1 Samoela 29:1-11
29 Ary namory ny tobiny rehetra tao Afeka ny Filistinina,+ fa ny Israelita kosa nitoby teo akaikin’ilay loharano tao Jezirela.+
2 Dia nandroso niaraka tamin’ireo andia-miaramila ny andriana mpiray dinan’ny+ Filistinina, ary nisy miaramila zato na arivo ny andiany tsirairay. Nandroso koa avy eo i Davida sy ny olony, niaraka tamin’i Akisy.+
3 Ary hoy ireo andrianan’ny Filistinina: “Fa ahoana koa ireto Hebreo+ ireto?” Dia hoy i Akisy: “Angaha moa tsy io no Davida, mpanompon’i Saoly mpanjakan’ny Israely? Efa teto amiko herintaona na roa taona izy izao,+ ary tsy hitako+ izay tsininy hatramin’ny andro nitsoahany ho atỳ amiko ka mandraka androany.”
4 Koa tezitra taminy ireo andrianan’ny Filistinina ka niteny hoe: “Asaivo miverina+ any amin’ny toerana nanendrenao azy ilehio, fa aza avela hiara-midina amintsika ho any an’ady, sao izy ho lasa mpanohitra+ antsika any. Ary amin’inona moa no hahazoan’ilehio sitraka amin’ny tompony? Tsy amin’ny fanolorana ny lohan’ireto olontsika ireto ihany ve?
5 Tsy io ve no Davida, ary tsy noho izy ve no nahatonga ny olona handihy sy hanao hira mifamaly hoe: ‘I Saoly nahafaty arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty alinalina’?”+
6 Koa niantso an’i Davida i Akisy+ ka niteny taminy hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia olona mahitsy ianao, ary faly aho fa niaraka tamiko niantafika ianao.+ Fa tsy nahita faharatsiana teo aminao aho hatramin’ny andro nahatongavanao tatỳ amiko ka mandraka androany.+ Tsy sitrak’ireo andriana mpiray dina+ anefa ianao.
7 Koa miverena soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao zava-dratsy eo imason’ny andriana mpiray dinan’ny Filistinina.”
8 Hoy anefa i Davida tamin’i Akisy: “Fa inona no nataoko,+ ary inona no hitanao tamin’ny mpanomponao hatramin’ny andro nahatongavako teo anatrehanao ka mandraka androany,+ no tsy mahazo mandeha miady amin’ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko aho?”
9 Dia hoy ny navalin’i Akisy: “Fantatro tokoa fa tsara teo imasoko sahala amin’ny anjelin’Andriamanitra ianao,+ saingy ireo andrianan’ny Filistinina no niteny hoe: ‘Aoka izy tsy hiara-miakatra amintsika ho any an’ady.’
10 Koa mifohaza maraina ianao sy ny mpanompon’ny tomponao izay niaraka taminao, eny, mifohaza raha vao mangiran-dratsy, ka mandehana.”+
11 Koa nifoha maraina i Davida sy ny olony, mba handeha maraina+ hiverina tany amin’ny tanin’ny Filistinina. Ary ny Filistinina kosa niakatra nankany Jezirela.+