1 Tantara 28:1-21

28  Ary novorin’i Davida tao Jerosalema daholo ny andrianan’ny+ Israely, dia ny andrianan’ireo+ foko, sy ny lehiben’ireo+ antoko-miaramila nanompo ny mpanjaka, sy ny lehiben’ny arivo,+ sy ny lehiben’ny zato,+ mbamin’ny mpiandraikitra ny fananana+ sy biby fiompy+ rehetra izay an’ny mpanjaka sy ny zanany.+ Novoriny teo koa ny tandapa+ sy ny lehilahy mahery,+ ary ny lehilahy rehetra matanjaka sy mahery fo.  Dia nitsangana i Davida Mpanjaka, ka nanao hoe: “Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy vahoakako! Efa nirin’ny foko+ ny hanorina trano mba hitoeran’ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, sy mba ho fitoeran-tongotry+ ny Andriamanitsika. Ary efa nanomana an’izay hoenti-manorina izany aho.+  Ary hoy Andriamanitra tamiko: ‘Tsy hanorina trano ho an’ny anarako ianao,+ satria lehilahy mpiady sady efa nandatsa-dra.’+  Teo anivon’ny fianakaviamben’ny raiko+ iray manontolo anefa, dia izaho no nofidin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, ho mpanjakan’ny+ Israely mandritra ny fotoana tsy voafetra. I Joda no nofidiny ho mpitarika,+ ka tamin’ny fokon’i Joda, dia ny ankohonan-draiko no nofidiny,+ ary tamin’ny zanaky ny raiko,+ dia izaho no nankasitrahany+ ka nataony mpanjakan’ny Israely rehetra.  Ary tamin’ny zanako rehetra,—fa maro ny zanaka nomen’i Jehovah ahy+—dia i Solomona+ zanako no nofidiny hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny+ fanjakan’i Jehovah eo amin’ny Israely.  “Hoy koa izy tamiko: ‘I Solomona zanakao no hanorina ny tranoko+ sy ny tokotaniko, fa nifidy azy ho zanako aho,+ ary izaho ho rainy.+  Ary hataoko mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fanjakany,+ raha mbola tapa-kevitra koa izy ny hankatò ny didiko+ sy ny didim-pitsarako,+ toy izao anio izao.’  Ary izao no lazaiko aminareo, eo imason’ny Israely rehetra izay fiangonan’i Jehovah,+ sy eo anatrehan’Andriamanitsika:+ Mitandrema ka diniho avokoa ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo, mba handovanareo an’ilay tany soa,+ ka hamelanareo izany ho lovan’ny taranakareo mandimby anareo, hatramin’ny fotoana tsy voafetra.  “Ary ianao, ry Solomona zanako, fantaro+ ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa+ azy amin’ny fo manontolo+ ary aoka ianao ho finaritra eo am-panompoana azy.+ Fa mandinika ny fo rehetra i Jehovah,+ ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana.+ Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy,+ fa raha mahafoy azy kosa ianao,+ dia hariany mandrakizay.+ 10  Efa nifidy anao i Jehovah mba hanorina trano ho toerana masina. Koa mahereza, ka ataovy ilay asa.”+ 11  Dia nomen’i Davida an’i Solomona zanany ny planin’ny+ tilikambo fidirana,+ sy ny trano, sy ny efitra fitehirizana entana,+ sy ny efitra any an-tampon-trano,+ sy ny efitrano anatiny, sy ny trano misy ny sarony fampihavanana,+ 12  sy ny planin’ny zava-drehetra azony teo ambany herin’ny fanahy masina+ momba ny tokotanin’ny+ tranon’i Jehovah, sy ny efitra fisakafoana+ rehetra manodidina, sy ny fitehirizana ny zava-tsarobidy ho an’Andriamanitra, sy ny fitehirizana ny zava-tsarobidy efa nohamasinina.+ 13  Nanome toromarika momba an’ireto koa izy: Ny fizarana+ misy ny mpisorona sy ny Levita; ny asa fanompoana rehetra ao an-tranon’i Jehovah; ny fitaovana rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana ao an-tranon’i Jehovah; 14  ny lanjan’ny volamena hanaovana ny fitaovana rehetra ho an’ny fanompoana isan-karazany; ny lanjan’ny volafotsy hanaovana ny fitaovana+ volafotsy rehetra ho an’ny fanompoana isan-karazany; 15  ny lanjan’ny volamena ho an’ny fitoeran-jiro+ volamena sy ny jirony volamena, araka ny lanjan’ireo fitoeran-jiro sy ny jirony; ny lanjan’ny volafotsy ho an’ireo fitoeran-jiro volafotsy sy ny jirony, araka ny lanjan’ireo fitoeran-jiro sy ny jirony, ary arakaraka ny asan’ireo fitoeran-jiro; 16  ny lanjan’ny volamena ho an’ny latabatra misy ny mofo mifanaingina,+ sy ho an’ny latabatra isan-karazany; ny volafotsy ho an’ny latabatra volafotsy; 17  ny fitrebika sy ny vilia baolina+ sy ny zinga izay samy volamena tsy misy fangarony; ny vilia baolina+ kely volamena, araka ny lanjan’ny vilia baolina kely isan-karazany; ny vilia baolina kely volafotsy, araka ny lanjan’ny vilia baolina kely isan-karazany; 18  ary ny lanjan’ny volamena voadio ho an’ny alitaran’ny+ emboka manitra sy ho an’ireo kerobima izay sary mampiseho ny kalesy,+ dia ireo kerobima+ volamena mamelatra ny elany hanakonana ny tampon’ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah. 19  “Natao an-tsoratra+ ny zava-drehetra satria niasa tamiko ny tanan’i Jehovah, ka nataony izay hahatakarako ny asa rehetra tokony hatao mifanaraka amin’ilay planina.”+ 20  Ary hoy koa i Davida tamin’i Solomona zanany: “Mahereza+ sy matanjaha, ka ataovy ilay asa. Aza matahotra+ na mihorohoro,+ fa momba anao i Jehovah Andriamanitra, ilay Andriamanitro.+ Tsy handao anao izy+ na hahafoy anao, mandra-pahavitan’ny asa rehetra momba ny tranon’i Jehovah. 21  Ary ireo daholo ny fizarana misy ny mpisorona+ sy ny Levita+ hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon’Andriamanitra. Vonona+ hanampy anao amin’ny asa rehetra koa ny mpanao asa tanana mahay+ sy ny andriana+ ary ny vahoaka manontolo, mba hanatanteraka ny teninao rehetra.”

Fanamarihana