1 Tantara 21:1-30

21  Ary nitsangana hahatonga loza teo amin’ny Israely i Satana, ka nampirisika+ an’i Davida hanisa azy ireo.  Koa hoy i Davida tamin’i Joaba+ sy ny lehiben’ny vahoaka: “Mandehana, isao+ ny Israely hatrany Beri-sheba+ ka hatrany Dana,+ ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.”+  Hoy anefa i Joaba: “Hampitomboin’i Jehovah avo zato heny anie ny isan’ny olony!+ Tsy mpanompon’ny tompoko daholo ve izy rehetra, ry mpanjaka tompoko ô? Koa nahoana ny tompoko no te hanao izany?+ Nahoana ianao no dia hahatonga heloka amin’ny Israely?”  Tsy nahatohitra ny tenin’ny mpanjaka+ anefa i Joaba, ka lasa+ nitety ny tanin’ny Israely manontolo, ary tafaverina tany Jerosalema avy eo.+  Dia nomen’i Joaba an’i Davida ny isan’ireo voasoratra anarana, ka iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mpitan-tsabatra teo amin’ny Israely rehetra,+ ary fito alina sy efatra hetsy kosa ny teo amin’ny Joda.  Ary tsy nosoratany anarana niaraka tamin’ireo ny fokon’i Levy+ sy Benjamina.+ Tsy nankasitrahan’i Joaba mihitsy mantsy ny tenin’ny mpanjaka.  Ratsy teo imason’Andriamanitra izany,+ ka namely ny Israely izy.  Koa hoy i Davida tamin’Andriamanitra: “Tena nanao fahotana+ lehibe aho tamin’iny zavatra nataoko iny. Mba avelao re ny fahadisoan’ny mpanomponao e,+ fa hadalana be mihitsy no nataoko.”+  Dia hoy i Jehovah tamin’i Gada,+ izay mpahita fahitana ho an’i Davida:+ 10  “Mandehana lazao amin’i Davida hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Famaizana telo no ataoko eo anoloanao,+ ka fidio izay iray hataoko aminao.”’”+ 11  Koa nankao amin’i Davida+ i Gada, ka nilaza hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Mifidiana ianao amin’ireto: 12  Telo taona hisian’ny mosary ve,+ sa telo volana haharipaka anao eo anoloan’ny fahavalonao+ sy handringanan’ny sabatr’izy ireo anao, sa telo andro hamelezan’ny sabatr’i Jehovah,+ dia ny areti-mandringana+ halefany eto amin’ny taninao, ka ny anjelin’i Jehovah no handripaka+ manerana ny faritry ny Israely?’ Diniho tsara izay havaliko an’Ilay naniraka ahy.” 13  Koa hoy i Davida tamin’i Gada: “Ory loatra aho. Aleoko azon’ny tanan’i Jehovah,+ fa lehibe dia lehibe ny famindram-pony,+ toy izay azon’ny tanan’olona.”+ 14  Koa nandefa areti-mandringana+ teo amin’ny Israely i Jehovah, ka Israelita fito alina no maty.+ 15  Ary nisy anjely nirahin’Andriamanitra ho any Jerosalema, mba handringana an’ilay tanàna.+ Raha vao nanomboka nandringana anefa ilay anjely, dia hitan’i Jehovah izany, ka nanenina ny amin’ilay loza izy.+ Koa hoy izy tamin’ilay anjely nandringana: “Aoka izay!+ Ampidino amin’izay ny tananao.” Ary nijoro teo akaikin’ny famoloan’i Ornana+ Jebosita+ ilay anjelin’i Jehovah. 16  Nanopy ny masony i Davida, ka nahita an’ilay anjelin’i Jehovah+ nijoro teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, sady nitana sabatra+ nanondro an’i Jerosalema, dia sabatra voatsoaka tao anaty tranony. Dia niankohoka+ avy hatrany i Davida sy ny anti-panahy, izay samy niakanjo gony.+ 17  Ary hoy i Davida tamin’Andriamanitra: “Tsy izaho ve no nandidy ny hanisana ny vahoaka? Ary tsy izaho ve no nanota ka tena nanao izany ratsy izany?+ Fa ireto ondry+ ireto kosa, inona moa no nataony? Jehovah Andriamanitro ô, aoka re ny tananao hamely ahy sy ny ankohonan-draiko e, fa aza mamely ny olonao.”+ 18  Nasain’ilay anjelin’i Jehovah nilaza tamin’i Davida i Gada+ mba hiakatra ka hanangana alitara ho an’i Jehovah eo amin’ny famoloan’i Ornana Jebosita.+ 19  Koa niakatra i Davida araka ny tenin’i Gada izay nolazainy tamin’ny anaran’i Jehovah.+ 20  I Ornana+ kosa tamin’izay dia nanosihosy varimbazaha teny am-pamoloana. Niherika izy ka nahita an’ilay anjely. Ary niafina ireo zanany efa-dahy niaraka taminy. 21  Dia nankany amin’i Ornana i Davida. Nijery i Ornana, ka raha vao nahita azy,+ dia niala teo am-pamoloana ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany. 22  Dia hoy i Davida tamin’i Ornana: “Mba omeo ahy ity tany misy ny famoloanao ity, hanorenako alitara ho an’i Jehovah. Omeo ahy araka izay tena vidiny izy ity,+ mba hitsaharan’ilay loza+ mamely ny vahoaka.” 23  Fa hoy i Ornana: “Ento ho anao ny famoloana,+ ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay hitany fa mety. Indreto, omeko koa ny omby+ hatao fanatitra dorana sy ny fitaovana fanosihosena+ varimbazaha mba hatao kitay+ ary ny varimbazaha hatao fanatitra. Omeko anao izy rehetra.”+ 24  Fa hoy i Davida Mpanjaka tamin’i Ornana: “Tsia, fa tsy maintsy hovidiko ireo, ary haloako vola izay tena vidiny.+ Fa tsy haka izay anao aho, ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hatolotro ho sorona dorana ho an’i Jehovah.” 25  Koa nomen’i Davida sekely volamena eninjato i Ornana ho vidin’ilay tany.+ 26  Dia nanorina alitara+ ho an’i Jehovah teo i Davida, ka nanolotra sorona dorana sy sorona iombonana. Ary niantso an’i Jehovah izy,+ ka novaliany tamin’ny afo+ avy tany an-danitra, dia afo nilatsaka teo ambony alitaran’ny fanatitra dorana. 27  Dia nandidy an’ilay anjely i Jehovah,+ ka naveriny tamin’ny tranony ny sabany. 28  Tamin’izany andro izany, rehefa hitan’i Davida fa namaly azy teo amin’ilay famoloan’i Ornana Jebosita i Jehovah, dia teo foana izy no nanao sorona.+ 29  Teo amin’ny toerana avo tany Gibeona anefa ilay tranolain’i Jehovah, izay nataon’i Mosesy tany an-tany efitra, sy ilay alitaran’ny fanatitra dorana, tamin’izany andro izany.+ 30  Tsy afaka nankany i Davida mba hanontany an’Andriamanitra, satria natahotra be+ izy noho ny sabatr’ilay anjelin’i Jehovah.

Fanamarihana