 12  Fa hoy ravehivavy: “Raha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitrao,+ dia tsy manana mofo+ aho. Tsy manana afa-tsy lafarinina eran-tanan’ila+ ao anaty siny lehibe sy menaka+ kely ao anaty siny kely aho. Maka kitay vitsivitsy aho izao, dia hiditra hikarakara sakafo ho anay mianaka. Dia hihinana izahay, ary ho faty avy eo.”+ 13  Dia hoy i Elia taminy: “Aza matahotra.+ Midira, ka manaova araka ny teninao. Fa anaovy mofo kely boribory anankiray amin’izay misy ao fotsiny aho aloha,+ ka ento etỳ amiko. Avy eo, dia afaka mikarakara sakafo ho anareo mianaka ianao. 14  Fa izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Tsy ho lany ny lafarinina ao anatin’ilay siny lehibe, ary tsy ho ritra ny menaka ao anatin’ilay siny kely, mandra-pahatongan’ny andro handatsahan’i Jehovah oram-be amin’ny tany.’”+ 15  Dia lasa ravehivavy, ka nanao araka ny tenin’i Elia. Ary nanan-kohanina nandritra ny andro maro ravehivavy sy Elia ary ny ankohonan-dravehivavy.+ 16  Tsy lany ny lafarinina tao anatin’ilay siny lehibe, ary tsy ritra ny menaka tao anatin’ilay siny kely,+ araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Elia. 17  Narary ny zanak’ilay vehivavy tompon-trano, taorian’izay. Tena narary mafy ilay ankizilahy, ka tsy nisy fofonaina intsony tao aminy.+ 18  Dia hoy ravehivavy tamin’i Elia: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa,+ ry lehilahin’Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko ianao mba hampahatsiahy ny fahotako+ sy hamono ny zanako.” 19  Fa hoy i Elia taminy: “Atolory ahy ny zanakao.” Dia noraisiny avy teo an-tratran-dravehivavy ilay ankizy, ary nentiny niakatra tao amin’ilay efitra nipetrahany tany an-tampon-trano,+ ka nataony teo ambony fandrianany.+ 20  Dia niantso an’i Jehovah izy hoe: “Ry Jehovah Andriamanitro ô,+ nahatonga loza tamin’ity mpitondratena ivahiniako ity koa ve ianao ka nahafaty ny zanany?” 21  Dia nitsotra intelo teo ambonin’ilay ankizy izy,+ sady niantso an’i Jehovah hoe: “Ry Jehovah Andriamanitro ô! Mba ataovy re izay hampiverina ny ain’ity+ ankizy ity e!” 22  Farany, dia nihaino an’i Elia i Jehovah+ ka niverina ny ain’ilay ankizy, ary velona indray izy.+ 23  Dia noraisin’i Elia ilay ankizy, ka nentiny nidina avy tao amin’ilay efitra tany an-tampon-trano, ary natolony an-dreniny tao an-trano. Dia hoy i Elia: “Io fa velona ny zanakao.”+ 24  Ary hoy ravehivavy tamin’i Elia: “Tena fantatro tokoa izao fa lehilahin’Andriamanitra ianao,+ ary marina ny tenin’i Jehovah aloaky ny vavanao.”+

Fanamarihana