1 Samoela 16:1-23

16  Farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: “Mandra-pahoviana ianao no halahelo noho ny amin’i Saoly,+ nefa izaho efa nanda azy tsy ho mpanjakan’ny Israely?+ Fenoy menaka+ ilay tandroka any aminao, ka mandehana. Hirahiko ho any amin’i Jese+ Betlehemita ianao, fa efa nahita mpanjaka ho ahy aho, eo amin’ireo zanany lahy.”+  Fa hoy i Samoela: “Ataoko ahoana no fandeha any? Raha vao ren’i Saoly izany, dia hovonoiny ho faty aho.”+ Ary hoy i Jehovah: “Mitondrà vantotr’ombivavy avy amin’ny andian’omby, ka lazao hoe: ‘Tonga hanao sorona ho an’i Jehovah aho.’+  Dia antsoy ho any amin’ny sorona i Jese, fa hampahafantariko anao izay tokony hataonao.+ Koa hosory+ ho ahy izay hasehoko anao.”  Koa nataon’i Samoela izay nolazain’i Jehovah. Ary nony tonga tany Betlehema+ izy, dia nihorohoro+ ny anti-panahin’ilay tanàna rehefa nihaona taminy, ka nilaza hoe: “Fihavanana ve no ahatongavanao?”+  Dia namaly izy hoe: “Eny, fihavanana! Tonga hanao sorona ho an’i Jehovah aho. Koa hamasino+ ny tenanareo, ka avia hiaraka amiko any amin’ny sorona.” Ary nohamasininy i Jese sy ireo zanany lahy, ka nantsoiny ho any amin’ny sorona.  Dia niditra izy ireo. Koa hoy i Samoela raha vao nahita an’i Eliaba:+ “Io eo anatrehan’i Jehovah io mihitsy ilay voahosony.”  Hoy anefa i Jehovah tamin’i Samoela: “Aza mijery ny bika aman’endriny sy ny haavon’ny tsanganany,+ fa efa nolaviko izy. Fa tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra,+ satria ny olona mijery izay hitan’ny maso,+ fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”+  Dia nantsoin’i Jese i Abinadaba,+ ka nampandaloviny teo anoloan’i Samoela, nefa hoy i Samoela: “Tsy nifidy an’io koa i Jehovah.”  Nampandalovin’i Jese koa i Sama,+ nefa hoy i Samoela: “Tsy nifidy an’io koa i Jehovah.” 10  Koa nampandalovin’i Jese teo anoloan’i Samoela ny fito tamin’ny zanany lahy, nefa mbola nilaza tamin’i Jese ihany i Samoela hoe: “Tsy nifidy an’ireo i Jehovah.” 11  Farany, dia hoy i Samoela: “Ireo daholo ve ny lahy rehetra?” Dia hoy i Jese: “Ilay faralahy sisa no tsy eo,+ fa mbola miandry ondry.”+ Koa hoy i Samoela tamin’i Jese: “Maniraha olona haka azy, fa tsy hipetraka hisakafo isika raha tsy tonga eto izy.” 12  Koa nampanalain’i Jese izy. Somary mena ilay zazalahy,+ ary mahafinaritra be ny masony sady tsara tarehy izy. Dia hoy i Jehovah: “Mitsangàna, ka hosory izy, fa io no izy!”+ 13  Koa naka an’ilay tandroka nisy menaka+ i Samoela, ka nanosotra an’i Davida teo anivon’ireo rahalahiny. Ary niasa tamin’i Davida ny fanahin’i Jehovah, nanomboka tamin’iny andro iny.+ Dia nitsangana i Samoela avy eo, ka lasa nankany Rama.+ 14  Ary ny fanahin’i Jehovah niala+ tamin’i Saoly, ka nisy fikorontanan-tsaina*+ avy amin’i Jehovah nahatonga azy hihorohoro. 15  Dia hoy ny mpanompon’i Saoly taminy: “Jereo fa mihorohoro ianao noho ny fikorontanan-tsaina avy amin’Andriamanitra. 16  Koa raha sitrakao, dia aoka ianao tompoko handidy ny mpanomponao izay eto anatrehanao, mba hitady olona mahay+ mitendry harpa.+ Ary rehefa mahazo anao ilay fikorontanan-tsaina avy amin’Andriamanitra, dia hitendry harpa izy, ka hihatsara ianao.” 17  Koa hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: “Mba itadiavo olona mahay mitendry àry aho, ka ento atỳ amiko.”+ 18  Dia hoy ny iray tamin’ny mpanompo hoe: “Misy zanak’i Jese Betlehemita fantatro fa mahay mitendry harpa.+ Lehilahy matanjaka+ sy mahery fo izy sady lehilahy mpiady.+ Mahay mandaha-teny+ koa izy sady tsara bika,+ ary momba azy i Jehovah.”+ 19  Dia nandefa iraka hankany amin’i Jese i Saoly, nanao hoe: “Alefaso atỳ amiko i Davida zanakao, izay miandry ondry.”+ 20  Ary naka ampondra sy mofo sy divay eran’ny siny hoditra+ ary zanak’osy i Jese, ka nampitondrainy an’i Davida zanany mba homena an’i Saoly.+ 21  Dia tonga tany amin’i Saoly i Davida ka nanompo azy.+ Ary tena tia be azy i Saoly, ka nanjary mpitondra ny fiadiany+ izy. 22  Koa naniraka olona nankany amin’i Jese i Saoly, nanao hoe: “Mba avelao i Davida hanompo ahy atỳ ihany, fa efa nankasitrahako izy.” 23  Ary rehefa nahazo an’i Saoly ilay fikorontanan-tsaina avy amin’Andriamanitra, dia nandray ny harpa i Davida ka nitendry izany. Koa nahatsiaro ho maivamaivana i Saoly sady nihatsara, ary tsy nikorontan-tsaina+ intsony.

Fanamarihana

A.b.t.: “fanahy ratsy.”