1 Tantara 27:1-34

27  Ary ny isan’ny Zanak’Israely tao amin’ny antoko-miaramila tsirairay, dia efatra arivo sy roa alina. Izy ireo dia lohan’ireo fianakaviambe,+ sy lehiben’ny+ arivo, sy lehiben’ny zato,+ ary nisy koa mpiadidy nanompo+ ny mpanjaka ka nikarakara ny raharaha rehetra momba an’ireo antoko-miaramila nifandimby isam-bolana, nandritra ny volana rehetra amin’ny taona.  I Jasobeama,+ zanak’i Zabdiela, no nifehy ny antoko-miaramila voalohany, ho an’ny volana voalohany. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany.  Nanompo tamin’ny volana voalohany ny sasany tamin’ny taranak’i Pereza,+ filohan’ireo lehiben’ny antoko-mpanompo.  I Doday+ Ahotita+ sy ny antoko-miaramilany no nifehy ny antoko-miaramila ho an’ny volana faharoa, ary i Miklota no mpitarika. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany.  I Benaia,+ zanak’i Joiada+ lehiben’ny mpisorona, no lehiben’ny antoko-mpanompo fahatelo, ho an’ny volana fahatelo. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany.  Lehilahy mahery anisan’ireo telopolo lahy+ io Benaia+ io sady lehiben’izy ireo. Ary ny antoko-miaramilany dia nofehezin’i Amizabada zanany.  I Asahela+ rahalahin’i Joaba,+ sy Zebadia zanany nandimby azy, no lehibe fahefatra ho an’ny volana fahefatra. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany.  I Samihota+ Jizrahita no lehibe fahadimy, ho an’ny volana fahadimy. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany.  I Ira+ zanak’i Ikesy+ Tekoita+ no fahenina ho an’ny volana fahenina. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany. 10  I Heleza+ Pelonita+ taranak’i Efraima no fahafito ho an’ny volana fahafito. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany. 11  I Sibekay+ Hosatita avy amin’ny Zerita+ no fahavalo ho an’ny volana fahavalo. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany. 12  I Abi-ezera+ Anatotita+ avy amin’ny Benjaminita no fahasivy ho an’ny volana fahasivy. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany. 13  I Maharay+ Netofatita avy amin’ny Zerita+ no fahafolo ho an’ny volana fahafolo. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany. 14  I Benaia+ Piratonita, taranak’i Efraima,+ no fahiraika ambin’ny folo ho an’ny volana fahiraika ambin’ny folo. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany. 15  I Helday+ Netofatita, taranak’i Otniela no faharoa ambin’ny folo ho an’ny volana faharoa ambin’ny folo. Efatra arivo sy roa alina no tao amin’ny antoko-miaramilany. 16  Ary ireto avy no nifehy ny fokon’ny Israely:+ I Eliezera zanak’i Zikry no mpitarika ny Robenita; i Sefatia zanak’i Maka no an’ny Simeonita; 17  i Hasabia zanak’i Kemoela no an’ny fokon’i Levy; i Zadoka+ no an’ny taranak’i Arona; 18  i Eliho,+ anisan’ny rahalahin’i Davida,+ no an’ny fokon’i Joda; i Omry zanak’i Mikaela no an’ny fokon’i Isakara; 19  i Jismaia zanak’i Obadia no an’ny fokon’i Zebolona; i Jerimota zanak’i Azriela no an’ny fokon’i Naftaly; 20  i Hosea zanak’i Azazia no an’ny taranak’i Efraima; i Joela zanak’i Pedaia no an’ny antsasaky ny fokon’i Manase; 21  i Ido zanak’i Zakaria no an’ny antsasaky ny fokon’i Manase any Gileada; i Jasiela zanak’i Abnera+ no an’ny fokon’i Benjamina; 22  ary i Azarela zanak’i Jerohama no an’ny fokon’i Dana. Ireo no andrianan’ny+ fokon’ny Israely. 23  Tsy nisain’i Davida ny roapolo taona no ho midina, satria efa nampanantena i Jehovah fa hataony maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny Israely.+ 24  Nanomboka nanisa i Joaba+ zanak’i Zeroia, nefa tsy nahavita hatramin’ny farany.+ Izany fanisana izany no nahatezitra+ an’Andriamanitra tamin’ny Israely. Ary tsy tao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka ilay isa. 25  Ary i Azmaveta, zanak’i Adiela no niandraikitra ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka.+ I Jonatana zanak’i Ozia no niandraikitra ny zava-tsarobidy tany an-tsaha,+ sy tao amin’ireo tanàna+ sy tanàna kely, ary tany amin’ireo tilikambo. 26  I Ezry zanak’i Keloba no niandraikitra ny tantsaha niasa tany.+ 27  I Simey Ramatita no niandraikitra ny tanimboaloboka;+ i Zabdy Sifmita no niandraikitra ny tahirin-divay tany amin’ny tanimboaloboka. 28  I Bala-hanana Gaderita no niandraikitra ny sahan’oliva sy ny aviavidia+ naniry tany Sefela;+ i Joasy no niandraikitra ny tahiri-menaka.+ 29  I Sitray Sarônita no niandraikitra ny omby niraoka ahitra tany Sarôna;+ i Safata zanak’i Adlay no niandraikitra ny omby tany amin’ny lemaka iva. 30  I Obila Ismaelita+ no niandraikitra ny rameva;+ i Jedaia Meronotita no niandraikitra ny ampondravavy. 31  Ary i Jaziza Hagarita no niandraikitra ny ondry aman’osy. Ireo rehetra ireo no mpiadidy ny fananan’i Davida Mpanjaka. 32  I Jonatana,+ zana-drahalahin’i Davida, no mpanolo-tsaina sady mpitan-tsoratra, ary lehilahy nahira-tsaina+ izy. Ary i Jehiela zanak’i Hakmony+ no niandraikitra ny zanaky ny mpanjaka.+ 33  I Ahitofela+ no mpanolo-tsain’ny+ mpanjaka, ary i Hosay+ Arkita+ no naman’ny mpanjaka.+ 34  I Joiada zanak’i Benaia,+ sy Abiatara+ no mpanolo-tsaina taorian’i Ahitofela. Ary i Joaba+ no lehiben’ny tafiky ny mpanjaka.

Fanamarihana