1 Tantara 20:1-8

20  Tamin’ny fiandohan’ny taona,+ izany hoe tamin’ny fotoana fivoahan’ny mpanjaka hanafika,+ dia nitarika ny tafika+ i Joaba ka nandrava ny tanin’ny taranak’i Amona, sy tonga nanao fahirano an’i Raba.+ I Davida kosa nijanona tao Jerosalema. Dia notafihin’i+ Joaba i Raba ka noravany.  Ary nalain’i Davida ny satroboninahitra teny an-dohan’i Malkama.+ Nilanja talenta volamena iray ilay izy, sady nisy vatosoa. Dia natao teo amin’ny lohan’i Davida ilay izy. Ary be dia be ny zavatra azo babo navoakany avy tao amin’ilay tanàna.+  Navoakany koa ny olona tao, ka nampiasainy+ hanatsofa vato sy hiasa amin’ny fitaovana vy maranitra sy famaky.+ Izany no nataon’i Davida tamin’ny tanàna rehetran’ny taranak’i Amona. Farany, dia niverina nankany Jerosalema izy sy ny olona rehetra.  Taorian’izay, dia raikitra ny ady tamin’ny Filistinina,+ tao Gazera.+ Tamin’izay no namonoan’i Sibekay+ Hosatita an’i Sipay, izay anisan’ny teraky ny Refaima,+ ka resy ny Filistinina.  Ary raikitra indray ny ady tamin’ny Filistinina, ka novonoin’i Elanana+ zanak’i Jaira i Lamy rahalahin’i Goliata+ Gatita. Toy ny voditenon’ny mpanenona ny tahon-defon’i Lamy.+  Raikitra indray ny ady tao Gata,+ ary nisy lehilahy iray goavam-be+ tao. Enina avy ny rantsantanany sy ny rantsantongony, ka efatra amby roapolo+ ny fitambarany. Teraky ny Refaima+ koa izy.  Nihantsy ady+ tamin’ny Israely foana izy, ka novonoin’i Jonatana zanak’i Simea+ rahalahin’i Davida.  Ireo no teraky ny Refaima+ tany Gata,+ ary matin’ny+ tanan’i Davida sy ny mpanompony izy ireo.

Fanamarihana