1 Tantara 24:1-31

24  Samy nanana ny fizarana nisy azy avy ny taranak’i Arona. Ny zanak’i Arona, dia i Nadaba+ sy Abiho,+ ary Eleazara+ sy Itamara.+  Maty talohan-drainy+ anefa i Nadaba sy Abiho,+ ary samy tsy nitera-dahy. Nanohy ny asan’ny mpisorona kosa i Eleazara+ sy Itamara.  Ary nizara azy ireo araka ny fanompoana hiandraiketany avy i Davida, sy Zadoka+ avy amin’ny taranak’i Eleazara, ary Ahimeleka+ avy amin’ny taranak’i Itamara.+  Maro kokoa noho ny an’ny taranak’i Itamara anefa ny lohan’ireo fianakaviambe teo amin’ny taranak’i Eleazara. Koa nozaraina izy ireo, ka enina ambin’ny folo no ho an’ireo fianakaviamben’ny taranak’i Eleazara, ary valo kosa ny an’ireo fianakaviamben’ny taranak’i Itamara.  Nampiarahina teo izy ireo ka natao antsapaka+ ny fizarana azy, satria tokony hisy ho mpiandraikitra ny toerana masina+ sy ho mpiandraikitra hanompo an’Andriamanitra, na ny taranak’i Eleazara na ny taranak’i Itamara.  Ary i Semaia zanak’i Netanela, sady mpitan-tsoratry+ ny Levita, no nanoratra azy ireo teo anatrehan’ny mpanjaka, sy ny andriana, sy Zadoka+ mpisorona, sy Ahimeleka+ zanak’i Abiatara,+ sy ny lohan’ireo fianakaviamben’ny mpisorona, sy ny lohan’ireo fianakaviamben’ny Levita.+ Dia nakana fianakaviambe iray ny taranak’i Eleazara,+ ary nakana iray koa ny taranak’i Itamara.+  Rehefa natao ny antsapaka, dia azon’i Joiariba+ ny voalohany; an’i Jedaia ny faharoa;  an’i Harima ny fahatelo; an’i Seorima ny fahefatra;  an’i Malkia ny fahadimy; an’i Miamina ny fahenina; 10  an’i Hakoza ny fahafito; an’i Abia+ ny fahavalo; 11  an’i Jesoa ny fahasivy; an’i Sekania ny fahafolo; 12  an’i Eliasiba ny fahiraika ambin’ny folo; an’i Jakima ny faharoa ambin’ny folo; 13  an’i Hopa ny fahatelo ambin’ny folo; an’i Jesebaba ny fahefatra ambin’ny folo; 14  an’i Bilga ny fahadimy ambin’ny folo; an’i Imera ny fahenina ambin’ny folo; 15  an’i Hezira ny fahafito ambin’ny folo; an’i Hafizeza ny fahavalo ambin’ny folo; 16  an’i Petahia ny fahasivy ambin’ny folo; an’i Jehezekela ny faharoapolo; 17  an’i Jakina ny fahiraika amby roapolo; an’i Gamola ny faharoa amby roapolo; 18  an’i Delaia ny fahatelo amby roapolo; ary an’i Mahazia ny fahefatra amby roapolo. 19  Toy izany no nandaminana ny fanompoana+ niandraiketan’izy ireo,+ mba hankanesany any an-tranon’i Jehovah araka ny zon’izy ireo,+ izay nolovany tamin’i Arona razambeny, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitry ny Israely azy. 20  Ary ireto no sisa tavela tamin’ny taranak’i Levy: I Sobaela+ no tamin’ny taranak’i Amrama;+ i Jedaia no tamin’ny taranak’i Sobaela; 21  ary ny avy tamin’i Rehabia,+ dia i Jisia filoha no avy tamin’ny taranak’i Rehabia; 22  i Selomota+ no tamin’ny taranak’i Jizara;+ i Jahata no tamin’ny taranak’i Selomota; 23  ary tamin’ny taranak’i Hebrona+ dia i Jeria+ no filoha, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no fahefatra; 24  ary i Mika no tamin’ny taranak’i Oziela; i Samira no tamin’ny taranak’i Mika;+ 25  i Jisia no rahalahin’i Mika; ary i Zakaria no tamin’ny taranak’i Jisia. 26  Ary i Maly+ sy Mosy+ no zanak’i Merary;+ ary i Beno no tamin’ny taranak’i Jazia. 27  Ary ny avy tamin’ny taranak’i Merary, dia i Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry, izay avy tamin’i Jazia. 28  Ary ny avy tamin’i Maly dia i Eleazara, izay tsy nitera-dahy.+ 29  Ary ny avy tamin’i Kisy dia i Jeramela no avy tamin’ny taranak’i Kisy. 30  Ary ny zanakalahin’i Mosy dia i Maly+ sy Edera ary Jerimota.+ Ireo no taranak’i Levy, araka ny fianakaviambeny+ avy. 31  Ary nanao antsapaka+ toa an’ireo rahalahiny taranak’i Arona koa izy ireo, teo anatrehan’i Davida Mpanjaka, sy Zadoka, sy Ahimeleka, sy ny lohan’ireo fianakaviamben’ny mpisorona, ary ny lohan’ireo fianakaviamben’ny Levita. Nitovy ihany ny nitondrana ny lohan’ireo fianakaviambe,+ na zokiny izy na zandriny.

Fanamarihana