1 Tantara 5:1-26

5  Ary i Robena+ no lahimatoan’i Israely. Izy no lahimatoa,+ nefa nolotoiny ny farafaran-drainy.+ Dia nomena ny zanak’i Josefa, zanak’i Israely, ny zony amin’ny maha lahimatoa.+ Koa tsy voasoratra ho manana ny zon’ny lahimatoa izy tao amin’ny tetirazana.  Ary ambony noho ny rahalahiny i Joda,+ ka izy no niavian’ilay mpitarika,+ nefa lasan’i Josefa kosa ny zon’ny lahimatoa.+  Ireto avy ny zanakalahin’i Robena lahimatoan’i Israely: Hanoka+ sy Palo+ sy Hezrona ary Karmy.+  Ary i Joela niteraka an’i Semaia, ary i Semaia niteraka an’i Goga, ary i Goga niteraka an’i Simey,  ary i Simey niteraka an’i Mika, ary i Mika niteraka an’i Reaia, ary i Reaia niteraka an’i Bala,  ary i Bala niteraka an’i Bera izay nataon’i Tilgato-pilnesera,+ mpanjakan’i Asyria, sesitany. Mpiadidy teo amin’ny Robenita i Bera.  Ary ireo rahalahiny, araka ny fianakaviany avy izay voasoratra tao amin’ny tetirazana,+ araka ny taranaka misy azy, dia i Jeiela no lohany, avy eo Zakaria,  sy Bela zanak’i Azaza, zanak’i Sema, zanak’i Joela.+ Ary i Bela nonina tany Aroera+ ka hatrany Nebo+ sy Bala-meona.+  Ary nonina tany atsinanana koa izy, hatrany amin’ny fidirana amin’ny tany efitra eo amoron’ny reniranon’i Eofrata.+ Lasa maro be mantsy ny biby fiompiny tany Gileada.+ 10  Ary niady tamin’ny Hagarita izy ireo tamin’ny andron’i Saoly,+ ka naharesy azy. Koa nonina an-tranolay nanerana ny faritra atsinanan’i Gileada izy ireo. 11  Ary ny taranak’i Gada+ kosa nonina tandrifin’izy ireo, tany Basana+ ka hatrany Saleka.+ 12  I Joela no lohany, ary i Safama no faharoa, avy eo i Janay sy Safata tany Basana. 13  Ary ny rahalahiny anisan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, dia i Mikaela, Mesolama sy Sheba, Joray, Jakana, Zia, ary Ebera, ka fito ireo. 14  Ireo no zanakalahin’i Abihaila zanak’i Hory, zanak’i Jaroa, zanak’i Gileada, zanak’i Mikaela, zanak’i Jesisay, zanak’i Jado, zanak’i Boza. 15  Ary i Ahia dia zanak’i Abdiela, zanak’i Gony, lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy. 16  Dia nonina tany Gileada+ sy Basana+ sy tany amin’ireo tanàna niankina taminy+ ary tany amin’ny kijanan’i Sarôna rehetra hatrany amin’ny sisiny indrindra, izy ireo. 17  Voasoratra tao amin’ny tetirazana avokoa izy ireo tamin’ny andron’i Jotama+ mpanjakan’ny Joda sy tamin’ny andron’i Jeroboama+ mpanjakan’ny Israely. 18  Ary tamin’ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia nisy enimpolo sy fitonjato sy efatra arivo sy efatra alina no niditra tamin’ny tafika. Lehilahy nahery fo+ izy ireo, nirongo ampinga sy sabatra ary tsipìka, sady zatra ady.+ 19  Ary niady tamin’ny Hagarita+ sy tamin’i Jetora+ sy Nafisy+ ary Nodaba izy ireo. 20  Ary nahazo fanampiana izy ireo tamin’ny fanafihany ny Hagarita sy izay rehetra niandany taminy, ka natolotra teo an-tanany ireny. Niantso vonjy tamin’Andriamanitra+ mantsy izy ireo tamin’ilay ady, ka nohenoiny ny fitalahoany satria natoky azy izy ireo.+ 21  Koa nobaboiny ny biby fiompin’ireny,+ dia rameva dimy alina, sy ondry dimy alina sy roa hetsy, ary ampondra roa arivo, mbamin’ny olona iray hetsy.+ 22  Maro ny olona ripaka, satria an’ilay tena Andriamanitra ilay ady.+ Ary nonina tany izy ireo ka nisolo toerana an’ireny, mandra-pahatongan’ny sesitany.+ 23  Ary ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase+ kosa nonina hatrany Basana+ ka hatrany Bala-hermona+ sy Senira+ ary ny Tendrombohitra Hermona.+ Lasa maro be koa izy ireo. 24  Ary ireto avy ny lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy: Efera, Jisy, Eliela, Azriela, Jeremia, Hodavia, ary Jadiela, dia lehilahy natanjaka sy nahery fo ary nalaza, izay lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy. 25  Ary nivadika tamin’ilay Andriamanitry ny razany izy ireo, ka nanana fifandraisana mamoafady+ tamin’ny andriamanitry+ ny mponin’ilay tany, dia ny mponina efa naringan’Andriamanitra tsy ho eo anatrehan’izy ireo. 26  Koa nampirisihin’ilay+ Andriamanitry ny Israely i Pola+ mpanjakan’i Asyria,+ dia i Tilgato-pilnesera+ mpanjakan’i Asyria, mba hanao sesitany+ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Dia nentin’izy io nankany Hala+ sy Habora sy Hara ary tany amin’ny reniranon’i Gozana izy ireo, ka mbola any mandraka androany.

Fanamarihana