1 Tantara 12:1-40

12  Ireto avy no tonga tany amin’i Davida tany Ziklaga,+ fony izy mbola tsy afaka nivezivezy noho ny amin’i Saoly+ zanak’i Kisy. Anisan’ny lehilahy mahery+ izy ireo, ary nanampy azy tamin’ny ady,  ka mpandefa zana-tsipìka, izay sady kavanana no kavia+ rehefa mampiasa pilotra+ sy mandefa zana-tsipìka.+ Rahalahin’i Saoly izy ireo, izany hoe, Benjaminita.  Teo koa i Ahiezera lehiben’ny tafika, sy Joasy izay samy zanak’i Sema Gibeatita,+ Jeziela sy Peleta zanak’i Azmaveta,+ Beraka, Jeho Anatotita,+  Jismaia Gibeonita,+ izay lehilahy mahery anisan’ny telopolo lahy+ sady lehiben’izy ireo, Jeremia, Jahaziela, Johanana, Jozabada Gaderatita,+  Elozay, Jerimota, Bealia, Semaria, Sefatia Harifita,  Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama, izay samy Korahita,+  Joela sy Zebadia zanak’i Jerohama avy any Gedora.  Ary nisy Gadita niala an-daharana mba hiandany tamin’i Davida, izay tao amin’ilay toerana sarotra aleha tany an-tany efitra.+ Lehilahy matanjaka sy mahery fo izy ireo, ary miaramila zatra ady, ary efa vonona foana hampiasa ampinga lehibe sy lefona.+ Toy ny liona+ no fahitana ny endriny ary haingam-pandeha toy ny gazela eny an-tendrombohitra izy.+  I Ezera no lehibeny, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo, 10  Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy, 11  Atahy no fahenina, Eliela no fahafito, 12  Johanana no fahavalo, Elzabada no fahasivy, 13  Jeremia no fahafolo ary Makbanay no fahiraika ambin’ny folo. 14  Ireo no taranak’i Gada,+ sady lehiben’ny tafika. Ny kely indrindra aminy naharesy miaramila zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.+ 15  Ireo no niampita an’i Jordana+ tamin’ny volana voalohany. Tondraka be izy io tamin’izay, ka difotra ny morony rehetra.+ Dia noroahin’izy ireo ny mponina rehetra teny amin’ny lemaka iva, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana. 16  Ary nisy tamin’ny taranak’i Benjamina sy Joda nankany amin’i Davida tao amin’ilay toerana sarotra aleha.+ 17  Dia nivoaka nankeny amin’izy ireo i Davida, ka nanao hoe: “Raha fihavanana+ no ahatongavanareo atỳ amiko mba hanampy ahy, dia hiray fo aminareo aho.+ Fa raha hamadika ahy amin’ny fahavaloko kosa, nefa tsy misy fahadisoako akory,+ dia aoka ilay Andriamanitry+ ny razantsika no hijery sy hitsara izany.”+ 18  Ary ny fanahin’Andriamanitra+ dia tonga tamin’i* Amasay, lehiben’ny telopolo lahy. Koa hoy i Amasay: “Anao izahay, ry Davida ô, ary momba anao izahay,+ ry zanak’i Jese ô!Fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho an’izay manampy anao!Fa ilay Andriamanitrao no efa nanampy anao.”+ Koa noraisin’i Davida izy ireo, ary notendreny ho anisan’ny lehiben’ny andia-miaramila.+ 19  Ary nisy tamin’ny taranak’i Manase nivadika tamin’i Saoly ka nankany amin’i Davida, fony izy niaraka tamin’ny Filistinina+ mba hiady tamin’i Saoly. Tsy nanampy an’ireo Filistinina anefa izy, satria nandroaka azy ny andriana mpiray dinan’ny+ Filistinina rehefa avy nikaon-doha, ka nanao hoe: “Hivadihan’io isika ka hiandany amin’i Saoly tompony izy, dia ny aintsika no hanefa!”+ 20  Koa rehefa nankany Ziklaga+ i Davida, dia nisy tamin’ny taranak’i Manase nivadika tamin’i Saoly ka niaraka taminy. Ireto avy izany: Adna, Jozabada, Jediaela, Mikaela, Jozabada, Eliho ary Ziletahy, izay samy mpifehy+ ny arivo, ary avy amin’ny fokon’i Manase. 21  Ary nanampy an’i Davida hiady tamin’ny mpandroba izy ireo,+ satria samy lehilahy matanjaka+ sy be herim-po, ka lasa lehiben’ny tafika. 22  Nisy olona tonga+ tany amin’i Davida isan’andro mba hanampy azy, ka lasa toby lehibe+ toy ny tobin’Andriamanitra+ izy ireo tamin’ny farany. 23  Ireto avy ny isan’ny lehiben’ireo vonona hiantafika, ka tonga tany amin’i Davida tao Hebrona+ mba hamindra ny fanjakan’i+ Saoly ho amin’i Davida, araka ny didin’i Jehovah.+ 24  Ny taranak’i Joda izay nitondra ampinga lehibe sy lefona dia valonjato sy enina arivo, samy vonona hiantafika. 25  Ny avy amin’ny taranak’i Simeona dia lehilahy matanjaka sy be herim-po zato sy fito arivo. 26  Ny avy amin’ny taranak’i Levy dia eninjato sy efatra arivo. 27  Ary i Joiada no mpitarika+ ny taranak’i Arona,+ ary nisy fitonjato sy telo arivo niaraka taminy. 28  I Zadoka,+ tovolahy matanjaka sy be herim-po, sy ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, dia roa amby roapolo, ary samy lehiben’ny tafika izy ireo. 29  Ny avy amin’ny taranak’i Benjamina,+ izany hoe ireo rahalahin’i Saoly,+ dia telo arivo. Niambina tsara ny tranon’i Saoly ny ankamaroan’ireo, talohan’izay. 30  Ny avy amin’ny taranak’i Efraima dia valonjato sy roa alina, lehilahy matanjaka+ sy be herim-po sady olo-malaza, samy araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy. 31  Ary avy amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase+ dia nisy valo arivo sy iray alina no voatonona anarana mba ho tonga hanao an’i Davida ho mpanjaka. 32  Avy amin’ny taranak’i Isakara+ dia nisy roanjato lahy lehiben’ny tafika, mbamin’ny rahalahiny rehetra teo ambany fifehezany. Nahay namantatra ny fotoana+ mety izy ireo, ka nahalala izay tokony hataon’ny+ Israely. 33  Avy amin’ny fokon’i Zebolona+ dia nisy dimy alina ny lehilahy nivoaka hiantafika, ka nilahatra toy ny tafika sady nitondra ny fiadiany rehetra. Ary tsy voazarazara mihitsy ny fon’izy ireo rehefa nivory teo amin’i Davida izy ireo. 34  Avy amin’ny fokon’i Naftaly+ dia nisy arivo lahy lehiben’ny tafika, ary nisy koa fito arivo sy telo alina nitondra ampinga lehibe sy lefona. 35  Avy amin’ny Danita dia nisy eninjato sy valo arivo sy roa alina izay nilahatra toy ny tafika. 36  Ary avy amin’ny fokon’i Asera+ dia efatra alina no nivoaka hiantafika ka nilahatra toy ny tafika. 37  Ary izay tany ampitan’i Jordana,+ izany hoe avy amin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia roa alina sy iray hetsy izay nitondra ny fiadiana rehetra nananan’ny tafika. 38  Lehilahy mpiady daholo ireo nivory sy nilahatra toy ny tafika ireo. Tonga tao Hebrona tamin’ny fony manontolo+ izy ireo, mba hanao an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely rehetra. Ary niray hina hanao an’i Davida ho mpanjaka ny sisa tamin’ny Israely.+ 39  Dia nijanona telo andro tany amin’i Davida izy ireo, ary nihinana sy nisotro,+ satria efa nikarakara izany ny rahalahin’izy ireo. 40  Ary izay teny akaikin’izy ireo sy izay hatrany amin’ny fokon’i Isakara+ sy Zebolona+ ary Naftaly,+ dia nitondra sakafo be dia be teo ambony ampondra+ sy rameva sy ramole ary omby, ka izao avy izany: Sakafo vita tamin’ny lafarinina,+ mofo vita tamin’ny aviavy noporetina,+ mofo vita tamin’ny voaloboka maina,+ divay+ ary menaka.+ Nitondra omby+ aman’ondry+ be dia be koa izy ireo. Faly dia faly+ mantsy ny Israely.

Fanamarihana

Na: “nandrakotra an’i.”