1 Tantara 2:1-55

2  Ireto avy ny zanakalahin’i Israely:+ Robena,+ Simeona,+ Levy,+ Joda,+ Isakara,+ Zebolona,+  Dana,+ Josefa,+ Benjamina,+ Naftaly,+ Gada,+ ary Asera.+  Ary ny zanakalahin’i Joda dia i Era+ sy Onana+ ary Sela.+ Ireo telo ireo no naterak’ilay zanakavavin’i Soa taminy. Ary Kananita io vadiny io. Ary i Era lahimatoan’i Joda dia nanjary ratsy teo imason’i Jehovah, ka novonoiny ho faty.+  Ary i Tamara+ vinantovavin’i Joda no niteraka an’i Pereza+ sy Zera taminy. Koa dimy lahy ny zanak’i Joda rehetra.  Ary ny zanakalahin’i Pereza dia i Hezrona sy Hamola.+  Ary ny zanakalahin’i Zera+ dia i Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara.+ Dimy izy rehetra.  Ary ny zanakalahin’i Karmy+ dia i Akara, ilay nahatonga loza tamin’ny Israely,+ ka nivadika tamin’Andriamanitra raha ny amin’ny zavatra voatokana haringana.+  Ary ny zanak’i Etana+ dia i Azaria.  Ary ny zanakalahin’i Hezrona+ izay naterany, dia i Jeramela+ sy Rama+ ary Kelobay. 10  Ary i Rama niteraka an’i Aminadaba;+ Aminadaba niteraka an’i Nasona,+ ilay mpiadidy teo amin’ny taranak’i Joda; 11  Nasona niteraka an’i Salma;+ Salma niteraka an’i Boaza;+ 12  Boaza niteraka an’i Obeda;+ Obeda niteraka an’i Jese;+ 13  Jese niteraka an’i Eliaba+ lahimatoany, Abinadaba+ ny lahy faharoa, Simea+ ny fahatelo, 14  Netanela ny fahefatra, Raday ny fahadimy, 15  Ozema ny fahenina, ary Davida+ ny fahafito. 16  Ary i Zeroia sy Abigaila+ no anabavin’izy ireo. Ary telo ny zanakalahin’i Zeroia: Abisay,+ Joaba,+ ary Asahela.+ 17  Ary i Abigaila niteraka an’i Amasa,+ ka i Jatera+ Ismaelita no rain’i Amasa. 18  Ary niteraka zanakalahy tamin’i Azoba vadiny sy tamin’i Jeriota, i Kaleba zanakalahin’i Hezrona,+ ka ireto avy ny zanany: Jasera, Sobaba, ary Ardona. 19  Ary maty i Azoba. Koa nalain’i Kaleba ho vadiny i Efrata,+ izay niteraka an’i Hora+ taminy. 20  Ary i Hora niteraka an’i Ory,+ ary i Ory niteraka an’i Bezalila.+ 21  Ary i Hezrona nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’i Makira+ rain’i Gileada.+ Enimpolo taona izy tamin’izy naka an-dravehivavy ho vadiny, izay niteraka an’i Segoba taminy. 22  Ary i Segoba niteraka an’i Jaira,+ izay nanjary nanana tanàna telo amby roapolo+ tany Gileada. 23  Ary nalain’i Gesora+ sy Syria+ tamin’izy ireo i Havota-jaira,+ ary koa Kenata+ mbamin’ireo tanàna niankina taminy, dia tanàna enimpolo. Ireo rehetra ireo no taranak’i Makira rain’i Gileada. 24  Ary rehefa maty tany Kaleba-efrata i Hezrona,+ dia niteraka an’i Asora i Abia vadiny. Ary i Asora no rain’i Tekoa.+ 25  Ary ny zanakalahin’i Jeramela+ lahimatoan’i Hezrona, dia i Rama+ lahimatoany sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia. 26  Ary i Jeramela nanana vady hafa: Atara no anarany, ary izy no renin’i Onama. 27  Ary ny zanakalahin’i Rama+ lahimatoan’i Jeramela, dia i Maza sy Jamina ary Ekera. 28  Ary ny zanakalahin’i Onama+ dia i Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin’i Samay dia i Nadaba sy Abisora. 29  Ary ny anaran’ny vadin’i Abisora dia Abihaila, izay niteraka an’i Abana sy Molida taminy. 30  Ary ny zanakalahin’i Nadaba+ dia i Saleda sy Apaima. Maty tsy niteraka anefa i Saleda. 31  Ary ny zanakalahin’i Apaima dia i Jisy. Ary ny zanakalahin’i Jisy dia i Sesana.+ Ary ny zanak’i Sesana dia i Ahelay. 32  Ary ny zanakalahin’i Jada rahalahin’i Samay dia i Jatera sy Jonatana. Maty tsy niteraka anefa i Jatera. 33  Ary ny zanakalahin’i Jonatana dia i Peleta sy Zaza. Ireo no taranak’i Jeramela. 34  Ary tsy nanana zanakalahy i Sesana,+ fa vavy avokoa. Ary nanana mpanompo ejipsianina+ atao hoe Jara izy. 35  Koa nomen’i Sesana ho vadin’i Jara mpanompony ny zanany vavy, izay niteraka an’i Atahy tamin’izy io. 36  Ary i Atahy niteraka an’i Natana, ary i Natana niteraka an’i Zabada.+ 37  Ary i Zabada niteraka an’i Eflala, ary i Eflala niteraka an’i Obeda. 38  Ary i Obeda niteraka an’i Jeho, ary i Jeho niteraka an’i Azaria. 39  Ary i Azaria niteraka an’i Heleza, ary i Heleza niteraka an’i Elasa. 40  Ary i Elasa niteraka an’i Sismay, ary i Sismay niteraka an’i Saloma. 41  Ary i Saloma niteraka an’i Jekamia, ary i Jekamia niteraka an’i Elisama. 42  Ary ny zanakalahin’i Kaleba+ rahalahin’i Jeramela, dia i Mesa lahimatoany izay rain’i Zifa. Ary teo koa ireo zanak’i Maresa rain’i Hebrona. 43  Ary ny zanakalahin’i Hebrona dia i Kora sy Tapoa sy Rekema ary Sema. 44  Ary i Sema niteraka an’i Rahama rain’i Jorkeama. Ary i Rekema niteraka an’i Samay. 45  Ary ny zanakalahin’i Samay dia i Maona, ary i Maona no rain’i Beti-zora.+ 46  Ary i Efaha vadikelin’i Kaleba niteraka an’i Harana sy Moza ary Gazeza. Ary i Harana niteraka an’i Gazeza. 47  Ary ny zanakalahin’i Jeday dia i Ragema sy Jotama sy Gesana sy Peleta sy Efaha ary Safa. 48  Ary i Maka vadikelin’i Kaleba niteraka an’i Sabera sy Tirana. 49  Ary izy koa niteraka an’i Safa rain’i Madmana,+ mbamin’i Seva rain’i Makbena sy Gibea.+ Ary i Aksa+ no zanakavavin’i Kaleba.+ 50  Ireo no taranak’i Kaleba. Ary ireto avy ny zanakalahin’i Hora+ lahimatoan’i Efrata:+ Sobala+ rain’i Kiriata-jearima,+ 51  Salma rain’i Betlehema,+ ary Harefa rain’i Beti-gadera. 52  Ary ireto avy ny taranak’i Sobala+ rain’i Kiriata-jearima: Haroe sy ny antsasaky ny Menokota. 53  Ary ny fianakaviana tao Kiriata-jearima dia ny Jitrita+ sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraita. Avy tamin’ireo no niavian’ny Zoraita+ sy ny Estaolita.+ 54  Ary ny zanakalahin’i Salma dia i Betlehema+ sy ny Netofatita,+ sy i Atrota-beti-joaba sy ny antsasaky ny Manahatita ary ny Zorita. 55  Ary ny fianakavian’ny mpitan-tsoratra nonina tao Jabeza,+ dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita+ avy tamin’i Hamata razamben’ny taranak’i Rekaba.+

Fanamarihana