1 Samoela 2:1-36

2  Dia nivavaka+ i Hana ka nanao hoe: “Mifaly amin’i Jehovah+ ny foko,Ao amin’i Jehovah no isandratan’ny tandroko.*+Misokatra ny vavako hamaly ny fahavaloko,Satria tena faly aho noho ny famonjena avy aminao.+   Tsy misy masina tahaka an’i Jehovah, satria tsy misy Andriamanitra ankoatra anao,+Ary tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.+   Aza manao teny an’avona loatra ianareo,Aoka tsy hisy teny tsy voahevitra haloaky ny vavanareo,+Fa Andriamanitry ny fahalalana i Jehovah,+Ary izay atao dia tombanany+ ara-drariny.   Mihorohoro ny lehilahy mahay mandefa zana-tsipìka,+Fa manjary mahery kosa ireo malemy.+   Tsy maintsy mikarama mba hahazoana sakafo ireo voky,+Fa ny noana kosa tsy noana intsony.+Na ny vehivavy momba aza miteraka fito,+Fa izay niteraka maro kosa tsy hanan-janaka intsony.+   I Jehovah no mamono sy mitsimbina ny aina,+Izy no mampidina any amin’ny Fasana,*+ sy mampiakatra avy any.+   I Jehovah no mampahantra+ sy mampanan-karena,+Izy no mampietry sy manandratra.+   Izy no manangana ny olona ambany hiala amin’ny vovoka,+Ary avy ao amin’ny lavaka misy lavenona no ampiakarany ny mahantra,+Mba hametrahany azy miaraka amin’ny olona ambony. Ary seza fiandrianana be voninahitra+ no omeny azy ireo ho fananany.+Fa an’i Jehovah ny fototry ny tany,+Ary apetrany eo ambonin’izany ny tany lonaka.   Ambenany ny tongotry ny olona tsy mivadika aminy,+Fa ny ratsy fanahy kosa ampanginina ao anatin’ny haizina,+Satria tsy amin’ny herin’ny tenany no andresen’ny olona.+ 10  Raha ny amin’i Jehovah, dia hihorohoro izay miady aminy.+Ary izy hampirefotra kotroka avy any an-danitra+ mba hamelezana an’ireny.I Jehovah mihitsy no hitsara ny tany manontolo,+Mba hanomezany hery ny mpanjakany,+Sy mba hanandratany ny tandroky ny voahosony.”+ 11  Dia nandeha nody tany an-tranony tany Rama i Elkana, ary ilay zaza kosa lasa mpanompon’i+ Jehovah teo anatrehan’i Ely mpisorona. 12  Ary ny zanakalahin’i Ely dia olona tsy manjary,+ sady tsy niraharaha an’i Jehovah.+ 13  Koa izao no nataon’izy ireo tamin’ireo anjara tokony ho azon’ny mpisorona avy tamin’ny vahoaka:+ Rehefa nisy nanolotra sorona, dia tonga ny mpanompon’ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana. Koa raha vao nangotraka ny hena,+ 14  dia natsindron’izy ireo tao anaty vilany ilay fitrebika. Natsindrony tao anaty vilany fandrahoan-kena izany, na tao anaty vilany misy tahony roa na tao anaty vilanibe na vilany misy tahony, ka izay azon’ny fitrebika dia nalain’ny mpisorona ho azy. Izany no nataon’izy ireo tao Silo, tamin’ny Israelita rehetra tonga tany.+ 15  Ary raha mbola tsy nodorana mba hidona-tsetroka ny tavin-kena,+ dia efa nisy mpanompon’ny mpisorona tonga ka niteny toy izao tamin’ny olona nanao sorona: “Omeo hena hatsatsika ny mpisorona, mba ho hena manta no azony avy aminao, fa tsy hena nandrahoina.”+ 16  Ary raha niteny taminy ilay olona hoe: “Aleo aloha hodorana mba hidona-tsetroka ny tavin-kena,+ vao haka izay tianao+ ianao”, dia hoy izy: “Tsia! Fa omeo izao dia izao ilay izy. Raha tsy izany dia halaiko an-keriny!”+ 17  Ary lehibe indrindra teo anatrehan’i Jehovah ny fahotan’ireo mpanompo ireo,+ satria nanao tsinontsinona ny fanatitra ho an’i Jehovah+ ireo lehilahy ireo. 18  I Samoela kosa nanompo+ teo anatrehan’i Jehovah. Mbola zaza izy tamin’izay, ary nanao efoda rongony izay nisy fehikibo nafatotra taminy.+ 19  Nanjairan-dreniny akanjo kely tsy misy tanany koa izy isan-taona. Ary nitondra izany tany amin’i Samoela ny reniny, rehefa niara-niakatra tamin’ny vadiny mba hanolotra ny sorona fanao isan-taona.+ 20  Dia nitso-drano+ an’i Elkana sy ny vadiny i Ely, ka nanao hoe: “Homen’i Jehovah zanaka avy amin’ity vehivavy ity anie ianao, ho solon’ilay zavatra nampindramina, izay nampindramina an’i Jehovah!”+ Ary lasa nody izy ireo. 21  Dia nitsinjo an’i Hana tokoa i Jehovah,+ ka nanana anaka izy ary niteraka telo lahy sy roa vavy.+ Ary nihalehibe teo anatrehan’i Jehovah+ i Samoela zaza. 22  Efa antitra be i Ely, ary reny+ ny zava-drehetra fanaon’ny zanany+ tamin’ny Israely rehetra, sy ny nanaovan’izy ireo firaisana tamin’ireo vehivavy+ nanompo teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.+ 23  Koa hoy izy tamin’ireo zanany ireo:+ “Nahoana ianareo no manao toy izany foana?+ Ratsy ny zavatra reko tamin’ny olon-drehetra momba anareo.+ 24  Tsy+ tsara mihitsy, anaka, ny tatitra reko aelin’ny olon’i Jehovah.+ 25  Raha misy manota amin’olona,+ dia Andriamanitra no hitsara+ hiaro azy. Fa raha amin’i Jehovah kosa ny olona iray no manota,+ iza no hivavaka ho azy?”+ Tsy nihaino ny tenin-drainy+ anefa izy ireo, satria efa sitrak’i Jehovah ny hamono azy ireo ho faty.+ 26  Nihalehibe ihany i Samoela nandritra izany fotoana izany, sady vao mainka nahatehotia teo imason’i Jehovah sy teo imason’ny olona.+ 27  Dia nisy lehilahin’Andriamanitra+ tonga tany amin’i Ely, ka niteny hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Tsy efa nampahafantatra ny tenako tamin’ny ankohonan’ny razambenao ve aho, fony izy ireo andevon’ny ankohonan’i Farao tany Ejipta?+ 28  Ny ankohonan’ny razambenao koa no nofidina ho ahy teo amin’ny foko rehetran’ny Israely,+ mba hanao ny asan’ny mpisorona sy hiakatra eo amin’ny alitarako+ ka hampiakatra ny setroky ny sorona, ary koa hanao efoda eo anatrehako, mba hanomezako azy ny fanatitra rehetra atao anaty afo izay atolotry ny zanak’Israely.+ 29  Koa nahoana ianareo no dia manitsakitsaka foana ny sorona+ sy ny fanatitra izay nandidiako hatolotra ho ahy ao an-tranoko?+ Nahoana ianao no manome voninahitra foana ny zanakao mihoatra noho izaho, ka ny tsara indrindra amin’izay fanatitry ny Israely oloko+ no hanatavezanareo ny tenanareo?+ 30  “‘Koa izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Efa niteny tokoa aho hoe: Handeha eo anatrehako mandritra ny fotoana tsy voafetra ny ankohonanao sy ny ankohonan’ny razambenao.”+ Fa izao kosa no tenin’i Jehovah ankehitriny: “Sanatria ahy izany! Fa izay manome voninahitra ahy+ no homeko voninahitra,+ ary izay maniratsira ahy kosa hatao tsinontsinona.”+ 31  Ho avy ny andro hanesorako ny herinao sy ny herin’ny ankohonan’ny razambenao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra ao amin’ny ankohonanao.+ 32  Fahavalo no ho hitanao ao an-tranoko, na dia eo aza ny soa rehetra atao amin’ny Israely.+ Ary tsy hisy lehilahy ho tratrantitra mihitsy ao amin’ny ankohonanao. 33  Hisy ihany lehilahy taranakao havelako hanompo eo amin’ny alitarako, ka ho reraka ny masonao ary hihaosa ny vatanao. Hovonoin’ny olona amin’ny sabatra anefa ny ankamaroan’izay ao amin’ny ankohonanao.+ 34  Koa ho famantarana ho anao izao hanjo an’i Hofinia sy Finehasa zanakao roa lahy+ izao: Andro iray ihany no hahafatesan’izy roa lahy.+ 35  Ary hanendry mpisorona mendri-pitokisana ho an’ny tenako aho.+ Koa mifanaraka amin’izay ao am-poko sy ao an-tsaiko* no hataony. Dia hataoko tokoa izay hananany taranaka maharitra, ary ho mpisorona mandrakariva ho an’ny voahosotro+ izy. 36  Ary izay sisa tavela+ amin’ny ankohonanao dia ho avy hiankohoka eo anatrehany mba hahazoana vola sy mofo boribory. Dia hiteny izy ireo hoe: “Ampanaovy asan’ny mpisorona re aho, mba hihinanako sombi-mofo e!”’”+

Fanamarihana

Ato amin’ny Baiboly, dia matetika no ilazana hery, tanjaka, na fahefana ny tandroka.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
‘saina.’ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.