1 Samoela 22:1-23
22 Koa niala tao i Davida,+ ka nandositra+ nankany amin’ilay lava-bato+ ao Adolama.+ Ary nandre izany ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy manontolo, ka nidina nankany aminy.
2 Ary niangona teo aminy+ izay lehilahy rehetra azom-pahoriana,+ sy izay nananan’olona trosa,+ ary izay tezitra noho ny zava-nisy tamin’izany fotoana izany.+ Koa lasa lehiben’izy ireo i Davida.+ Ary nanjary nisy efajato lahy teo ho eo niaraka taminy.
3 Tatỳ aoriana, dia niala tao i Davida ka nankany Mizpe any Moaba. Ary hoy izy tamin’ny mpanjakan’i Moaba:+ “Mba avelao hipetraka atỳ aminareo re ny raiko sy ny reniko e,+ mandra-pahafantatro izay hataon’Andriamanitra amiko.”
4 Koa nampitoeriny teo anatrehan’ny mpanjakan’i Moaba izy ireo. Dia nifindra tany amin’ny faritanin’io mpanjaka io izy ireo, ka nonina tany tamin’ny andro rehetra nitoeran’i Davida tany amin’ny toerana sarotra aleha.+
5 Rehefa nandeha ny fotoana, dia hoy i Gada+ mpaminany tamin’i Davida: “Aza mijanona any amin’ny toerana sarotra aleha. Mialà any, ka mankanesa any amin’ny tanin’i Joda.”+ Dia lasa i Davida, ka tonga tany amin’ny alan’i Hareta.
6 Ary ren’i Saoly fa nisy nahita i Davida sy ny olona niaraka taminy. Nipetraka teo ambanin’ilay hazo tamariska+ teny amin’ny toerana avo tany Gibea i Saoly tamin’izay. Ary teny an-tanany ny lefony+ sady teo aminy ny mpanompony rehetra.
7 Dia hoy i Saoly tamin’ireo mpanompony niaraka taminy: “Mba henoy kely izao, ry Benjaminita: Ny zanak’i Jese+ koa ve mba ho afaka hanome saha sy tanimboaloboka ho anareo rehetra?+ Hanendry anareo rehetra ho lehiben’ny arivo+ sy ho lehiben’ny zato ve izy?
8 Fa efa niray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra. Ary tsy nisy nilaza tamiko+ hoe nanao fifanekena tamin’ny zanak’i Jese ny zanako.+ Tsy nisy nangoraka ahy koa ianareo, ka tsy nilaza tamiko hoe ny zanako efa nanangana ny mpanompoko hanohitra ahy sy hiafina mba hanafika ahy toy izao anio izao.”
9 Dia hoy i Doega+ Edomita izay voatendry ho lehiben’ny mpanompon’i Saoly: “Hitako ny zanak’i Jese tonga tany Noba, tao amin’i Ahimeleka+ zanak’i Ahitoba.+
10 Ary nanontany+ an’i Jehovah ho azy i Ahimeleka, sady nanome vatsy+ azy, sy nanome azy ny sabatr’i+ Goliata Filistinina.”
11 Koa nampanantsoin’ny mpanjaka avy hatrany i Ahimeleka zanak’i Ahitoba mpisorona mbamin’ny ankohonan-drainy manontolo, dia ireo mpisorona tany Noba.+ Dia tonga teo amin’ny mpanjaka izy rehetra.
12 Ary hoy i Saoly: “Mba mihainoa kely, ry zanak’i Ahitoba!” Dia hoy izy: “Intỳ aho, tompoko.”
13 Ary hoy i Saoly: “Nahoana ianao sy ny zanak’i Jese no niray tetika hanohitra ahy,+ ka nomenao mofo sy sabatra izy? Nanontany an’Andriamanitra ho azy koa ianao, mba hitsanganany hanohitra ahy, sy hiafenany mba hanafika ahy toy izao anio izao.”+
14 Dia hoy ny navalin’i Ahimeleka ny mpanjaka: “Iza amin’ny mpanomponao rehetra moa no mendri-pitokisana+ tahaka an’i Davida,+ izay vinantolahin’ny mpanjaka+ sady lehiben’ny mpiaro anao ary hajaina ao an-tranonao?+
15 Angaha moa androany aho vao nanontany+ an’Andriamanitra ho azy? Sanatria ahy ny hanao teti-dratsy hanoherana anao! Aoka ny mpanjaka tsy hiampanga ny mpanompony sy ny ankohonan-draiko manontolo na amin’inona na amin’inona, fa tsy misy fantatry ny mpanomponao ny amin’izany rehetra izany, na kely na lehibe.”+
16 Hoy anefa ny mpanjaka: “Ho faty tokoa ianao+ sy ny ankohonan-drainao manontolo,+ ry Ahimeleka!”
17 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo mpihazakazaka+ teo akaikiny: “Mihodìna, ka vonoy ho faty ireo mpisoron’i Jehovah ireo, fa momba an’i Davida koa ny tanan’ireo sady efa fantatr’ireo fa nandositra izy, nefa tsy nolazainy tamiko izany!”+ Tsy nety naninjitra ny tanany hamely an’ireo mpisoron’i Jehovah anefa ny mpanompon’ny mpanjaka.+
18 Farany, dia hoy ny mpanjaka tamin’i Doega:+ “Mihodìna, ka asio ireo mpisorona ireo!” Dia nihodina avy hatrany i Doega Edomita,+ ka namely an’ireo mpisorona. Koa dimy amby valopolo lahy nisalotra efoda+ rongony, no matiny+ tamin’iny andro iny.
19 Nasiany tamin’ny lelan-tsabatra koa i Noba+ tanànan’ireo mpisorona, eny, nasiany avokoa na lehilahy na vehivavy, na ankizikely na zaza minono, na omby na ampondra na ondry.
20 Afa-nandositra anefa i Abiatara,+ iray tamin’ny zanakalahin’i Ahimeleka zanak’i Ahitoba, ka nitsoaka mba hanaraka an’i Davida.
21 Ary hoy i Abiatara tamin’i Davida: “Novonoin’i Saoly ny mpisoron’i Jehovah.”
22 Dia hoy i Davida tamin’i Abiatara: “Efa fantatro mihitsy tamin’iny andro iny+ fa tsy maintsy hilaza amin’i Saoly i Doega Edomita,+ satria teo izy. Izaho no tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesan’izay* rehetra anisan’ny ankohonan-drainao.
23 Mijanòna fotsiny eto amiko. Ary aza matahotra, fa izay mifofo ny aiko dia mifofo ny ainao koa, satria mila fiarovana avy amiko ianao.”+
Fanamarihana
^ Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.