1 Samoela 17:1-58

17  Ary nangonin’ny Filistinina+ hiatrika ady ireo tobiny. Rehefa tafangona tao Soko+ any Joda izy ireo, dia nandeha nitoby tao Efesa-damima,+ eo anelanelan’i Soko sy Azeka.+  Tafangona koa i Saoly sy ny lehilahy israelita ka nitoby teo amin’ny lemaka ivan’i Elaha.+ Dia samy naka ny toerany avy izy ireo mba hifanandrina tamin’ny Filistinina.  Teny ampita teo amin’ny tendrombohitra iray ny Filistinina, ary ny Israelita kosa terỳ ampita teo amin’ny tendrombohitra iray, ka ny lohasaha no nanelanelana azy ireo.  Ary nisy miaramila iray solontenan’ny tafiky ny Filistinina nivoaka avy tao an-tobiny. Goliata+ no anarany, avy any Gata+ izy, ary enina hakiho sy irain-jehy ny halavany.+  Nisy fiarovan-doha varahina teo amin’ny lohany, ary nanao akanjo nisy takela-barahina nifanindritsindry toy ny kiran-trondro izy, ka sekely dimy arivo ny lanjan’ny varahina tamin’ilay akanjo.+  Nisy fiarovan-dranjo varahina teo amin’ny tongony, ary nisy lefom-pohy+ varahina teo andamosiny.  Ny tahon’ny lefony dia toy ny voditenon’ny mpanenona,+ ary sekely eninjato ny lanjan’ny vy tamin’ny lela lefony. Ary nandeha teo alohany ny mpitondra ny ampinga lehibe.  Dia nijanona izy ka niantsoantso tamin’ny tafiky ny Israely+ hoe: “Nahoana ianareo no mivoaka hiady? Hiady ho an’ny Filistinina aho, ary mpanompon’i+ Saoly ianareo. Koa mifidiana lehilahy iray hiady amiko.  Raha sahy miady amiko izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay. Fa raha afaka mifampitana aminy kosa aho ka mahafaty azy, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.”+ 10  Hoy koa izy: “Mihantsy ady+ amin’ny tafiky ny Israely aho androany. Koa omeo lehilahy iray aho, dia hiady izahay!”+ 11  Rehefa nandre izany tenin’ilay Filistinina izany i Saoly+ sy ny Israely rehetra, dia nihorohoro sy natahotra mafy.+ 12  Ary i Davida dia zanak’ilay Efratita+ atao hoe Jese, avy any Betleheman’i Joda. Nanan-janaka valo mirahalahy i Jese,+ izay efa antitra tamin’ny andron’i Saoly. 13  Ary lasa nanaraka an’i Saoly tany an’ady ny telo lahy zokiny indrindra tamin’ny zanak’i Jese.+ Ireto avy ny anaran’ireo zanany telo lahy lasa tany an’ady ireo: Eliaba+ no lahimatoa, Abinadaba+ ny faharoa, ary Sama+ ny fahatelo. 14  I Davida no faralahy.+ Ary lasa nanaraka an’i Saoly izy telo lahy zokiny indrindra. 15  Ary nivezivezy nankany amin’i Saoly sy niandry ny ondrin-drainy+ tany Betlehema i Davida. 16  Ary niroso nanatona marain-tsy hariva ilay Filistinina ka niseho nandritra ny efapolo andro. 17  Ary hoy i Jese tamin’i Davida zanany: “Mba ento kely any amin’ny rahalahinao ireto voam-bary natono+ iray efaha ireto sy ireto mofo folo ireto, ka atero haingana any aminy any an-toby. 18  Ento koa ireto fromazy* folo ireto ho an’ny lehiben’ny arivo.+ Ary jereo raha tsy misy maninona ny rahalahinao,+ ka itondrao vaovao avy any aminy aho.” 19  Tamin’izay fotoana izay, dia nivonona hiady tamin’ny Filistinina+ teo amin’ilay lemaka ivan’i Elaha+ izy ireo mbamin’i Saoly sy ny lehilahy israelita rehetra. 20  Koa nifoha maraina i Davida, dia nampiandraiketiny olon-kafa ireo ondry. Ary nalainy ny entana ka lasa izy, araka izay nandidian’i Jese azy.+ Nony tonga teo an-tsisin’ny toby+ izy, dia indreny fa nivoaka nankeny an’ady ireo tafika,+ ka nihorakoraka nanao hiakan’ady. 21  Dia nilahatra hifanandrina ny tafiky ny Israely sy ny tafiky ny Filistinina. 22  Avy hatrany dia napetrak’i Davida tamin’ny mpiambina entana ireo entana nentiny,+ ka nihazakazaka nankeny an’ady izy. Ary nanontany ny fahasalaman’ny rahalahiny izy nony tonga teny.+ 23  Raha mbola niresaka tamin’izy ireo izy, dia iny fa niakatra avy eny amin’ny tafiky ny Filistinina ilay miaramila solontenan’izy ireo atao hoe Goliata,+ izay Filistinina avy any Gata.+ Ary nilaza izay efa noteneniny teo aloha ihany+ i Goliata, ka ren’i Davida izany. 24  Rehefa nahita an’ilay miaramila ny lehilahy israelita rehetra, dia nandositra sady natahotra mafy.+ 25  Ary hoy ny lehilahy israelita: “Hitanareo ve io lehilahy miakatra io? Hihantsy ady+ amin’ny Israely no iakarany. Koa izay lehilahy mahafaty an’io, hono, dia homen’ny mpanjaka harem-be, ary homeny ho vadiny ny zanany vavy.+ Ny ankohonan-drain’izany lehilahy izany koa, hono, hataony afaka amin’ireo adidy eto amin’ny Israely.”+ 26  Dia hoy i Davida tamin’ireo lehilahy nijoro teo anilany: “Hatao ahoana tsara hoe izay lehilahy mahafaty an’io Filistinina io,+ ka mahafaka ny Israely amin’izao fahafaham-baraka izao?+ Fa zinona moa io Filistinina tsy mifora+ io no dia mihantsy ady+ amin’ny tafik’ilay Andriamanitra velona?”+ 27  Ary toy ny teo aloha ihany no nolazain’ny olona taminy hoe: “Izany sy izany no hatao amin’izay lehilahy mahafaty azy.” 28  Ary nandre an’i Davida nifampiresaka tamin’ireo lehilahy ireo i Eliaba+ zokiny. Dia tezitra be tamin’i Davida izy,+ ka nanao hoe: “Nahoana ianao no nidina atỳ? Ary iza no nampiandraiketinao an’ireo ondry vitsy any an-tany efitra?+ Fantatro tsara ny fireharehanao sy ny haratsian’ny fonao,+ satria hijery ny ady no nidinanao atỳ.”+ 29  Ary hoy i Davida: “Fa maninona aho izao? Mba manontany fotsiny ange aho e!”+ 30  Dia niala teo aminy izy ka nankeo amin’ny olon-kafa indray ary nilaza izay efa nolazainy teo aloha.+ Ary valin-teny toy ny teo aloha ihany no azony.+ 31  Dia ren’ny olona ny tenin’i Davida ka nisy niresaka an’izany teo anatrehan’i Saoly. Koa nampanalain’i Saoly izy. 32  Ary hoy i Davida tamin’i Saoly: “Aoka tsy ho ketraka ny fon’ny olona,+ fa ny mpanomponao no handeha hiady amin’io Filistinina io.”+ 33  Hoy anefa i Saoly tamin’i Davida: “Tsy vitanao ny hiady amin’io Filistinina io+ satria mbola zaza ianao,+ fa izy kosa lehilahy mpiady hatramin’ny fahakeliny.” 34  Dia hoy i Davida taminy: “Ny mpanomponao dia lasa mpiandry ny ondry aman’osin-drainy. Ary nisy liona+ sy orsa tonga ka samy naka ondry tamin’ny andiany. 35  Dia lasa nanenjika azy aho ka namely azy+ ary namonjy an’ilay teny am-bavany. Nony nitsangana hamely ahy izy, dia notazoniko ny volombavany, ary nasiako izy ka matiko. 36  Samy novonoin’ny mpanomponao na ilay liona na ilay orsa, ary ho toy ny iray amin’ireny koa io Filistinina tsy mifora io,+ noho izy nihantsy ady+ tamin’ny tafik’ilay+ Andriamanitra velona.”+ 37  Hoy koa i Davida: “I Jehovah izay namonjy ahy teo an-tanan’ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy eo an-tanan’io Filistinina io.”+ Dia hoy i Saoly taminy: “Mandehana àry, ary homba anao anie i Jehovah!”+ 38  Dia nampanaovin’i Saoly an’i Davida ny akanjony, sady nosatrohany fiarovan-doha varahina ny lohany, ary nampanaoviny akanjo mifono vy izy. 39  Ary nataon’i Davida teo amin’ny fehikibony teo ambonin’ny akanjony ny sabatr’i Saoly. Dia nandeha izy nefa tsy afaka, fa mbola tsy zatra nanao an’ireny. Farany, dia hoy i Davida tamin’i Saoly: “Tsy afa-mandeha aho raha manao an’ireto, fa mbola tsy mahazatra ahy ireto.” Koa nesorin’i Davida ireny.+ 40  Ary naka ny tehiny izy, dia nifidy ny vato dimy malama indrindra teo amin’ny lohasaha falehan-driaka, ka nanao izany tao anaty kitapony fitondrany miandry ondry sady fasiany zavatra. Teny an-tanany koa ny pilotra.+ Dia nanatona an’ilay Filistinina izy. 41  Ary nanatona an’i Davida tsikelikely ilay Filistinina, sady teo alohany ilay lehilahy nitondra ny ampinga lehibe. 42  Nony nijery izy ka nahita an’i Davida, dia nanao tsinontsinona+ an’i Davida satria mbola zaza+ io, ary somary menamena+ sady tsara tarehy.+ 43  Koa hoy ilay Filistinina tamin’i Davida: “Izaho angaha alika+ no hatonin’ialahy amin’ny tehina?” Dia niantso ny anaran’ireo andriamaniny izy mba hanozonana an’i Davida.+ 44  Hoy koa izy tamin’i Davida: “Avia ialahy etỳ, fa homeko ny voro-manidina sy ny biby any an-tsaha ny nofon’ialahy.”+ 45  Ary hoy i Davida taminy: “Ianao manatona ahy amin’ny sabatra sy lefona ary lefom-pohy,+ fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika,+ ilay Andriamanitry ny tafiky ny Israely izay nohantsinao.+ 46  Anio no hanoloran’i Jehovah anao ho eto an-tanako,+ ka hovonoiko ianao ary hotapahiko ny lohanao. Ary homeko ho an’ny voro-manidina sy ny bibidia ny fatin’izay ao an-tobin’ny Filistinina anio.+ Dia ho fantatry ny olona eran-tany fa manana Andriamanitra ny Israely.+ 47  Ho fantatry ny fiangonana manontolo eto koa fa tsy sabatra na lefona no amonjen’i Jehovah,+ satria an’i Jehovah ny ady.+ Ary hanolotra anareo eo an-tananay izy.”+ 48  Koa niroso ilay Filistinina ka nihananatona hifanandrina tamin’i Davida. I Davida koa nandroso haingana ka nihazakazaka nankeo amin’ny toeram-piadiana mba hifanandrina tamin’ilay Filistinina.+ 49  Ary natsofok’i Davida tao anaty kitapony ny tanany, ka naka vato iray tao izy. Dia nandefa izany tamin’ny pilotra izy ka nahavoa+ an’ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Ary nilentika teo amin’ny handrin’ilay Filistinina ilay vato, ka nianjera nihohoka tamin’ny tany izy.+ 50  Koa nahery noho ilay Filistinina i Davida nefa pilotra sy vato fotsiny no teny aminy, ka namely nahafaty azy izy. Ary tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida.+ 51  Dia mbola nihazakazaka ihany i Davida ka nitsangana teo amin’ilay Filistinina. Ary nalainy ny sabatr’ilay Filistinina+ ka notsoahany tamin’ny tranony. Dia iny no nanapahany ny lohan’ilay Filistinina, ka namonoany azy ho faty tanteraka.+ Koa rehefa hitan’ny Filistinina fa maty ilay maheriny, dia vaky nandositra izy ireo.+ 52  Dia nitsangana ny lehilahy israelita sy izay anisan’ny fokon’i Joda, ka nihorakoraka sady nanenjika+ an’ireo Filistinina hatrany amin’ny lohasaha+ sy hatrany amin’ny vavahadin’i Ekrona.+ Ary izay naratra mafy tamin’ny Filistinina ka maty, dia niampatrampatra teny an-dalana, nanomboka teo Saraima+ ka hatrany Gata sy Ekrona. 53  Dia niverina ny zanak’Israely rehefa avy nanenjika mafy an’ireo Filistinina sy nandroba+ ny tobiny. 54  Ary nalain’i Davida ny lohan’ilay+ Filistinina ka nentiny tany Jerosalema, fa ny fitaovam-piadian’ilay Filistinina kosa nataony tao an-tranolainy.+ 55  Tamin’i Saoly nahita an’i Davida nivoaka hifanandrina tamin’ilay Filistinina, dia hoy izy tamin’i Abnera,+ lehiben’ny tafika: “Zanak’iza+ iny zazalahy iny,+ ry Abnera?” Dia hoy i Abnera: “Mianiana aminao aho, ry mpanjaka, fa tsy fantatro mihitsy!” 56  Koa hoy ny mpanjaka: “Anontanio hoe zanak’iza iny zazalahy iny.” 57  Koa raha vao niverina avy namono an’ilay Filistinina i Davida, dia nentin’i Abnera teo anatrehan’i Saoly. Ary teny an-tanan’i Davida ny lohan’ilay Filistinina.+ 58  Dia hoy i Saoly taminy: “Zanak’iza moa ianao, anaka?” Ary hoy i Davida: “Zanak’i Jese+ Betlehemita+ mpanomponao.”

Fanamarihana

A.b.t.: “ronono”, angamba zavatra vita amin’ny ronono.