1 Tantara 13:1-14

13  Ary i Davida niara-nidinika tamin’ny lehiben’ny arivo sy ny lehiben’ny zato ary ny mpitarika rehetra.+  Dia hoy i Davida tamin’ny fiangonan’Israely manontolo: “Raha mety aminareo sy eken’i Jehovah Andriamanitsika, dia andao isika haniraka olona hiantso ny rahalahintsika mbola tavela manerana ny tanin’ny Israely,+ sy ny mpisorona+ ary ny Levita+ any amin’ny tanànany+ sy ny kijanany, mba hivorian’izy ireo atỳ amintsika.  Ary andao hoentina atỳ amintsika ny Vata masin’Andriamanitsika.”+ Fa tsy nisy niraharaha izy io tamin’ny andron’i Saoly.+  Dia nasain’ny fiangonana manontolo natao izany, satria hitan’ny olona rehetra fa tsara ilay hevitra.+  Koa novorin’i+ Davida ny Israely rehetra, hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta+ ka hatrany amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata,+ mba haka ny Vata masin’Andriamanitra+ any Kiriata-jearima.+  Dia niakatra nankany Bala,+ na Kiriata-jearima any Joda, i Davida sy ny Israely rehetra mba haka ny Vata masin’i Jehovah Andriamanitra, izay mipetraka eo amin’ny kerobima,+ dia eo amin’izay iantsoana ny anarany.  Nataon’izy ireo teo ambony sarety vaovao+ anefa ilay Vata masin’Andriamanitra, avy tao an-tranon’i Abinadaba. Ary i Oza sy Ahio+ no nitondra an’ilay sarety.  Ary nankalaza+ izany fotoana izany teo anatrehan’Andriamanitra i Davida sy ny Israely rehetra, ka nanao izany araka izay tratry ny heriny sady nihira+ niaraka tamin’ny harpa+ sy lokanga+ sy ampongatapaka+ sy kipantsona ary trompetra.+  Dia tonga teo amin’ny famoloan’i Kidona+ izy ireo. Ary nanatsotra ny tanany hihazona an’ilay Vata i Oza,+ satria saika nazeran’ny omby ilay izy. 10  Koa nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’i Jehovah, dia novonoiny izy satria nanatsotra ny tanany ka nihazona an’ilay Vata.+ Dia maty teo izy, teo anatrehan’Andriamanitra.+ 11  Ary tezitra+ i Davida noho ny fipoahan’ny fahatezeran’i Jehovah tamin’i Oza. Dia nantsoina hoe Pereza-oza io toerana io mandraka androany. 12  Ary natahotra an’ilay tena Andriamanitra i Davida tamin’iny andro iny,+ ka nilaza hoe: “Ataoko ahoana ny hitondra ny Vata masin’Andriamanitra ho any amiko?”+ 13  Koa tsy nafindran’i Davida ho any aminy, any amin’ny Tanànan’i Davida, ilay Vata, fa naviliny nankany an-tranon’i Obeda-edoma+ Gatita.+ 14  Ary nipetraka telo volana tao amin’ny ankohonan’i Obeda-edoma tao an-tranony,+ ny Vata masin’Andriamanitra. Dia notahin’i+ Jehovah foana ny ankohonan’i Obeda-edoma sy izay rehetra azy.

Fanamarihana