1 Mpanjaka 3:1-28

3  Ary nanao fifanarahana+ tamin’i Farao mpanjakan’i Ejipta i Solomona ka nalainy ho vady ny zanakavavin’i Farao.+ Dia nentiny tao amin’ny Tanànan’i Davida+ ravehivavy, mandra-pahavitany ny tranony+ sy ny tranon’i Jehovah+ ary ny manda manodidina an’i Jerosalema.+  Mbola nanao sorona teny amin’ny toerana avo+ ihany anefa ny olona, satria mbola tsy nisy trano naorina ho an’ny anaran’i Jehovah tamin’izany andro izany.+  Ary tia+ an’i Jehovah i Solomona, ka nandeha araka ny lalàna napetrak’i Davida rainy.+ Mbola teny amin’ny toerana avo+ anefa izy no nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka.  Dia nankany Gibeona+ ny mpanjaka mba hanao sorona tany, satria io ilay toerana avo nanana ny naha izy azy.+ Sorona dorana niisa arivo no natolotr’i Solomona teo ambonin’izany alitara izany.+  Ary niseho+ tamin’i Solomona tao amin’ny nofy+ i Jehovah nony alina, tao Gibeona. Koa hoy Andriamanitra: “Angataho izay tianao homeko anao.”+  Dia hoy i Solomona: “Lehibe tokoa ny hatsaram-panahy feno fitiavana efa nasehonao+ tamin’i Davida raiko mpanomponao, noho izy nandeha teo anatrehanao tamim-pahitsiana sy tamim-pahamarinana+ ary tamin-kitsim-po. Ary mbola lehibe koa izao hatsaram-panahy feno fitiavana asehonao aminy izao, ka nomenao zanakalahy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy, toy ny amin’izao anio izao.+  Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, efa nataonao mpanjaka handimby an’i Davida raiko ny mpanomponao, nefa izaho mbola zaza+ sady tsy mahalala izay atsimo sy avaratra akory.+  Ary ny mpanomponao no mitondra ny olona nofidinao,+ dia olona maro be tsy voaisa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany.+  Koa omeo fo mankatò ity mpanomponao mba hitsarako+ ny olonao, sy hahaizako hanavaka ny tsara sy ny ratsy.+ Fa iza moa no mahay mitsara+ izao olonao sarotra entina* izao?”+ 10  Ary sitrak’i Jehovah izany, satria izany zavatra izany no nangatahin’i Solomona.+ 11  Hoy koa Andriamanitra taminy: “Satria izany zavatra izany no nangatahinao, fa tsy nangataka andro maro na harena+ na ny ain’ny fahavalonao ianao, fa nangataka saina mahiratra hoenti-mitsara,+ 12  dia hotanterahiko tokoa izany teninao izany.+ Koa homeko fo hendry sy mahiratra ianao,+ ka tsy hisy tahaka anao na ny tany alohanao na ny any aorianao.+ 13  Homeko anao koa izay tsy nangatahinao,+ dia harena+ sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka ho tahaka anao, amin’ny andro rehetra iainanao.+ 14  Ary raha mandeha amin’ny lalako ianao ka hitandrina ny fitsipiko+ sy ny didiko tahaka ny nataon’i Davida rainao,+ dia hohalavaiko ny andro iainanao.”+ 15  Ary nifoha+ i Solomona ka, hay, nofy ilay izy. Dia nankany Jerosalema izy, ka nijoro teo anoloan’ilay Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah. Koa nanolotra sorona dorana sy fanatitra iombonana+ izy, ary nanao fanasambe+ ho an’ny mpanompony rehetra.+ 16  Tamin’izany fotoana izany, dia nisy vehivavy mpivaro-tena+ anankiroa nankao amin’ny mpanjaka, ka nitsangana teo anatrehany.+ 17  Ary hoy ilay vehivavy anankiray: “Azafady kely, tompoko:+ Iray trano izaho sy ity vehivavy ity, ka niteraka teo akaikiny aho, tao an-trano. 18  Telo andro taorian’ny niterahako, dia niteraka koa ity vehivavy ity. Ary izahay roa vavy ihany no tao, fa tsy nisy olon-kafa ankoatra anay tao an-trano. Tsy nisy afa-tsy izahay roa vavy no tao. 19  Ary maty tamin’ny alina ny zanak’ity vehivavy ity, satria voatsindriny. 20  Dia niarina izy rehefa nisasaka ny alina, ka naka ny zanako teo akaikiko raha mbola natory ny mpanompovavinao. Ary nampandriany teo an-tratrany ilay zaza, fa ny zanany maty kosa nataony teo an-tratrako. 21  Ary rehefa nifoha hampinono+ ny zanako aho nony maraina, dia hitako fa efa maty izy. Dia nodinihiko tsara ilay zaza, ka hay tsy ilay zanako naterako ilay izy.” 22  Fa hoy ilay vehivavy anankiray: “Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao!” Fa hoy kosa ilay anankiray: “Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako.” Ary tsy nitsahatra niteny toy izany teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo.+ 23  Farany, dia hoy ny mpanjaka: “Ny iray manao hoe: ‘Ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao!’, ary hoy koa ny iray: ‘Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako!’” 24  Ary hoy ny mpanjaka:+ “Itondray sabatra aho.” Dia nentina teo anatrehan’ny mpanjaka ny sabatra. 25  Ary hoy indray ny mpanjaka: “Zarao roa ny zaza velona, ka ny antsasany omeo ny vehivavy iray, ary ny antsasany kosa ho an’ny iray.” 26  Avy hatrany dia niteny tamin’ny mpanjaka ilay vehivavy renin’ilay zaza velona, satria nalahelo mafy izy tao am-pony+ noho ny amin’ny zanany,+ ka hoy izy: “Azafady,+ tompoko! Omeo azy ny zaza velona, fa aza vonoina!” Fa hoy kosa ilay vehivavy iray: “Aoka sady tsy ho ahy no tsy ho anao. Zarao+ mihitsy, rangahy a!” 27  Dia niteny ny mpanjaka hoe: “Omeo an’itsy vehivavy itsy ny zaza velona, fa aza vonoinareo. Io mihitsy no reniny.” 28  Ary ren’ny Israely rehetra ilay didim-pitsarana+ navoakan’ny mpanjaka, ka natahotra azy izy ireo,+ satria hitan’izy ireo fa nanana ny fahendren’Andriamanitra+ hoenti-mitsara izy.

Fanamarihana

Na: “maro be.” A.b.t.: “mavesatra.”