1 Samoela 9:1-27
9 Ary nisy lehilahy benjaminita iray atao hoe Kisy,+ zanak’i Abiela, zanak’i Zerora, zanak’i Bekorata, zanak’i Afia, Benjaminita.+ Mpanankarem-be+ ralehilahy.
2 Nanan-janakalahy atao hoe Saoly+ izy. Mbola tanora i Saoly sady tsara tarehy, ka tsy nisy lehilahy tsara tarehy noho izy teo amin’ny zanak’Israely. Lava be koa izy, ka tsy nisy nihoatra ny sorony ny halavan’ny olona rehetra.+
3 Ary very ireo ampondravavin’i+ Kisy rain’i Saoly, ka hoy izy tamin’i Saoly zanany: “Mitondrà re mpanompo iray miaraka aminao, ka mandehana mitady an’ireo ampondra.”
4 Dia lasa izy nitety ny faritra be tendrombohitr’i Efraima+ sy ny faritr’i Salisa,+ nefa tsy nahita an’ireo ampondra. Ary nitety ny faritr’i Salima izy ireo, nefa tsy tany koa ireo ampondra. Nitety ny tanin’ny Benjaminita koa izy, fa tsy nahita.
5 Ary tonga tany Zofa izy ireo. Dia hoy i Saoly tamin’ilay mpanompo niaraka taminy: “Andao isika hiverina, sao dia tsy ny ampondra intsony no hoeritreretin’ny raiko, fa isika indray no tena hampanahy azy.”+
6 Hoy anefa ilay mpanompo: “Azafady, tompoko, fa misy lehilahin’Andriamanitra+ ao amin’irỳ tanàna irỳ. Hajain’ny olona izy, ary tanteraka avokoa izay lazainy.+ Andao ho eny, fa angamba izy afaka milaza amintsika izay lalana tokony halehantsika.”
7 Dia hoy i Saoly taminy: “Inona anefa no hoentintsika any amin-dralehilahy, raha mankeny isika?+ Efa lany mantsy ny mofo tao anaty harona, ka tsy misy na inona na inona hoentina ho fanomezana+ ho an’ilay lehilahin’Andriamanitra. Sa mbola misy inona atỳ amintsika?”
8 Dia namaly indray ilay mpanompo hoe: “Misy ampahefatry ny sekely+ volafotsy atỳ amiko. Homeko an’ilay lehilahin’Andriamanitra izany, dia holazainy amintsika izay lalana tokony halehantsika.”
9 —Toy izao no lazain’ny olona teo amin’ny Israely taloha, rehefa handeha hitady an’Andriamanitra: “Andao ho any amin’ny mpahita.”+ Mpahita mantsy taloha no fiantsoana ny mpaminany.—
10 Koa hoy i Saoly tamin’ilay mpanompony: “Marina ny teninao,+ fa andao ho eny.” Dia nankeny amin’ny tanàna nisy an’ilay lehilahin’Andriamanitra izy ireo.
11 Nony niakatra ny fiakarana nankao an-tanàna izy ireo, dia nahita ankizivavy nivoaka hantsaka,+ ka niteny hoe: “Ao ve ny mpahita?”+
12 Dia hoy ireo: “Ao izy. Jereo fa ao alohanao ao izy. Mandehana haingana fa efa tonga eto an-tanàna izy izao. Misy fanaovana sorona+ ho an’ny olona mantsy eny amin’ny toerana avo+ anio.
13 Raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia hahita azy, alohan’ny hiakarany hisakafo eny amin’ny toerana avo. Tsy afaka misakafo mantsy ny olona mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana ny amin’ny sorona.+ Aorian’izay vao mahazo misakafo ireo nasaina. Koa miakara, fa izao dia izao izy no ho hitanareo.”
14 Dia niakatra tao an-tanàna izy ireo. Ary nony tonga teo afovoan-tanàna izy ireo, dia iny i Samoela fa nivoaka hitsena azy mba hiakatra teny amin’ny toerana avo.
15 Ny omalin’ny nahatongavan’i Saoly anefa, dia efa nanambara+ tamin’i Samoela i Jehovah hoe:
16 “Rahampitso tokotokony ho amin’ny ora toy izao, dia halefako atỳ aminao ny lehilahy iray avy any amin’ny tanin’i Benjamina.+ Koa hosory+ ho mpitarika ny Israely oloko izy. Hamonjy ny oloko eo an-tanan’ny Filistinina izy,+ satria efa hitako ny fahorian’ny oloko ary efa tonga atỳ amiko ny fitarainany.”+
17 Dia nahita an’i Saoly i Samoela, ary i Jehovah niteny taminy hoe: “Io ilay lehilahy nolazaiko taminao hoe: ‘Izy no hifehy ny oloko.’”+
18 Ary nanatona an’i Samoela teo am-bavahady i Saoly, ka niteny hoe: “Mba atoroy ahy kely ny tranon’ny mpahita.”
19 Koa hoy i Samoela: “Izaho ilay mpahita. Miakara eo alohako ho eny amin’ny toerana avo, fa hiara-misakafo amiko ianareo anio.+ Dia halefako ianao rahampitso maraina, ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.+
20 Aza manahy+ kosa ny amin’ny ampondranao very efa telo andro izay,+ fa efa hita ireny. Ary an’iza moa ny zava-tsarobidy rehetra eo amin’ny Israely?+ Tsy anao sy ny ankohonan-drainao manontolo ve?”
21 Dia hoy i Saoly: “Tsy Benjaminita avy amin’ny foko kely indrindran’ny Israely ve aho?+ Ary tsy ny fianakaviako ve no tsy manan-danja indrindra amin’ny fianakaviana rehetran’ny fokon’i Benjamina?+ Koa nahoana ianao no miteny toy izany amiko?”+
22 Ary nalain’i Samoela i Saoly sy ny mpanompony, dia nentiny tao amin’ny efitra fisakafoana ka nomeny ny toerana mihaja indrindra+ teo amin’izay nasaina. Tokony ho telopolo lahy izy ireo no tao.
23 Ary hoy i Samoela tamin’ny mpahandro nony avy eo: “Omeo atỳ ilay hena nomeko anao, izay efa nasaiko natokanao.”
24 Koa nalain’ny mpahandro ilay feny sy ny hena niaraka taminy, ka nataony teo anoloan’i Saoly. Ary hoy i Samoela: “Io ilay natokana, ka ataovy eo anoloanao ary hano, fa ho amin’ity fotoana voatondro ity no nanokanana azy io ho anao, mba hiara-misakafo amin’izay nasaina ianao.” Koa niara-nisakafo tamin’i Samoela i Saoly tamin’iny andro iny.
25 Niala teo amin’ilay toerana avo+ izy ireo avy eo, ka nidina nankeny an-tanàna. Ary mbola niresaka tamin’i Saoly teo an-tampon-trano+ i Samoela.
26 Ary nifoha maraina izy ireo. Koa raha vao nazava ratsy ny andro, dia niantso an’i Saoly teo an-tampon-trano i Samoela, nanao hoe: “Mitsangàna, fa halefako hody ianao.” Dia nitsangana i Saoly, ary nivoaka ny trano izy sy Samoela.
27 Nony nidina nanaraka ny sisin’ny tanàna izy ireo, dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: “Asaivo mialoha antsika ilay mpanompo,+ fa ianao kosa mijanòna mba hilazako ny tenin’Andriamanitra.” Koa lasa ilay mpanompo.