1 Tantara 19:1-19

19  Tatỳ aoriana, dia maty i Nahasy+ mpanjakan’ny taranak’i Amona, ary ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.+  Dia hoy i Davida: “Haneho hatsaram-panahy feno fitiavana+ amin’i Hanona zanak’i Nahasy aho, satria naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamiko ny rainy.”+ Koa nandefa iraka i Davida, mba hampiononana azy noho ny nahafatesan-drainy. Ary tonga hampionona an’i Hanona, tany amin’ny tanin’ny taranak’i Amona,+ ny mpanompon’i Davida.  Hoy anefa ny andrianan’ny taranak’i Amona tamin’i Hanona: “Heverinao ve fa ny hanome voninahitra an-drainao no nanirahan’i Davida mpampionona ho atỳ aminao? Moa ve tsy ny hamantatra+ ny tany sy hijery taratra ny zava-drehetra ao ary handrava azy, no nahatongavan’ny mpanompony atỳ?”+  Koa nosamborin’i Hanona ny mpanompon’i Davida+ ka noharatany,+ ary notapahiny roa hatreo amin’ny fitombenany+ ny akanjony, dia nalefany izy ireo.+  Ary nisy nandeha nilaza tamin’i Davida izay nanjo an’ireo lehilahy ireo. Koa avy hatrany izy dia naniraka olona hitsena an’ireo. Nalam-baraka loatra mantsy izy ireo. Ary hoy ny mpanjaka: “Mijanòna any Jeriko,+ ka rehefa maniry tsara ny volombavanareo vao modia.”  Dia hitan’ny taranak’i Amona fa nanjary halan’i+ Davida izy ireo. Koa nandefa talenta volafotsy+ arivo i Hanona+ sy ny taranak’i Amona, mba hanakaramana kalesin’ady+ sy mpitaingin-tsoavaly avy any Mezopotamia sy Arama-maka+ ary Zoba.+  Dia nanofa kalesin’ady+ roa arivo sy telo alina izy ireo, ary nokaramainy koa ny mpanjakan’i Maka sy ny vahoakany.+ Koa tonga izy ireo, ka nitoby tandrifin’i Medeba.+ Ary ny taranak’i Amona nifamory avy any an-tanànany, ka tonga hiady.  Nony ren’i Davida izany, dia nirahiny avy hatrany i Joaba+ sy ny tafika manontolo nisy lehilahy mahery.+  Ary nivoaka ny taranak’i Amona ka samy naka ny toerany avy ny miaramila, teo amin’ny fidirana amin’ny tanàna. Nitokana teny an-tsaha kosa ireo mpanjaka+ tonga hanampy. 10  Raha vao hitan’i Joaba fa avy any alohany sy avy any aoriany ny fanafihana, dia nifidy tamin’ny lehilahy voafantina teo amin’ny Israely izy, ka nasainy naka ny toerany avy izy ireo mba hifanandrina tamin’ny Syrianina.+ 11  Ny sisa kosa nankininy tamin’i Abisay+ rahalahiny, ka samy naka ny toerany avy mba hifanandrina tamin’ny taranak’i Amona.+ 12  Ary hoy izy: “Raha matanjaka loatra ny Syrianina+ ka tsy resiko, dia vonjeo aho.+ Fa raha matanjaka loatra kosa ny taranak’i Amona ka tsy resinao, dia hamonjy anao aho.+ 13  Mahereza,+ ary aoka isika ho be herim-po ho an’ny vahoakantsika sy ny tanànan’ilay Andriamanitsika.+ Ary i Jehovah hanao izay tsara eo imasony.”+ 14  Koa nandroso teo anoloan’ny Syrianina i Joaba sy ny olona niaraka taminy mba hiady.+ Dia nandositra+ teo anoloan’izy ireo ny Syrianina. 15  Nony hitan’ny taranak’i Amona fa nandositra ny Syrianina, dia nandositra+ teo anoloan’i Abisay rahalahin’i Joaba koa izy ireo, ka niditra tao an-tanàna.+ Ary niverina tany Jerosalema i Joaba avy eo. 16  Rehefa hitan’ny Syrianina fa resy+ teo anoloan’ny Israely izy ireo, dia nandefa iraka izy ireo haka ny Syrianina tany amin’ny faritry ny Renirano.+ Ary i Sofàka lehiben’ny tafik’i Hadadezera no nitarika azy ireo. 17  Raha vao nolazaina tamin’i Davida izany, dia nangoniny ny Israely rehetra. Dia niampita ny Reniranon’i Jordana izy ireo ka tonga tany amin’ny Syrianina. Ary samy naka ny toerany avy ny miaramilany mba hiady tamin’ny Syrianina.+ Ary rehefa samy naka toerana ry Davida, dia niady taminy ireo. 18  Kanjo nandositra+ teo anoloan’ny Israely ny Syrianina. Ary mpitondra kalesy fito arivo, sy lehilahy efatra alina nandeha an-tongotra, no matin’i Davida teo amin’izy ireo. Novonoiny ho faty koa i Sofàka lehiben’ny tafika.+ 19  Rehefa hitan’ny mpanompon’i Hadadezera fa resy teo anoloan’ny Israely izy ireo,+ dia nihavana avy hatrany tamin’i Davida izy ireo, ka nanompo azy.+ Ary tsy te hamonjy ny taranak’i Amona intsony i Syria.+

Fanamarihana