1 Tantara 14:1-17

14  Ary nandefa iraka ho any amin’i Davida i Hirama+ mpanjakan’i Tyro,+ sady nandefa hazo sedera+ sy mpanorina rindrina ary mpandrafitra, mba hanorina trano ho azy.+  Ary fantatr’i Davida fa efa nampitoetra+ azy ho mpanjakan’ny Israely i Jehovah, satria nasandratra ho avo ny fanjakany, noho ny amin’ny Israely olony.+  Ary naka vady hafa+ koa i Davida tao Jerosalema, ka mbola niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa.+  Ireto avy ny anaran’ireo zaza naterany tany Jerosalema: Samoa+ sy Sobaba,+ Natana+ sy Solomona,+  sy Jibara,+ Elisoa, Elipeleta,+  Noga, Nafega,+ Jafia,  Elisama,+ Beliada ary Elifeleta.+  Rehefa ren’ny Filistinina fa nohosorana ho mpanjakan’ny Israely rehetra i Davida,+ dia niakatra hitady an’i Davida izy rehetra.+ Ren’i Davida izany, ka nivoaka hiady tamin’izy ireo izy.  Ary tonga nanafika teo amin’ny lemaka ivan’ny Refaima ny Filistinina.+ 10  Dia nanontany an’Andriamanitra+ i Davida hoe: “Hiakatra hamely ny Filistinina ve aho? Hatolotrao eo an-tanako ve izy ireo?” Ary hoy i Jehovah taminy: “Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa izy ireo.” 11  Koa niakatra nankany Bala-perazima+ i Davida, ka novonoiny tany izy ireo. Ary hoy i Davida: “Andriamanitra efa nampiasa ny tanako, ka namaky ny laharan’ny fahavaloko sahala amin’ny rano mamaky fefiloha.” Koa natao hoe Bala-perazima ny anaran’io toerana+ io. 12  Ary navelan’ny Filistinina teo ny sampiny.+ Koa nodorana ireny,+ araka ny baikon’i Davida. 13  Nanafika teo amin’ny lemaka iva indray ny Filistinina tatỳ aoriana.+ 14  Koa nanontany+ an’Andriamanitra indray i Davida, ka hoy Andriamanitra: “Aza miakatra manaraka azy ary aza manitsy mamely azy, fa mandehana mihodidina ka tsenao tandrifin’ireo hazo bakà izy.+ 15  Ary rehefa mandre figadongadona eny an-tendron’ireo hazo bakà ianao,+ dia mivoaha hiady+ satria ho efa nivoaka hialoha anao Andriamanitra,+ mba hamely ny tobin’ny Filistinina.” 16  Koa nanao araka izay nandidian’Andriamanitra azy i Davida.+ Dia nasian’izy ireo ny tobin’ny Filistinina, hatrany Gibeona+ ka hatrany Gazera.+ 17  Dia niely nanerana ny tany ny lazan’i Davida,+ ary nataon’i Jehovah natahotra azy ny firenena rehetra.+

Fanamarihana