1 Mpanjaka 6:1-38

6  Tamin’ny taona fahavalopolo sy efajato taorian’ny nivoahan’ny zanak’Israely avy tany Ejipta,+ eny, tamin’ny taona fahefatra+ nanjakan’i Solomona teo amin’ny Israely, tamin’ny volana Ziva,+ izany hoe tamin’ny volana faharoa,+ dia nanorina trano ho an’i Jehovah i Solomona.+  Ary ilay trano naorin’i Solomona Mpanjaka+ ho an’i Jehovah dia enimpolo hakiho+ ny lavany, roapolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny haavony.+  Nisy tilikambo fidirana+ teo anoloan’ny tempolin’ilay trano sady niraikitra tamin’ny sakan’ilay trano: Roapolo hakiho ny lavany, folo hakiho ny sakany, ary teo anoloan’ilay trano no nisy azy.  Ary nasiany varavarankely maromaro ilay trano, ary nataony mihatery ny varavarankeliny.+  Ary nanorina paosin-trano manodidina an’ilay trano izy, ka nataony niankina tamin’ny rindrina manodidina ny tempoly sy ny efitra anatiny indrindra+ izany. Ary nasiany efitrefitra+ ilay paosin-trano.  Ny efitrefitra farany ambany dia dimy hakiho ny sakany, ary ny teo antenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelo kosa fito hakiho ny sakany. Nisy nanesorany kely mantsy ny rindrina ivelany+ manodidina an’ilay trano, mba tsy hisy zavatra hatsofoka ao anaty rindrina.+  Vato efa voapaika+ no nanaovana an’ilay trano, ka tsy nandrenesana marotoa, na famaky, na izay mety ho vy fiasana tao amin’ilay trano+ nandritra ny fanorenana.  Teo amin’ny lafiny ankavanan’ilay trano ny fidirana+ mankao amin’ny efitrefitra farany ambany. Ary tohatohatra miolikolika no iakarana mankao amin’ny efitrefitra antenatenany, sy avy ao antenatenany mankao amin’ny fahatelo.  Ary nitohy ny fanorenany an’ilay trano mandra-pahavitany azy.+ Vatan-kazo sy hazo sedera+ milahadahatra no nandrakofany ny trano. 10  Ary nataony niankina tamin’ilay trano manontolo ireo efitrefitra+ izay dimy hakiho avy ny haavony. Ary hazo sedera no nihazona azy ireo hiraikitra tamin’ilay trano.+ 11  Tao anatin’izany fotoana izany, dia tonga tamin’i Solomona ny tenin’i Jehovah,+ nanao hoe:+ 12  “Izao no lazaiko momba an’io trano ataonao io: Raha handeha araka ny lalàko+ sy hanatanteraka ny didim-pitsarako+ ianao, ary tena hitandrina ny didiko rehetra ka handeha araka izany didiko izany,+ dia hotanterahiko ny teniko momba anao, izay nolazaiko tamin’i Davida rainao,+ 13  ary honina eo anivon’ny zanak’Israely tokoa aho,+ ka tsy hahafoy ny Israely oloko.”+ 14  Ary notohizin’i Solomona ny fanorenany an’ilay trano mandra-pahavitany azy.+ 15  Nanangana ny rindrin’ilay trano izy, ka nasiany hazo fisaka sedera ny aty rindrina. Norakofany hazo nanomboka teo amin’ny gorodon’ilay trano ka hatreny amin’ireo hazo mitondra ny tafo. Ary hazo fisaka zenevrie+ no nataony gorodon’ilay trano. 16  Ary nasiany rindrina manasaraka izay natao tamin’ny hazo sedera tany amin’ny faran’ilay trano. Nirefy roapolo hakiho izy io, nanomboka teo amin’ny gorodona ka hatreny amin’ny hazo mitondra ny tafo. Ary nasiany efitra anatiny indrindra+ ilay trano, dia ny Masina Indrindra.+ 17  Efapolo hakiho ny lavan’ilay trano, izany hoe ilay tempoly+ teo anoloany.+ 18  Sary sokitra voatango+ sy felam-boninkazo+ natohitohy no nandravahana an’ireo hazo sedera teo amin’ilay aty trano. Hazo sedera daholo izy manontolo. Ary tsy nisy vato tazana. 19  Avy tao anatiny no nanomanany ilay efitra anatiny indrindra+ tao amin’ilay trano, mba hametrahany an’ilay Vata+ misy ny fifanekena+ nataon’i Jehovah. 20  Roapolo hakiho ny lavan’ilay efitra anatiny indrindra, roapolo hakiho ny sakany,+ ary roapolo hakiho koa ny haavony. Dia nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony+ ilay izy, ary ny alitara+ kosa nopetahany takela-kazo sedera. 21  Ary nopetahan’i+ Solomona takela-bolamena tsy misy fangarony+ ny aty trano. Dia nasiany rojo+ volamena nitsivalana teo anoloan’ilay efitra anatiny indrindra.+ Ary nopetahany takela-bolamena ilay izy. 22  Dia nopetahany takela-bolamena ilay trano manontolo,+ mandra-pahavitan’ilay trano. Nopetahany takela-bolamena koa ilay alitara+ manontolo,+ izay teo anoloan’ny efitra anatiny indrindra. 23  Ary nanao kerobima+ roa tamin’ny hazo mitera-menaka izy, tao amin’ny efitra anatiny indrindra. Folo hakiho avy no haavon’ny kerobima tsirairay.+ 24  Ary dimy hakiho ny elatra iray amin’ilay kerobima, ary dimy hakiho koa ny elatra ilany. Folo hakiho ny avy eo amin’ny tendron’ny elany iray ka hatreo amin’ny tendron’ny elany ilany.+ 25  Folo hakiho koa ilay kerobima faharoa. Mitovy refy sy bika ireo kerobima roa. 26  Folo hakiho ny haavon’ny kerobima iray, ary toy izany koa ilay kerobima iray. 27  Dia nataony tao amin’ilay trano anatiny ireo kerobima.+ Nivelatra ny elatr’izy ireo, ka nipaka tamin’ny rindrina iray ny elatry ny kerobima iray, ary nipaka tamin’ilay rindrina anankiray kosa ny elatry ny kerobima iray. Nifampikasika teo afovoan-trano ny tendron’ireo elatra roa hafa.+ 28  Ary nopetahany takela-bolamena ireo kerobima.+ 29  Nasiana sary sokitra ny rindrina rehetra tamin’ilay trano, na ny efitra anatiny na ny efitra ivelany, dia sarina kerobima+ sy hazo palmie+ ary felam-boninkazo.+ 30  Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodon’ilay+ trano, na ny efitra anatiny na ny efitra ivelany. 31  Ary teo amin’ny fidirana mankao amin’ny efitra anatiny indrindra dia nasiany varavarana+ roa vita tamin’ny hazo mitera-menaka:+ Ny andry eo amin’ny andaniny roa, sy ny tolàna, ary ny ampahadiminy. 32  Hazo mitera-menaka no nanaovana ireo varavarana roa, ary nasiany sary sokitra, dia sarina kerobima sy hazo palmie ary felam-boninkazo. Ary nopetahany takela-bolamena ireo, ka nokapokapohiny teo ambonin’ny kerobima sy ny sarina hazo palmie izany volamena izany. 33  Toy izany koa no nanaovany ny fidirana mankao amin’ny tempoly, dia ireo tolàna efamira vita tamin’ny hazo mitera-menaka. 34  Hazo zenevrie+ no nanaovana ireo varavarana roa. Mihodina eo amin’ny savily ny lelavaravarana roa amin’ny varavarana iray, ary mihodina eo amin’ny savily koa ny lelavaravarana roa amin’ny varavarana iray.+ 35  Ary nasiany sary sokitra izany, dia sarina kerobima sy hazo palmie ary felam-boninkazo. Nopetahany takela-bolamena ireo sary ireo.+ 36  Ary nanao ny tambohon’ny tokotany anatiny+ izy, ka vato voapaika telo andalana+ sy vatan-kazo sedera iray andalana no nanaovany azy. 37  Tamin’ny volana Ziva,+ tamin’ny taona fahefatra, no napetraka ny fototry+ ny tranon’i Jehovah. 38  Ary tamin’ny volana Bola, izany hoe ny volana fahavalo, tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo no nahavitana ilay trano+ araka ny tsipiriany rehetra sy araka ilay planina+ manontolo. Fito taona, araka izany, no nanaovany azy.

Fanamarihana