1 Tantara 25:1-31

25  Ary natokan’i Davida sy ny lehiben’ny+ antoko-mpanompo+ mba hanao fanompoana ny sasany tamin’ny taranak’i Asafa sy Hemana+ ary Jedotona,+ izay naminany niaraka tamin’ny harpa+ sy ny lokanga+ ary ny kipantsona.+ Ary ireo taranaka natokana ireo no voatendry hanao fanompoana.  Ireto no avy amin’ny taranak’i Asafa: I Zakora, Josefa,+ Netania, ary Asarela.+ Zanak’i Asafa ireo, ary teo ambany fiadidian’i Asafa,+ izay naminany teo ambany fifehezan’ny mpanjaka.  Ary ny avy amin’i Jedotona+ dia i Gedalia,+ Zery,+ Jesaia,+ Simey, Hasabia ary Matitia.+ Zanak’i Jedotona izy enina ireo, sady teo ambany fiadidian’i Jedotona rainy, izay naminany niaraka tamin’ny harpa mba hisaorana sy hiderana an’i Jehovah.+  Ary ny avy amin’i Hemana+ dia i Bokia,+ Matania,+ Oziela,+ Seboela, Jerimota, Hanania,+ Hanany, Eliata,+ Gidalty,+ Romamti-ezera,+ Josbekasa,+ Maloty,+ Hotira,+ ary Mahaziota. Zanak’i Hemana ireo.  Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Hemana. Mpahita fahitana+ ho an’ny mpanjaka i Hemana, sady mpanambara ny tenin’Andriamanitra taminy. Nitsoka ny anjombony* hiderana an’Andriamanitra i Hemana. Dia nomen’Andriamanitra zanakalahy efatra ambin’ny folo sy zanakavavy telo izy.+  Samy notarihin’ny rainy izy rehetra ireo, rehefa nihira tao an-tranon’i Jehovah niaraka tamin’ny kipantsona+ sy ny lokanga+ ary ny harpa,+ mba hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra. Ary teo ambany fifehezan’ny mpanjaka i Asafa sy Jedotona ary Hemana.+  Ary valo amby valopolo sy roanjato ny isan’izy ireo mbamin’ny rahalahiny, izay nampianarina hihira ho an’i Jehovah,+ ka efa tena mahay+ izy rehetra.  Koa nanao antsapaka+ izy ireo ny amin’izay tokony hiandraiketany avy, ary nitovy ihany no nitondrana ny kely sy ny lehibe,+ mbamin’ny efa tena mahay+ sy ny vao mianatra.  Rehefa natao ny antsapaka dia azon’i Josefa+ avy amin’ny taranak’i Asafa ny voalohany; an’i Gedalia+ ny faharoa—roa ambin’ny folo izy sy ny rahalahiny ary ny zanany lahy—; 10  ny fahatelo dia an’i Zakora+ sy ny zanany lahy sy ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 11  ny fahefatra dia an’i Jizry+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 12  ny fahadimy dia an’i Netania+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 13  ny fahenina dia an’i Bokia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 14  ny fahafito dia an’i Jesarela+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 15  ny fahavalo dia an’i Jesaia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 16  ny fahasivy dia an’i Matania sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 17  ny fahafolo dia an’i Simey sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 18  ny fahiraika ambin’ny folo dia an’i Azarela+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 19  ny faharoa ambin’ny folo dia an’i Hasabia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 20  ny fahatelo ambin’ny folo dia an’i Sobaela+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 21  ny fahefatra ambin’ny folo dia an’i Matitia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 22  ny fahadimy ambin’ny folo dia an’i Jeremota sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 23  ny fahenina ambin’ny folo dia an’i Hanania sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 24  ny fahafito ambin’ny folo dia an’i Josbekasa sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 25  ny fahavalo ambin’ny folo dia an’i Hanany sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 26  ny fahasivy ambin’ny folo dia an’i Maloty sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 27  ny faharoapolo dia an’i Eliata sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 28  ny fahiraika amby roapolo dia an’i Hotira sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 29  ny faharoa amby roapolo dia an’i Gidalty sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 30  ny fahatelo amby roapolo dia an’i Mahaziota+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo; 31  ny fahefatra amby roapolo dia an’i Romamti-ezera+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny: roa ambin’ny folo.

Fanamarihana

A.b.t.: “nanandratra ny tandrony.”