1 Samoela 23:1-29

23  Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe: “Miady amin’i Keila+ ny Filistinina, sady robainy ny eny am-pamoloana.”+  Koa nanontany+ an’i Jehovah i Davida hoe: “Handeha hamely ny Filistinina ve aho?” Dia hoy i Jehovah taminy: “Mandehana mamely ny Filistinina ka vonjeo i Keila.”  Ary hoy ny olon’i Davida: “Eto Joda aza isika matahotra,+ koa mainka fa raha ho any Keila hiady amin’ny tafiky ny Filistinina?”+  Koa nanontany an’i Jehovah indray+ i Davida. Dia hoy ny navalin’i Jehovah azy: “Mandehana midina any Keila, fa hatolotro eo an-tananao ny Filistinina.”+  Koa nankany Keila i Davida sy ny olony, ka niady tamin’ny Filistinina. Ary nentiny ny biby fiompin’ny Filistinina, fa izy ireo kosa novonoiny ka be dia be no maty. Koa lasa mpamonjy an’ireo mponin’i Keila i Davida.+  Nitondra efoda+ nidina niaraka taminy i Abiatara+ zanak’i Ahimeleka, tamin’izy nandositra nankany amin’i Davida tany Keila.  Ary nisy nilaza tamin’i Saoly hoe: “Tonga ao Keila i Davida.”+ Dia hoy i Saoly: “Efa namidin’Andriamanitra ho eo an-tanako izy,+ satria efa nanidy ny tenany tao amin’ny tanàna misy vavahady sy bara hidiny.”  Koa nantsoin’i Saoly ny olona rehetra mba hiady, ka hidina hanao fahirano an’i Davida sy ny olony any Keila.  Ary nanjary fantatr’i Davida fa nitetika ny hanisy ratsy+ azy i Saoly. Koa hoy izy tamin’i Abiatara mpisorona: “Ento etỳ ny efoda.”+ 10  Ary hoy i Davida: “Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô,+ efa ren’ny mpanomponao tokoa fa mitady hanketo Keila i Saoly mba handrava ny tanàna noho ny amiko.+ 11  Hanolotra ahy eo an-tanany ve ireo mponin’i* Keila? Hidina ve i Saoly, araka izay efa ren’ny mpanomponao? Mba lazao amin’ny mpanomponao re, ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô!” Dia hoy i Jehovah: “Hidina izy.”+ 12  Hoy indray i Davida: “Hanolotra ahy sy ny oloko eo an-tanan’i Saoly ve ireo mponin’i Keila?” Dia hoy i Jehovah: “Hanolotra anareo izy.”+ 13  Koa niainga avy hatrany i Davida sy ny olony eninjato lahy teo ho eo,+ ka nivoaka avy tao Keila, ary nirenireny tany amin’izay azony naleha. Ary nisy nilaza tamin’i Saoly fa efa nandositra avy tao Keila i Davida. Dia tsy nankany indray i Saoly. 14  Ary nitoetra tany an-tany efitra, teny amin’ny toerana sarotra aleha i Davida, ka nipetraka teny amin’ny faritra be tendrombohitra, tany an-tany efitr’i Zifa.+ Ary nitady azy foana i Saoly,+ nefa tsy natolotr’Andriamanitra teo an-tanany izy.+ 15  Ary natahotra i Davida, tao Horesa+ tany an-tany efitr’i Zifa, satria nivoaka hifofo ny ainy i Saoly. 16  Ary nankany amin’i Davida tao Horesa i Jonatana zanak’i Saoly, mba hanamafy ny fatokisan’i Davida an’Andriamanitra.+ 17  Hoy koa izy taminy: “Aza matahotra+ fa tsy hahatratra anao ny tanan’i Saoly raiko. Ianao no ho mpanjakan’ny Israely,+ ary izaho no hanarakaraka anao. Ary mahafantatra izany koa i Saoly raiko.”+ 18  Dia nanao fifanekena+ teo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy. Ary mbola nitoetra tao Horesa i Davida, fa i Jonatana kosa lasa nody. 19  Tatỳ aoriana, dia niakatra nankany amin’i Saoly tao Gibea+ ny lehilahy tao Zifa,+ ka nanao hoe: “Tsy fantatrao angaha fa miafina any akaikinay i Davida,+ eny amin’ny toerana sarotra aleha ao Horesa,+ eny amin’ny havoanan’i Hakila,+ izay eo ankavanan’i Jesimona?+ 20  Ianao rahateo efa te hidina mafy,+ ry mpanjaka, koa midìna fa anjaranay ny manolotra azy eo an-tanan’ny mpanjaka.”+ 21  Dia hoy i Saoly: “Tena tahin’i Jehovah mihitsy ianareo,+ satria mangoraka ahy. 22  Koa mandehana, azafady, ary tohizo ihany izay efa ataonareo. Fantaro ka zahao izay toerana alehany sy izay olona efa nahita azy tany, fa tena fetsy+ tokoa, hono, ilehiny. 23  Zahao ka fantaro daholo izay toeram-piafenany, ary mitondrà porofo miverina atỳ amiko, dia hiaraka aminareo aho. Fa raha eto amin’ity tany ity izy, dia hataoko sava hao ny arivon’i+ Joda rehetra mba hahitako azy.” 24  Koa lasa nankany Zifa+ hialoha an’i Saoly izy ireo. I Davida sy ny olony kosa tany an-tany efitr’i Maona+ any Araba,+ eo atsimon’i Jesimona. 25  Ary tonga mba hitady azy i Saoly sy ny olony.+ Rehefa nisy nilaza izany tamin’i Davida, dia nidina avy hatrany nankeny amin’ny harambato+ izy ka nijanona tany an-tany efitr’i Maona. Nony ren’i Saoly izany, dia nanenjika+ azy tany an-tany efitr’i Maona izy. 26  Farany, dia tonga teo amin’ny andaniny iray tamin’ny tendrombohitra i Saoly, fa i Davida sy ny olony kosa teo amin’ny ankilany. Koa niala teo haingana+ i Davida, noho ny amin’i Saoly. Ary nihananatona an’i Davida sy ny olony i Saoly sy ny olony, mba hisambotra azy.+ 27  Nisy iraka anefa tonga nilaza tamin’i Saoly hoe: “Andao haingana fa manafika ny tanintsika ny Filistinina!” 28  Dia niverina i Saoly fa tsy nanenjika an’i Davida+ indray, ka lasa nifanandrina tamin’ny Filistinina. Izany no antony niantsoana an’ilay toerana hoe Harambaton’ny Fisarahana. 29  Ary niala teo i Davida ka niakatra teny amin’ny toerana sarotra aleha tany En-jedy,+ ary nitoetra tany.

Fanamarihana

Na: “ireo manana tany eto.”