1 Samoela 18:1-30
18 Raha vao avy niresaka tamin’i Saoly i Davida, dia nanjary niraiki-po be+ tamin’i Davida i Jonatana,+ ka tia azy toy ny tenany mihitsy.+
2 Nalain’i Saoly i Davida tamin’iny andro iny, ka tsy navelany hiverina tany an-tranon-drainy intsony.+
3 Ary nanao fifanekena i Jonatana sy Davida,+ satria tia azy toy ny tenany+ mihitsy i Jonatana.
4 Dia nesorin’i Jonatana ilay akanjo tsy misy tanany nanaovany, ka nomeny an’i Davida. Nomeny azy koa ny akanjony hafa, hatramin’ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehikibony.
5 Ary nanomboka nivoaka hiady i Davida. Malina+ foana izy na taiza na taiza nandefasan’i Saoly azy, ka nataon’i Saoly ho mpifehy an’ireo lehilahy mpiady.+ Dia sitraky ny olona rehetra sy ny mpanompon’i Saoly izany.
6 Rehefa avy namely ny Filistinina ry Davida ka tafaverina, dia nivoaka avy any amin’ny tanàna rehetran’ny Israely ireo vehivavy. Sady nihira+ izy ireo no nandihy tamin’ny feon’ampongatapaka+ sy mandôlinina, mba hitsena an’i Saoly mpanjaka tamim-pifaliana.+
7 Ary nanao hira nifamaly ireo vehivavy nitotorebika ireo hoe:
“I Saoly nahafaty arivoarivo,Fa i Davida kosa nahafaty alinalina.”+
8 Dia tezitra be+ i Saoly. Tsy tiany mantsy izany teny izany, ka hoy izy anakampo: “Ny an’i Davida nataony alinalina, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo. Ny fanjakana ihany sisa no tsy azony!”+
9 Dia niahiahy an’i Davida foana i Saoly nanomboka tamin’iny andro iny,+ ka hita tamin’ny fijeriny azy izany.
10 Ary nahazo an’i Saoly ilay fikorontanan-tsaina* avy amin’Andriamanitra+ ny ampitson’iny,+ ka nanao hoatran’ny mpaminany izy+ tao an-trano. Teo am-pitendrena zavamaneno i Davida tamin’izay,+ toy ny tamin’ny andro teo aloha. Ary teny an-tanan’i Saoly ny lefona.+
11 Dia natorak’i Saoly ilay lefona+ sady niteny izy hoe: “Ataoko mifantsika amin’ny rindrina i Davida!”+ Kanjo nahay niala indroa izy.+
12 Ary natahotra an’i Davida i Saoly+ satria nomba an’i Davida i Jehovah,+ fa ny tenany kosa efa nialany.+
13 Koa nesorin’i Saoly tsy ho eo aminy i Davida,+ ka notendreny ho lehiben’ny arivo. Ary nitarika ny olona foana i Davida.+
14 Malina+ foana izy tamin’izay rehetra nataony, ary nomba azy i Jehovah.+
15 Dia hitan’i Saoly fa tena malina+ izy, ka natahorany.
16 Ary tia an’i Davida ny Israely rehetra sy ny Joda, satria izy no nitarika azy ireo.
17 Farany, dia hoy i Saoly tamin’i Davida: “Io i Meraba+ zanako vavimatoa. Izy no homeko ho vadinao,+ fa aoka fotsiny ianao hahery fo eo anatrehako ka hiady ny adin’i Jehovah.”+ Fa hoy i Saoly anakampo: “Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa ny tanan’ny Filistinina.”+
18 Dia hoy i Davida tamin’i Saoly: “Zinona moa aho, ary inona eto amin’ny Israely moa ny havako sy ny fianakavian-draiko, no ho lasa vinanton’ny mpanjaka aho?”+
19 Tamin’ny fotoana hanomezana an’i Meraba zanakavavin’i Saoly ho an’i Davida anefa, dia efa nomena ho vadin’i Adriela+ Meholatita+ izy.
20 Ary raiki-pitia tamin’i Davida i Mikala+ zanakavavin’i Saoly. Koa nolazaina tamin’i Saoly izany, ka sitrany.
21 Dia hoy i Saoly anakampo: “Homeko azy i Mikala mba hamandrihana azy,+ ka hamelezan’ny tanan’ny Filistinina azy.” Koa hoy i Saoly tamin’i Davida: “Ny iray amin’izy roa vavy no hahatonga anao ho vinantolahiko.”*
22 Nandidy ny mpanompony koa i Saoly hoe: “Resaho mangingina i Davida hoe: ‘Mankasitraka anao ny mpanjaka, ary lasa tia anao daholo ny mpanompony rehetra. Koa meteza ho lasa vinantolahin’ny mpanjaka.’”*
23 Dia nilaza izany teny izany tamin’i Davida ny mpanompon’i Saoly. Hoy anefa i Davida: “Heverinareo fa moramora angaha izany hoe lasa vinantolahin’ny mpanjaka izany? Izaho ange lehilahy mahantra+ sy tsy dia asian’ny olona vidiny+ e!”
24 Koa nitantara tamin’i Saoly ny mpanompony hoe: “Izany sy izany no tenin’i Davida.”
25 Ary hoy i Saoly: “Izao no holazainareo amin’i Davida: ‘Tsy vodiondry+ no sitraky ny mpanjaka, fa tsitsy*+ esorina amin’ny lehilahy filistinina zato, mba hampiharan’ny mpanjaka ny valifatiny+ amin’ny fahavalony.’” I Saoly anefa efa nitetika ny hahafatesan’i Davida eo an-tanan’ny Filistinina.
26 Dia nolazain’ny mpanompon’i Saoly tamin’i Davida izany teny izany, ka sitrak’i Davida ny ho lasa vinantolahin’ny mpanjaka.+ Koa raha mbola tsy tapitra ny fotoana nomena,
27 dia niainga i Davida sy ny olony ka lasa namono+ roanjato lahy teo amin’ny Filistinina. Dia nentin’i Davida ny tsitsy+ nesorina tamin’ireo Filistinina ireo ka nomeny ny mpanjaka, araka ny isany feno, mba hahatonga azy ho vinantolahin’ny mpanjaka. Koa nomen’i Saoly ho vadin’i Davida i Mikala zanany vavy.+
28 Dia hitan’i Saoly fa nomba an’i Davida i Jehovah.+ Ary tia an’i Davida i Mikala zanakavavin’i Saoly.+
29 Dia nihamafy ny tahotr’i Saoly an’i Davida, ka nanjary fahavalon’i Davida foana izy.+
30 Ary nivoaka hiady ireo andrianan’ny+ Filistinina. Isaky ny nanao izany izy ireo, dia i Davida no malina indrindra+ tamin’ny mpanompon’i Saoly rehetra. Koa lasa nalaza be ny anaran’i Davida.+
Fanamarihana
^ A.b.t.: “fanahy ratsy.”
^ Na: “hanaovanao fifanarahana ara-panambadiana amiko.”
^ Na: “hanao fifanarahana ara-panambadiana amin’ny mpanjaka.”
^ Hoditra manarona ny loham-pilahiana.