1 Mpanjaka 18:1-46

18  Rehefa afaka andro maro,+ izany hoe tamin’ny taona fahatelo, dia tonga tamin’i Elia ny tenin’i Jehovah, nanao hoe: “Mandehana miseho amin’i Ahaba, fa handatsaka orana amin’ny tany aho.”+  Dia lasa i Elia mba hiseho tamin’i Ahaba, raha mbola mafy dia mafy+ ny mosary tany Samaria.  Tao anatin’izany fotoana izany, dia nantsoin’i Ahaba i Obadia, izay niandraikitra ny ankohonany.+ Olona tena natahotra+ an’i Jehovah i Obadia.  Rehefa nandringana an’ireo mpaminanin’i Jehovah+ mantsy i Jezebela,+ dia mpaminany zato no nalain’i Obadia ka nafeniny. Dimampolo avy no nataony tao anaty lava-bato, ary nitondrany mofo sy rano izy ireo.+  Ary hoy i Ahaba tamin’i Obadia: “Mandehana mitety ny tany, ho any amin’ny loharano rehetra sy ny lohasaha falehan-driaka rehetra. Angamba hahita ahi-maitso+ isika, ka ho voatsimbina ny ain’ny soavaly sy ny ramole, ary tsy hisy biby ho ripaka intsony.”+  Dia nozarain’izy ireo ny tany tokony hotetezina, ka i Ahaba nandeha irery tamin’ny lalana iray, ary i Obadia kosa nandeha irery tamin’ny lalana iray.+  Ary nifanena tamin’i Elia+ teny an-dalana i Obadia, ka fantany avy hatrany hoe i Elia io. Dia niankohoka+ izy ka nanao hoe: “Ianao ve ity, ry Elia tompoko?”+  Dia hoy i Elia taminy: “Izaho ity! Mandehana, lazao amin’ny tomponao+ hoe: ‘Any i Elia!’”  Fa hoy i Obadia: “Fa dia inona loatra no fahotana+ vitako no atolotrao eo an-tanan’i Ahaba ity mpanomponao mba hamonoany ahy ho faty? 10  Raha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitrao,+ dia tsy nisy firenena na fanjakana tsy nandefasan’ny tompoko olona hitady anao. Ary rehefa niteny ireny hoe: ‘Tsy atỳ izy’, dia nasainy nianiana izany firenena sy fanjakana izany hoe tena tsy nahita anao tokoa.+ 11  Izao anefa ianao manao hoe: ‘Mandehana, lazao amin’ny tomponao hoe: “Any i Elia!”’ 12  Azo antoka fa raha vao miala eto aminao aho, dia hoentin’ny fanahin’i+ Jehovah any amin’izay toerana tsy fantatro any ianao. Koa raha tonga any amin’i Ahaba aho ka milaza aminy, nefa tsy hahita anao izy, dia azo antoka fa hovonoiny ho faty+ aho. Efa hatramin’ny fahazazako anefa izaho mpanomponao no matahotra an’i Jehovah.+ 13  Mbola tsy nolazaina tamin’ny tompoko angaha izay nataoko rehefa novonoin’i Jezebela ny mpaminanin’i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin’i Jehovah zato lahy? Dimampolo avy no nataoko tao anaty lava-bato,+ ary nitondrako mofo sy rano izy ireo.+ 14  Izao anefa ianao manao hoe: ‘Mandehana, lazao amin’ny tomponao hoe: “Any i Elia!”’ Koa azo antoka fa hovonoiny ho faty aho.”+ 15  Hoy anefa i Elia: “Raha mbola velona koa i Jehovah+ Tompon’ny tafika,+ izay eo anatrehany no itsanganako, dia hiseho amin’i Ahaba aho anio.” 16  Dia nankany amin’i Ahaba i Obadia ka nilaza izany taminy. Koa nankany amin’i Elia i Ahaba. 17  Raha vao nahita an’i Elia i Ahaba, dia nilaza taminy hoe: “Ianao ve ity, ry ilay nahatonga loza tamin’ny Israely?”+ 18  Ary hoy ny navalin’i Elia: “Tsy izaho no nahatonga loza+ tamin’ny Israely, fa ianao sy ny ankohonan-drainao,+ satria niala tamin’ny didin’i Jehovah ianareo,+ ka nanaraka an’ireo Bala.+ 19  Koa maniraha olona, ka vorio ny Israely rehetra hankany amiko any amin’ny Tendrombohitra Karmela.+ Vorio koa ny mpaminanin’i Bala+ dimampolo sy efajato sy ny mpaminanin’ny tsato-kazo masina+ efajato, izay samy mihinana eo an-databatr’i Jezebela.”+ 20  Dia naniraka olona tany amin’ny zanak’Israely rehetra i Ahaba, sady namory ny mpaminany+ rehetra ho any amin’ny Tendrombohitra Karmela. 21  Ary nankeo amin’ny olona rehetra i Elia, ka nanao hoe: “Mandra-pahoviana ianareo no hiroa saina?*+ Raha i Jehovah no tena Andriamanitra, dia manaraha azy.+ Fa raha i Bala kosa, dia manaraha azy.” Tsy namaly azy anefa ny olona na indraim-bava aza. 22  Dia hoy koa i Elia tamin’ny olona: “Izaho irery sisa no mpaminanin’i Jehovah,+ fa ny mpaminanin’i Bala kosa dimampolo sy efajato. 23  Koa aoka homena vantotr’ombilahy roa izahay, dia aoka ry zareo hifidy vantotr’ombilahy iray, ka handrasa azy ary hametraka azy eo ambony kitay, nefa tsy hanisy afo eo. Ary izaho kosa hikarakara an’ilay vantotr’ombilahy iray ka hametraka azy eo ambony kitay, nefa tsy hanisy afo eo koa. 24  Ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo,+ fa izaho kosa hiantso ny anaran’i Jehovah. Koa izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo+ no tena Andriamanitra.”+ Dia namaly ny olona rehetra hoe: “Mety izany.” 25  Ary hoy i Elia tamin’ireo mpaminanin’i Bala: “Fidio izay vantotr’ombilahy ho anareo, ka karakarao aloha fa ianareo no maro an’isa. Ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo. Aza asiana afo anefa eo.” 26  Koa nalain’izy ireo ilay vantotr’ombilahy nomena azy, ka nokarakarainy. Dia niantso ny anaran’i Bala izy ireo hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, hoe: “Ry Bala ô, valio izahay!” Kanjo tsy nisy feo re,+ sady tsy nisy namaly.+ Dia tsy nitsahatra nihinjakinjaka nanodidina an’ilay alitara nataony izy ireo. 27  Ary nony mitataovovonana, dia nanesoeso+ azy ireo i Elia hoe: “Miantsoa faran’izay mafy fa andriamanitra izy.+ Tsy maintsy misy manahirana azy any, na te hivoaka*+ izy ka lasa any an-kabine.+ Na matory angamba izy ka tokony hifoha!”+ 28  Dia niantsoantso faran’izay mafy izy ireo. Ary nandidididy+ ny vatany tamin’ny sabatra kely sy ny lefona izy ireo araka ny fanaony, mandra-pikorianan’ny ra tamin’ny tenany. 29  Efa dila ny mitataovovonana, nefa mbola nanao hoatran’ny mpaminany+ teo foana izy ireo, mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra varimbazaha. Mbola tsy nisy feo re ihany anefa, sady tsy nisy namaly na nihaino.+ 30  Farany, dia hoy i Elia tamin’ny olona rehetra: “Manatòna ahy.” Koa nanatona azy ny olona rehetra. Dia namboarin’i Elia ilay alitaran’i Jehovah efa rava.+ 31  Koa naka vato roa ambin’ny folo izy, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakoba, izay nilazan’i Jehovah+ hoe: “Hatao hoe Israely ny anaranao.”+ 32  Dia nanamboatra alitara ho an’ny anaran’i Jehovah+ tamin’ireo vato ireo izy,+ sady nanisy tatatra manodidina an’ilay alitara, ka nitovitovy velarana amin’ny tany ampy hamafazana voa indroan’ny seha* ilay izy. 33  Avy eo dia nalahany ny kitay+ ary norasarasainy ilay vantotr’ombilahy ka napetrany teo ambony kitay. Dia hoy izy: “Fenoy rano ny siny lehibe efatra, ka araraho eo amin’ny fanatitra dorana sy ny kitay.” 34  Ary hoy izy: “Asio indray.” Dia nasian’ireo indray. Hoy ihany izy: “Asio fanintelony.” Dia nasian’ireo fanintelony. 35  Koa niraraka nanodidina ny alitara ny rano. Ary nofenoin’i Elia rano koa ny tatatra. 36  Tamin’ny fotoana+ fanolorana ny fanatitra varimbazaha, dia nanatona i Elia mpaminany ka nanao hoe: “Ry Jehovah Andriamanitr’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Israely+ ô! Aoka ho fantatra anio fa ianao no Andriamanitra eo amin’ny Israely,+ ary izaho dia mpanomponao, ka araka ny teninao+ no nanaovako izao zavatra rehetra izao. 37  Valio aho, Jehovah ô! Valio aho mba ho fantatr’ireto vahoaka ireto fa ianao, Jehovah ô,+ no tena Andriamanitra, ary ianao no nampiverina indray ny fon’izy ireo.”+ 38  Dia nilatsaka ny afon’i+ Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana+ sy ny kitay sy ny vato ary ny vovoka. Ritran’ny afo koa ny rano tao amin’ilay tatatra.+ 39  Rehefa nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka+ avy hatrany ka nanao hoe: “I Jehovah no tena Andriamanitra! I Jehovah no tena Andriamanitra!” 40  Dia hoy i Elia tamin’izy ireo: “Sambory ireo mpaminanin’i Bala! Aza avela hisy ho afa-mandositra na iray aza!” Koa nosamborin’ny olona avy hatrany izy ireo, ka nentin’i Elia nidina nankany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona,+ dia novonoiny tany.+ 41  Ary hoy i Elia tamin’i Ahaba: “Miakara ka mihinàna sy misotroa,+ fa injany ny feon’ny oram-be mivatravatra.”+ 42  Dia niakatra i Ahaba mba hihinana sy hisotro. Fa i Elia kosa niakatra teo an-tampon’i Karmela, dia nipetraka nininginingina teo amin’ny tany,+ ka nataony teo anelanelan’ny lohaliny ny tarehiny.+ 43  Ary hoy izy tamin’ny mpanompony: “Miakara, azafady, ka mitazàna any an-dranomasina.” Dia niakatra izy ka nitazana, ary nanao hoe: “Tsy misy na inona na inona mihitsy any.” Hoy ihany i Elia: “Miverena indray.” Ary toy izany foana impito.+ 44  Ary tamin’ny fanimpitony, dia hoy ilay mpanompo: “Iny misy rahona kely hoatran’ny felatanana miakatra avy eny an-dranomasina.”+ Dia hoy i Elia: “Miakara, ka lazao amin’i Ahaba hoe: ‘Omano ny kalesinao,+ ary midìna sao ho voasakan’ny oram-be ianao!’” 45  Nandritra izany fotoana izany, dia maintin’ny rahona ny lanitra ary nifofofofo ny rivotra,+ ka nirotsaka ny oram-be nivatravatra.+ Koa nitaingina ny kalesiny i Ahaba, ary nanezaka mafy ho tonga tany Jezirela.+ 46  Ary nomba an’i Elia ny tanan’i Jehovah,+ ka nofeheziny teo amin’ny andilany ny akanjony,+ ary nihazakazaka teo alohan’i Ahaba izy mandra-pahatongany tany Jezirela.+

Fanamarihana

A.b.t.: “hikotringa ho amin’ny hevitra roa samy hafa.”
Ny Malagasy sasany milaza hoe “hangery.”
1 seha = 7,33 litatra.