1 Samoela 1:1-28

1  Ary nisy lehilahy efraimita iray atao hoe Elkana,+ tao Ramataima-zofima+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.+ Izy dia zanak’i Jerohama, zanak’i Eliho, zanak’i Toho, zanak’i Zofa.+  Nanana vady roa izy: Hana no anaran’ny iray, ary Penina no anaran’ny iray. Nanan-janaka i Penina, fa i Hana kosa tsy mba nanana.+  Ary niakatra avy tao an-tanànany isan-taona ralehilahy mba hiankohoka+ sy hanao sorona ho an’i Jehovah Tompon’ny tafika, tao Silo.+ Mpisoron’i Jehovah+ tao ny zanak’i Ely roa lahy, dia i Hofinia sy Finehasa.+  Ary tamin’ny andro nanaovan’i Elkana sorona, dia nomeny anjara maromaro+ i Penina vadiny mbamin’ny zanak’io rehetra, na lahy na vavy,  fa anjara iray kosa no nomeny an’i Hana. Na izany aza dia i Hana no tiany kokoa,+ saingy nohidian’i Jehovah ny kibon’i+ Hana.  Nanorisory azy mafy koa ny rafivaviny,+ mba hahamenatra azy noho i Jehovah nanidy ny kibony.  Toy izany no nataon’ilay rafiny isan-taona,+ isaky ny niakatra nankany an-tranon’i Jehovah izy ireo.+ Nanorisory azy toy izany ilay rafiny, ka nitomany sy tsy nahahinan-kanina i Hana.  Dia hoy i Elkana vadiny: “Fa maninona ianao, ry Hana, no mitomany sy tsy mihinan-kanina? Ary nahoana no malahelo ny fonao?+ Tsy tsara kokoa aminao noho ny zanaka folo mirahalahy ve aho?”+  Ary nitsangana i Hana rehefa avy nihinana sy nisotro tao Silo izy ireo. Tamin’izay i Ely mpisorona dia nipetraka teo amin’ilay seza teo akaikin’ny tolàm-baravaran’ny tempolin’i+ Jehovah. 10  Ory dia ory+ i Hana, ka nivavaka tamin’i Jehovah+ tamin-dranomaso be.+ 11  Koa nivoady+ izy hoe: “Ry Jehovah Tompon’ny tafika ô, raha mba jerenao tokoa ny fahorian’ny mpanompovavinao+ ka tsarovanao aho,+ ary tsy hadinoinao ny mpanompovavinao ka omenao zanakalahy, dia homeko an’i Jehovah izy mandritra ny androm-piainany ary tsy hokasihin-kareza ny lohany!”+ 12  Raha mbola naharitra nivavaka+ teo anatrehan’i Jehovah izy, dia nodinihin’i Ely ny vavany. 13  Niteny anakampo+ fotsiny anefa i Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, ary tsy re ny feony. Koa noheverin’i Ely fa mamo izy.+ 14  Dia hoy i Ely taminy: “Mandra-pahoviana ianao no mbola ho mamo?+ Ataovy aloha izay hampisava ny divay nosotroinao.” 15  Fa hoy ny navalin’i Hana: “Tsy izany mihitsy, tompoko, fa vehivavy ory dia ory aho! Tsy nisotro divay na toaka aho, fa mamboraka ny ato am-poko eo anatrehan’i Jehovah.+ 16  Aza heverina ho vehivavy tsy manjary+ re ny mpanompovavinao e! Fa matoa aho mbola miteny, dia satria be ny adin-tsaiko sy ny fahoriako.”+ 17  Dia hoy ny navalin’i Ely: “Mirary soa ho anao àry aho!+ Homen’ny Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao taminy!”+ 18  Koa hoy ravehivavy: “Aoka hahazo sitraka aminao+ ny mpanompovavinao.” Dia lasa nandeha tamin’ny nalehany izy ka nihinan-kanina.+ Ary hita tamin’ny endriny fa tsy niady saina intsony izy.+ 19  Dia nifoha maraina izy ireo, ka niankohoka teo anatrehan’i Jehovah vao nandeha nody, ary tonga tany an-tranony tany Rama.+ Ary nanao firaisana+ tamin’i Hana vadiny i Elkana. Koa nahatsiaro an’i Hana i Jehovah.+ 20  Ary rehefa afaka herintaona teo ho eo, dia bevohoka i Hana ka tera-dahy, ary nataony hoe+ Samoela ny anarany, fa hoy izy: “Tamin’i Jehovah no nangatahako+ azy.” 21  Tatỳ aoriana, dia niakatra niaraka tamin’ny ankohonany manontolo i Elkana, mba hanao sorona ho an’i Jehovah, dia ny sorona fanao isan-taona+ sy ny fanatitra fanefana voady.+ 22  I Hana kosa tsy niakatra,+ fa hoy izy tamin’ny vadiny: “Raha vao misara-nono+ ny zaza, dia hoentiko hiseho eo anatrehan’i Jehovah, ary hipetraka any mandritra ny fotoana tsy voafetra+ izy.” 23  Dia hoy i Elkana vadiny:+ “Ataovy izay hitanao fa mety.+ Mijanòna ato an-trano mandra-pahatongan’ny fotoana hampisarahanao nono azy. Hanatanteraka ny teniny anie i Jehovah!”+ Koa nijanona tao an-trano ravehivavy ary nampinono an’ilay zanany, mandra-pahatongan’ny fotoana nampisarahany nono azy.+ 24  Raha vao nosarahi-nono ilay zaza, dia nentiny niara-niakatra taminy, niaraka tamin’ny ombilahy telo taona sy lafarinina iray efaha* ary divay eran’ny siny lehibe.+ Koa nankao an-tranon’i Jehovah tao Silo+ izy, niaraka tamin’ilay zaza. 25  Dia novonoina ilay omby, ary nentina teo amin’i Ely+ ilay zaza. 26  Ary hoy i Hana: “Azafady tompoko! Mianiana aminao+ aho, tompoko, fa izaho ilay vehivavy nijoro teo anilanao teto amin’ity toerana ity, mba hivavaka tamin’i Jehovah.+ 27  Momba ity zazalahy ity no nivavahako tamin’i Jehovah, mba hanomezany ahy izay nangatahiko taminy.+ 28  Koa ampindramiko an’i Jehovah+ kosa izy izao. Omena an’i Jehovah izy mandritra ny androm-piainany.” Dia niankohoka teo anatrehan’i Jehovah+ teo i Elkana.

Fanamarihana

22 litatra eo ho eo.