1 Tantara 23:1-32
23 Ary efa antitra+ i Davida sady voky andro, ka nataony mpanjakan’ny Israely i Solomona+ zanany.
2 Dia novoriny daholo ny andrianan’ny+ Israely, mbamin’ny mpisorona+ sy ny Levita.+
3 Koa nisaina àry ny Levita, telopolo taona no ho miakatra,+ ka valo arivo sy telo alina ny vatan-dehilahy rehefa nisaina tsirairay.*
4 Ny efatra arivo sy roa alina amin’ireo dia ho mpanara-maso ny asa ao an-tranon’i Jehovah, ny enina arivo ho mpiadidy+ sy mpitsara,+
5 ny efatra arivo ho mpiandry vavahady,+ ary ny efatra arivo ho mpidera+ an’i Jehovah amin’ny zavamaneno+ izay nolazain’i Davida hoe: “Nataoko hiderana Azy ireto.”
6 Dia notsinjarain’i Davida ireo ka nozarainy+ araka ny zanak’i Levy,+ dia i Gersona sy Kehata ary Merary.
7 Ny Gersonita dia i Ladana sy Simey.
8 Ny zanak’i Ladana dia i Jehiela+ filoha sy Zetama ary Joela.+ Telo izy ireo.
9 Ny zanak’i Simey dia i Selomota sy Haziela ary Harana. Telo izy ireo. Ireo no lohan’ireo fianakaviambe, ho an’i Ladana.
10 Ary ny zanak’i Simey dia i Jahata sy Zina* sy Jeosy ary Beria. Izy efa-dahy ireo no zanak’i Simey.
11 I Jahata no filoha, ary i Ziza no faharoa. Tsy nanan-janakalahy maro na i Jeosy na i Beria, ka nisaina ho fianakaviambe*+ iray ary nomena andraikitra iray ihany.
12 Ny zanak’i Kehata+ dia i Amrama sy Jizara+ sy Hebrona+ ary Oziela.+ Efatra izy ireo.
13 Ny zanak’i Amrama dia i Arona+ sy Mosesy.+ Ary natokana+ mba hanamasina ny Masina Indrindra+ i Arona, eny, izy sy ny taranany mandritra ny fotoana tsy voafetra, mba hanolotra setroka ho sorona+ eo anatrehan’i Jehovah sy hanompo azy+ ary hitso-drano+ amin’ny anarany mandritra ny fotoana tsy voafetra.
14 Izao kosa ny amin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra:+ Nanan-janaka lahy koa izy ary mbola nisaina ho anisan’ny fokon’i Levy ihany ireo.+
15 I Gersoma+ sy Eliezera+ no zanak’i Mosesy.
16 Ary ny filohan’ny taranak’i Gersoma dia i Seboela.+
17 Ary ny filohan’ny taranak’i Eliezera dia i Rehabia.+ Tsy nanan-janaka lahy hafa intsony i Eliezera, fa be dia be kosa ny zanakalahin’i Rehabia.
18 Ary ny filohan’ny taranak’i Jizara+ dia i Selomita.+
19 Ary tamin’ny taranak’i Hebrona dia i Jeria no filoha, ary Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo ary Jekameama+ no fahefatra.
20 Ary tamin’ny taranak’i Oziela+ dia i Mika no filoha ary Jisia no faharoa.
21 I Maly sy Mosy+ no zanak’i Merary.+ Ary ny zanak’i Maly dia i Eleazara+ sy Kisy.
22 Maty i Eleazara nefa tsy nitera-dahy fa vavy ihany. Koa nanambady an’ireo zazavavy ireo ny zanak’i Kisy dadatoan’izy ireo.+
23 Ny zanak’i Mosy dia i Maly sy Edera ary Jeremota.+ Telo izy ireo.
24 Ireo no taranak’i Levy araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy,+ izany hoe ny lohan’ireo fianakaviambe, sy ny olona voatendry eo amin’izy ireo. Roapolo taona no ho miakatra izy ireo,+ sady voasoratra anarana tsirairay, ary manao ny asa fanompoana+ ao an-tranon’i Jehovah.
25 Fa hoy i Davida: “Nataon’i Jehovah Andriamanitry ny Israely mandry feizay ny olony,+ ary honina ao Jerosalema mandritra ny fotoana tsy voafetra Izy.+
26 Ary ny Levita tsy hitondra ny tranolay intsony na ny fitaovana rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana ao.”+
27 Araka ny hafatra+ farany navelan’i Davida, dia ireo no nisaina teo amin’ny taranak’i Levy, ary roapolo taona no ho miakatra izy ireo.
28 Anjaran’izy ireo ny manampy ny taranak’i Arona+ amin’ny fanompoana ao an-tranon’i Jehovah: Ny fikarakarana ny tokotany+ sy ny efitra fisakafoana,+ ny fanadiovana ny zava-masina+ rehetra, ny asa fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra,
29 ny fikarakarana ny mofo mifanaingina,+ sy ny lafarinina tsara toto+ hatao fanatitra varimbazaha, sy ny mofo fisaka+ tsy misy lalivay,+ sy ny mofo atao anaty lasitra,+ sy ny koba mifangaro+ menaka, ary ny karazana vatomizana sy famarana rehetra.+
30 Anjaran’izy ireo koa ny mijoro+ isa-maraina+ mba hisaotra+ sy hidera+ an’i Jehovah, ary toy izany koa amin’ny takariva.
31 Hanampy amin’ny fanolorana ny sorona dorana ho an’i Jehovah koa izy ireo, ka hanao izany mandrakariva eo anatrehan’i Jehovah, rehefa sabata+ sy tsinam-bolana+ ary amin’ny fotoanan’ny fety,+ araka ny isan’ireny sy ny fitsipika momba izany.
32 Anisan’ny fanompoana nataon’izy ireo tao an-tranon’i Jehovah koa ny fiambenana+ ny tranolay fihaonana sy ny toerana masina,+ ary ny fiambenana ny taranak’i Arona rahalahin’izy ireo.+