1 Samoela 14:1-52
14 Indray andro, dia hoy i Jonatana+ zanak’i Saoly, tamin’ilay mpanompo nitondra ny fiadiany: “Andao hiampita eny amin’ny toby mpitilin’ny Filistinina, erỳ ampita erỳ.” Tsy niteniteny tamin-drainy anefa izy.+
2 Nitoetra tany amin’ny sisin’i Gibea+ i Saoly tamin’izay, teo ambanin’ilay ampongabendanitra naniry teo Migrona, ary nisy eninjato lahy teo ho eo niaraka taminy.+
3 I Ahia zanak’i Ahitoba,+ rahalahin’i Ikaboda,+ zanak’i Finehasa,+ zanak’i Ely+ mpisoron’i Jehovah tao Silo,+ no nitondra ny efoda.+ Ary tsy fantatry ny olona hoe lasa i Jonatana.
4 Nahita lalana hiampitana mba hanafihana ny toby mpitilin’ny+ Filistinina i Jonatana. Nisy harambato miendrika nify teo anelanelan’ireo lalana, ka ny iray teo amin’ny andaniny ary ny iray teo amin’ny ankilany. Bozeza no anaran’ny harambato iray ary Sene kosa no anaran’ny iray,
5 ka ny iray dia andry teo avaratra tandrifin’i Mikmasy,+ ary ny iray kosa teo atsimo tandrifin’i Geba.+
6 Ary hoy i Jonatana tamin’ilay mpanompony mpitondra fiadiana: “Andao hiampita erỳ amin’ny toby mpitilin’ireo lehilahy tsy mifora+ ireo. Angamba hanampy antsika i Jehovah fa tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hamonjy, na maro na vitsy no ampiasainy.”+
7 Dia hoy ilay mpitondra fiadiana: “Izay ao am-ponao no ataovy. Ary mandehana any amin’izay tianao, fa vonona hanaraka anao aho araka izay sitraky ny fonao.”+
8 Ary hoy i Jonatana: “Hiampita hankeny amin’izy ireo isika, ka hiseho mba ho hitany.
9 Koa raha milaza amintsika ry zareo hoe: ‘Aza mihetsika mandra-pahatonganay eny aminareo!’, dia hijanona eo amin’izay misy antsika isika, fa tsy hiakatra hankeny aminy.
10 Raha milaza kosa izy hoe: ‘Miakara hiady aminay!’, dia hiakatra isika, satria hatolotr’i Jehovah eo an-tanantsika ireo. Izany no ho famantarana ho antsika.”+
11 Dia niseho izy roa lahy mba ho hitan’ireo tao amin’ny toby mpitilin’ny Filistinina. Koa hoy ny Filistinina: “Ireny ny Hebreo fa nivoaka avy tany amin’ny lavaka niafenany.”+
12 Dia niteny tamin’i Jonatana sy ilay mpitondra fiadiana ireo lehilahy tao amin’ny toby mpitily, hoe: “Miakara etỳ aminay, fa ataonay mahita faisana ianareo!”+ Tonga dia niteny tamin’ilay mpitondra fiadiana i Jonatana hoe: “Miakara manaraka ahy, fa hatolotr’i Jehovah eo an-tanan’ny Israely tokoa ireo.”+
13 Nandady i Jonatana rehefa niakatra,+ ary nanaraka azy ilay mpitondra fiadiana. Dia lavo teo anoloan’i Jonatana ny Filistinina,+ fa ilay mpitondra fiadiana kosa no namono ho faty avy tao aoriany.+
14 Lehilahy roapolo teo ho eo no matin’i Jonatana sy ilay mpitondra fiadiana, tamin’ny fandripahana voalohany teo amin’ny velaran-tany ampahefatry ny hektara teo ho eo.
15 Dia nihorohoro+ ny tao an-toby izay teny ambanivohitra, sy ny olona rehetra tao amin’ilay toby mpitily. Ny mpandroba+ koa aza nihorohoro. Ary nanomboka nihovotrovotra+ ny tany. Avy tamin’Andriamanitra daholo izany.+
16 Dia nahatazana an’izany ny mpiambin’i Saoly tao Gibean’i+ Benjamina, ka hitany fa nisy sahotaka be eran’ilay toby.+
17 Ary hoy i Saoly tamin’ireo olona niaraka taminy: “Mba isao kely ny olona, ka jereo hoe iza tamintsika no lasa.” Rehefa nanisa izy ireo, dia hitany fa tsy teo i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany.
18 Koa hoy i Saoly tamin’i Ahia:+ “Ento etỳ ny Vata masin’Andriamanitra!”+ Teo amin’ny zanak’Israely mantsy ny Vata masin’Andriamanitra tamin’iny andro iny.+
19 Raha mbola niresaka tamin’ilay mpisorona+ i Saoly, dia vao mainka nitombo ny sahotaka teny an-tobin’ny Filistinina. Dia hoy i Saoly tamin’ilay mpisorona: “Aoka ihany! Esory ny tananao.”
20 Ary nifamory i Saoly sy ny olona rehetra niaraka taminy,+ ka nankeny an’ady. Nifamely tamin’ny sabatra ny Filistinina+ teny, ka vaky nandositra tao anatin’ny fisavoritahana be.
21 Ary ny Hebreo izay niaraka tamin’ny Filistinina+ sy niara-niakatra tamin’izy ireo nankao an-toby sady niharoharo taminy tao, dia nanjary niandany tamin’ny Israely izay niaraka tamin’i Saoly sy Jonatana.
22 Ary ny lehilahy israelita rehetra niafina+ tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, dia nandre fa nandositra ny Filistinina. Dia mba nanenjika an’ireny tany an’ady koa izy ireo.
23 Novonjen’i Jehovah+ ny Israely tamin’iny andro iny. Ary nitohy hatrany Beti-avena+ ny ady.
24 Efa reraka ireo lehilahy israelita tamin’iny andro iny, nefa i Saoly mbola nampianiana ny olona ihany,+ hoe: “Voaozona izay olona mihinan-kanina alohan’ny takariva, mandra-pamitako ny valifatiko+ amin’ny fahavaloko!” Dia tsy nisy nihinan-kanina ny olona.+
25 Ary nankany an’ala ny olona rehetra tompon-tany. Nisy tantely+ nanerana ny faritra ambanivohitra, tamin’izay.
26 Nahita tantely nitete+ izy ireo rehefa tonga tao anaty ala, nefa tsy nisy na iray aza sahy nampiakatra ny tanany tao am-bavany, noho ny amin’ilay fianianana.+
27 I Jonatana kosa tsy nandre an-drainy nampianiana ny olona.+ Koa narosony ny tendron’ilay tehina teny an-tanany ka natsobony tao amin’ny toho-tantely, ary nataony teo amin’ny vavany. Dia nihiratra ny masony.+
28 Koa hoy ny iray tamin’ny olona: “Ny rainao efa nampianiana mafy ny olona hoe: ‘Voaozona izay mihinan-kanina anio!’”+ Efa nihareraka ny olona tamin’izay.+
29 Ary hoy i Jonatana: “Nahatonga loza+ tamin’ny tanintsika ny raiko. Mba jereo ange ny fihiratry ny masoko rehefa nihinana an’iny tantely kely iny aho e!+
30 Mainka fa raha nihinana+ tamin’ny zavatra nobaboina tamin’ireo fahavalony ny olona androany!+ Fa izao dia tsy betsaka loatra ny maty tamin’ny Filistinina.”+
31 Ary tsy nitsahatra namely an’ireo Filistinina izy ireo tamin’iny andro iny, hatrany Mikmasy+ ka hatrany Aialona.+ Dia reraka be ny olona.+
32 Ary nihazakazaka nandrombaka ny zavatra azo babo izy ireo,+ ka naka ondry sy omby ary zanak’omby, dia namono an’ireny teo amin’ny tany. Nanomboka nihinana an’ireny niaraka tamin’ny rany ny olona.+
33 Koa nisy niteny tamin’i Saoly hoe: “Manota amin’i Jehovah ny olona, fa mihinan-javatra miaraka amin’ny rany.”+ Dia hoy i Saoly: “Efa nivadika ianareo. Manakodiava aloha vato lehibe etỳ amiko.”
34 Avy eo dia hoy izy: “Mieleza eny amin’ny olona ka teneno izy ireo hoe: ‘Samia mitondra ny ombiny sy ny ondriny etỳ amiko, ka vonoy sy hano eto ireny. Ary aza manota amin’i Jehovah ka mihinana an’ireny miaraka amin’ny rany.’”+ Koa samy nitondra ny ombiny ny olona rehetra tamin’iny alina iny, ary namono an’ireny teo.
35 Dia nanorina alitara+ ho an’i Jehovah i Saoly. Io no alitara voalohany naoriny ho an’i Jehovah.+
36 Hoy i Saoly avy eo: “Andao hidina hanenjika ny Filistinina izao alina izao, ka handroba azy mandra-pahazavan’ny andro,+ ary hataontsika tsy misy miangana ireo na iray aza.”+ Dia hoy ny olona: “Ataovy izay hitanao fa mety.” Hoy kosa ny mpisorona: “Andao aloha hanatona an’Andriamanitra eto.”+
37 Ary nanontany an’Andriamanitra i Saoly hoe: “Hidina hanenjika ny Filistinina ve aho?+ Hatolotrao eo an-tanan’ny Israely ve ireo?”+ Tsy namaly an’i Saoly anefa izy tamin’iny andro iny.+
38 Koa hoy i Saoly: “Avia atỳ+ ianareo rehetra lehiben’ny vahoaka,+ ka jereo sy fantaro izay nahatonga izao fahotana androany izao.
39 Fa raha mbola velona koa i Jehovah, ilay Mpanafaka ny Israely, na dia i Jonatana zanako aza no ahitana izay nahatonga izao, dia ho faty tokoa izy.”+ Tsy nisy namaly azy anefa ny olona rehetra.
40 Hoy koa izy tamin’ny Israely rehetra: “Ianareo ho eo amin’ny andaniny iray, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho eo amin’ny andaniny iray.” Dia hoy ny olona tamin’i Saoly: “Ataovy izay hitanao fa mety.”+
41 Ary hoy i Saoly tamin’i Jehovah: “Omeo anay ny Tomima,+ ry Andriamanitry ny Israely ô!” Dia voatana i Jonatana sy Saoly, fa ny olona kosa afaka.+
42 Koa hoy i Saoly: “Manaova antsapaka+ hahitana izay ho voatana, na izaho na i Jonatana zanako.” Ary i Jonatana no voatana.
43 Dia hoy i Saoly tamin’i Jonatana: “Lazao ahy izay nataonao.”+ Koa hoy i Jonatana: “Nihinana tantely kely tokoa aho, tamin’ny tendron’ity tehina etỳ an-tanako ity.+ Koa intỳ aho! Aoka aho ho faty!”
44 Dia hoy i Saoly: “Hofaizin’Andriamanitra anie aho,* ary mihoatra noho izany aza,+ raha tsy ho faty tokoa ianao,+ ry Jonatana!”
45 Hoy anefa ny olona tamin’i Saoly: “Ho faty ve i Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe+ teo amin’ny Israely izao? Sanatria izany!+ Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia tsy hisy ho latsaka amin’ny tany na dia ny singam-bolony iray aza.+ Fa niara-niasa tamin’Andriamanitra izy androany.”+ Toy izany no nanavotan’ny+ olona an’i Jonatana, ka tsy maty izy.
46 Koa tsy nanenjika ny Filistinina i Saoly, ary ny Filistinina nody tany amin’ny taniny.+
47 Ary nanamafy orina ny fanjakany teo amin’ny Israely i Saoly,+ ka niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina, dia i Moaba,+ sy ny taranak’i Amona,+ sy Edoma,+ sy ireo mpanjakan’i Zoba,+ ary ny Filistinina.+ Nosaziny ireny, tany amin’izay rehetra nalehany.+
48 Ary nampiseho herim-po hatrany izy,+ ka namely an’i Amaleka+ ary nanafaka ny Israely teo an-tanan’ny mpandroba azy.
49 Ary ireto avy ny zanakalahin’i Saoly: I Jonatana+ sy Jisvy ary Malkisoa.+ Ary ny anaran’ny zanany roa vavy dia Meraba,+ vavimatoa, sy Mikala,+ zandriny.
50 Ny anaran’ny vadin’i Saoly dia Ahinoama, zanak’i Ahimaza. Ny anaran’ny lehiben’ny tafiny dia Abnera,+ zanak’i Nera, dadatoan’i Saoly.
51 I Kisy+ no rain’i Saoly, ary i Nera+ rain’i Abnera dia zanak’i Abiela.
52 Ary nihamafy hatrany ny fanafihana an’ireo Filistinina, tamin’ny andron’i Saoly.+ Koa nalain’i Saoly izay lehilahy matanjaka na olona mahery fo hitany.+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “Hataon’Andriamanitra amiko anie izany!”