1 Samoela 20:1-42

20  Ary nandositra niala+ tao Naiota any Rama i Davida. Nankany amin’i Jonatana anefa izy ka nilaza taminy hoe: “Fa inona no nataoko?+ Inona no fahadisoako, ary inona no fahotana vitako teo anatrehan’ny rainao, no mifofo ny aiko izy?”  Dia hoy i Jonatana: “Sanatria anao izany ho faty izany!+ Tsy misy tsy lazain’ny raiko amiko izay zavatra hataony na kely na lehibe.+ Inona moa no antony hanafenany izany amiko?+ Tsy hanao izany mihitsy izy!”  Mbola nianiana+ koa anefa i Davida hoe: “Tsy maintsy efa fantatry ny rainao fa nahazo sitraka taminao aho,+ ka hilaza izy hoe: ‘Aoka tsy ho fantatr’i Jonatana izany, sao halahelo izy.’ Raha mbola velona koa anefa i Jehovah,+ ary raha mbola velon’aina koa ianao,+ dia tsoriko aminao fa zara raha misy indray mandingana sisa no manelanelana ahy amin’ny fahafatesana!”+  Koa hoy i Jonatana tamin’i Davida: “Izay lazainao dia hataoko ho anao.”  Dia hoy i Davida tamin’i Jonatana: “Tsinam-bolana+ rahampitso ka tokony hiara-misakafo amin’ny mpanjaka aho. Koa avelao aho handeha, dia hiafina+ any an-tsaha hatramin’ny rahafakampitso hariva.  Ary raha hitan’ny rainao fa tsy eo aho, dia lazao hoe: ‘Niera tamiko i Davida mba handeha vetivety ho any Betlehema+ tanànany, satria misy sorona fanao isan-taona hataon’ny fianakaviany manontolo any.’+  Koa raha milaza izy hoe: ‘Tsara izany!’, dia ho fiadanana ho an’ny mpanomponao izany. Fa raha tezitra kosa izy, dia fantaro fa efa masaka ao an-tsainy ny hanao ratsy.+  Koa manehoa hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny mpanomponao,+ satria efa nampidirinao tao amin’ny fifanekena+ iray teo anatrehan’i Jehovah ny mpanomponao. Raha misy fahadisoako+ anefa, dia aoka ianao ihany no hamono ahy ho faty. Fa nahoana aho no hoentinao any amin’ny rainao?”  Koa hoy i Jonatana: “Tsy hanjo anao mihitsy izany! Raha fantatro anefa fa ny hanisy ratsy anao no efa masaka ao an-tsain’ny raiko, dia tsy holazaiko aminao ve izany?”+ 10  Ary hoy i Davida tamin’i Jonatana: “Dia iza no hilaza amiko raha masiaka ny valin-tenin-drainao na tsia?” 11  Koa hoy i Jonatana tamin’i Davida: “Andao hivoaka ho any an-tsaha.” Koa nivoaka nankany an-tsaha izy roa lahy. 12  Ary hoy i Jonatana taminy: “I Jehovah Andriamanitry ny Israely+ no vavolombelona+ fa hofantariko tsara izay ao an-tsain’ny raiko, rahampitso tokotokony ho amin’ny ora toy izao na rahafakampitso. Raha vonona ny hanisy soa an’i Davida izy, dia tsy handefasako olona ve ho any aminao mba hilaza aminao? 13  Hofaizin’i Jehovah anie i Jonatana,* ary mihoatra noho izany aza,+ raha toa aho ka tsy milaza aminao ka mandefa anao soa aman-tsara, rehefa fantatro fa te hanisy ratsy anao ny raiko! Homba anao anie i Jehovah,+ toy ny nombany ny raiko!+ 14  Ary raha mbola velona koa aho,+ moa ve aho tsy hanehoanao hatsaram-panahy feno fitiavana, toy izay asehon’i Jehovah, mba tsy hahafaty ahy?+ 15  Dia tsy hesorinao amin’ny ankohonako ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Ary na rehefa haringan’i Jehovah tsy ho etỳ ambonin’ny tany aza ny fahavalon’i Davida rehetra, 16  dia tsy hofoanana eo amin’ny taranak’i Davida ny anaran’i Jonatana.+ Koa hampamoahin’i Jehovah ny amin’izany fifanekena izany ny fahavalon’i Davida.” 17  Dia nivoady tamin’i Davida indray i Jonatana noho ny fitiavany azy, fa tiany toy ny tenany mihitsy izy.+ 18  Ary hoy i Jonatana taminy: “Tsinam-bolana+ rahampitso, ary ho hita fa tsy eo ianao, satria ho banga ny toeranao. 19  Ary vao mainka ho hita fa tsy eo ianao rahafakampitso. Koa tongava eo amin’ilay toerana niafenanao+ tamin’ny indray andro* iny, ary mitoera erỳ akaikin’ny vato erỳ. 20  Fa izaho kosa handefa zana-tsipìka telo eo akaikiny, toy ny hoe mikendry zavatra. 21  Ary haniraka mpanompo aho ka hanao hoe: ‘Mandehana, tadiavo ireo zana-tsipìka.’ Koa raha milaza aminy aho hoe: ‘Jereo fa iretsy an-kilanao iretsy ny zana-tsipìka, ka alaivo’, dia manatòna fa midika ho fiadanana ho anao izany ary tsy misy atahorana, raha mbola velona koa i Jehovah.+ 22  Fa raha milaza amin’ilay zazalahy kosa aho hoe: ‘Jereo fa lavitra kokoa anao ireo zana-tsipìka’, dia mandehana fa efa nandefa anao i Jehovah. 23  Ary momba ilay resaka nifanaovantsika sy ianao iny,+ dia enga anie i Jehovah no ho vavolombelona amiko sy aminao mandritra ny fotoana tsy voafetra!”+ 24  Koa niafina tany an-tsaha i Davida.+ Tsinam-bolana ny andro, ka naka toerana mba hisakafo ny mpanjaka.+ 25  Ary nipetraka teo amin’ny sezany teo akaikin’ny rindrina toy ny mahazatra ny mpanjaka, ka i Jonatana no nifanatrika taminy, ary i Abnera+ no nipetraka teo akaikiny, fa banga kosa ny toeran’i Davida. 26  Ary tsy niteny na inona na inona mihitsy i Saoly tamin’iny andro iny, fa hoy izy anakampo: “Nisy zavatra nitranga angamba ka tsy madio+ izy, satria tsy voadio.” 27  Ny ampitson’ny tsinam-bolana, tamin’ny andro faharoa anefa, dia mbola banga ihany ny toeran’i Davida. Koa hoy i Saoly tamin’i Jonatana zanany: “Nahoana no tsy tonga tamin’ny sakafo ny zanak’i Jese,+ na omaly na androany?” 28  Koa namaly an’i Saoly i Jonatana hoe: “Niera tamiko i Davida mba hankany Betlehema,+ 29  ka niteny hoe: ‘Mba avelao aho handeha, fa misy sorona ataon’ny fianakavianay any an-tanàna, ary ny rahalahiko mihitsy no nandidy ahy ho any. Koa raha mahazo sitraka aminao aho, dia mba avelao aho hitsoriaka kely hijery ny rahalahiko.’ Izany no antony tsy nahatongavany teto amin’ny latabatry ny mpanjaka.” 30  Dia tezitra+ be tamin’i Jonatana i Saoly, ka hoy izy taminy: “Ilay zanaky ny mpanompovavy mpikomy ity!+ Tsy fantatro tsara angaha fa nifidy an’iny zanak’i Jese iny ialahy mba hahatonga henatra ho an’ialahy sy ho an’ny fitanjahan-drenin’ialahy?+ 31  Fa amin’ny andro rehetra hahaveloman’ny zanak’i Jese eto an-tany, dia tsy haharitra ialahy sy ny fanjakan’ialahy.+ Koa maniraha olona haka azy hankatỳ amiko, fa tokony ho faty izy.”+ 32  Namaly an’i Saoly rainy anefa i Jonatana hoe: “Nahoana izy no tokony hovonoina ho faty?+ Fa inona no nataony?”+ 33  Dia notorahan’i Saoly lefona i Jonatana mba hamelezana azy.+ Koa fantatr’i Jonatana fa efa masaka tao an-tsain-drainy ny hamono an’i Davida ho faty.+ 34  Avy hatrany dia nitsangana avy teo an-databatra i Jonatana, sady tezitra mafy.+ Ary tsy nihinan-kanina izy tamin’iny ampitson’ny tsinam-bolana iny, fa nalahelo noho ny amin’i Davida,+ izay nampietren’ny rainy.+ 35  Ary nivoaka nankany an-tsaha i Jonatana ny ampitso maraina, nankany amin’ilay toerana nifanarahana tamin’i Davida,+ ary nisy mpanompo tanora iray niaraka taminy. 36  Koa hoy izy tamin’ilay mpanompony: “Mihazakazaha ianao ka tadiavo ireo zana-tsipìka alefako.”+ Dia nihazakazaka ilay mpanompo, ary nalefan’i Jonatana hihoatra azy ny zana-tsipìka. 37  Nony tonga teny amin’ilay toerana nisy ny zana-tsipìka nalefan’i Jonatana ilay mpanompo, dia niantso avy tany aoriany i Jonatana, nanao hoe: “Tsy mbola lavitra kokoa anao ve ilay zana-tsipìka?”+ 38  Mbola niantso avy tany aorian’ilay mpanompo ihany i Jonatana, nanao hoe: “Haingana ianao! Haingana! Aza mijanona!” Koa nandeha naka an’ireo zana-tsipìka ilay mpanompony, dia nankeny amin’ny tompony. 39  Ary tsy nahafantatra na inona na inona momba izany ilay mpanompo, fa i Jonatana sy Davida ihany no nahafantatra. 40  Dia nomen’i Jonatana an’ilay mpanompony ny fitaovam-piadiany, ka hoy izy taminy: “Mandehana, ento any an-tanàna ireto.” 41  Koa lasa ilay mpanompo. Fa i Davida kosa nitsangana avy teo akaiky teo, teo atsimo. Dia niondrika+ izy ka niankohoka tamin’ny tany intelo. Koa nifanoroka+ izy roa lahy ary samy nitomany, ka ny iray nitomany ny iray, ary ny iray koa nitomany ny iray. Tamin’ny farany dia i Davida no nitomany mafy indrindra.+ 42  Ary hoy i Jonatana tamin’i Davida: “Mandehana soa aman-tsara,+ fa efa samy nianiana+ tamin’ny anaran’i Jehovah isika, hoe: ‘Enga anie i Jehovah no ho vavolombelona amiko sy aminao, ary amin’ny taranako sy ny taranakao, mandritra ny fotoana tsy voafetra!’”+ Koa nitsangana i Davida dia lasa. Ary i Jonatana kosa niditra tao an-tanàna.

Fanamarihana

A.b.t.: “Hataon’i Jehovah amin’i Jonatana anie izany!”
A.b.t.: “ny andro fiasana.”