1 Tantara 6:1-81

6  Ary ny zanakalahin’i Levy+ dia i Gersona+ sy Kehata+ ary Merary.+  Ary ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama+ sy Jizara+ sy Hebrona+ ary Oziela.+  Ary ny zanak’i Amrama+ dia i Arona+ sy Mosesy+ ary koa Miriama.+ Ary ny zanakalahin’i Arona dia i Nadaba+ sy Abiho+ sy Eleazara+ ary Itamara.+  Ary i Eleazara+ niteraka an’i Finehasa,+ ary i Finehasa niteraka an’i Abisoa,+  ary i Abisoa niteraka an’i Boky, ary i Boky niteraka an’i Ozy,+  ary i Ozy niteraka an’i Zerahia, ary i Zerahia niteraka an’i Meraiota,+  ary i Meraiota niteraka an’i Amaria, ary i Amaria niteraka an’i Ahitoba,+  ary i Ahitoba niteraka an’i Zadoka,+ ary i Zadoka niteraka an’i Ahimaza,+  ary i Ahimaza niteraka an’i Azaria, ary i Azaria niteraka an’i Johanana, 10  ary i Johanana niteraka an’i Azaria,+ izay nanao ny asan’ny mpisorona tao amin’ilay trano naorin’i Solomona tao Jerosalema. 11  Ary i Azaria niteraka an’i Amaria,+ ary i Amaria niteraka an’i Ahitoba,+ 12  ary i Ahitoba niteraka an’i Zadoka,+ ary i Zadoka niteraka an’i Saloma, 13  ary i Saloma niteraka an’i Hilkia, ary i Hilkia+ niteraka an’i Azaria, 14  ary i Azaria niteraka an’i Seraia,+ ary i Seraia niteraka an’i Jozadaka.+ 15  I Jozadaka no lasa tany an-tsesitany rehefa nalefan’i Jehovah sesitany ny Joda sy Jerosalema, tamin’ny alalan’i Nebokadnezara. 16  Ary ny zanakalahin’i Levy+ dia i Gersoma sy Kehata ary Merary. 17  Ary ireto avy ny anaran’ny zanak’i Gersoma: Libny+ sy Simey.+ 18  Ary ny zanakalahin’i Kehata+ dia i Amrama+ sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.+ 19  Ary ny zanakalahin’i Merary dia i Maly sy Mosy.+ Ary ireto avy ny fianakavian’ny Levita, araka ny anaran’ny razambeny:+ 20  I Gersoma niteraka an’i Libny,+ ary i Libny niteraka an’i Jahata, ary i Jahata niteraka an’i Zima, 21  ary i Zima niteraka an’i Joa,+ ary i Joa niteraka an’i Ido, ary i Ido niteraka an’i Zera, ary i Zera niteraka an’i Jeateray. 22  Ary ny zanak’i Kehata dia i Aminadaba, ary i Aminadaba niteraka an’i Kora,+ ary i Kora niteraka an’i Asira, 23  sy Elkana ary Ebiasafa.+ Ary i Ebiasafa niteraka an’i Asira, 24  ary i Asira niteraka an’i Tahata, ary i Tahata niteraka an’i Oriela, ary i Oriela niteraka an’i Ozia, ary i Ozia niteraka an’i Saoly. 25  Ary ny zanakalahin’i Elkana+ dia i Amasay sy Ahimota. 26  Ary ireto avy ny taranak’i Elkana: I Elkana niteraka an’i Zofay,+ ary i Zofay niteraka an’i Nahata, 27  ary i Nahata niteraka an’i Eliaba,+ ary i Eliaba niteraka an’i Jerohama, ary i Jerohama niteraka an’i Elkana.+ 28  Ary ny zanakalahin’i Samoela+ dia i Joela no lahimatoa, ary Abia no faharoa.+ 29  Ary ny zanak’i Merary dia i Maly,+ ary i Maly niteraka an’i Libny, ary i Libny niteraka an’i Simey, ary i Simey niteraka an’i Oza, 30  ary i Oza niteraka an’i Simea, ary i Simea niteraka an’i Hagia, ary i Hagia niteraka an’i Asaia. 31  Ireto avy no nataon’i Davida+ ho mpitarika ny hira tao an-tranon’i Jehovah, rehefa avy napetraka tao ilay Vata.+ 32  Ary mandra-panorin’i Solomona ny tranon’i Jehovah tao Jerosalema,+ dia teo anoloan’ny tranolay, izany hoe ny tranolay fihaonana izy ireo no nihira,+ sady nanao ny fanompoany+ araka izay nasaina nataony.+ 33  Eny, ireto avy ireo nanompo, mbamin’ny zanany: Tamin’ny taranaky ny Kehatita, dia i Hemana+ mpihira zanak’i Joela,+ zanak’i Samoela,+ 34  zanak’i Elkana,+ zanak’i Jerohama, zanak’i Eliela,+ zanak’i Toa, 35  zanak’i Zofa,+ zanak’i Elkana, zanak’i Mahata, zanak’i Amasay, 36  zanak’i Elkana, zanak’i Joela, zanak’i Azaria, zanak’i Zefania, 37  zanak’i Tahata, zanak’i Asira, zanak’i Ebiasafa,+ zanak’i Kora,+ 38  zanak’i Jizara,+ zanak’i Kehata, zanak’i Levy, zanak’i Israely. 39  Ary nanompo teo ankavanany i Asafa+ rahalahiny. Ary i Asafa dia zanak’i Berekia,+ zanak’i Simea, 40  zanak’i Mikaela, zanak’i Beseia, zanak’i Malkia, 41  zanak’i Etny, zanak’i Zera, zanak’i Adaia, 42  zanak’i Etana, zanak’i Zima, zanak’i Simey, 43  zanak’i Jahata,+ zanak’i Gersoma,+ zanak’i Levy. 44  Ary nanompo teo ankavia ny rahalahiny izay taranak’i Merary,+ ka tao i Etana+ zanak’i Kisy,+ zanak’i Abdia, zanak’i Maloka, 45  zanak’i Hasabia, zanak’i Amazia, zanak’i Hilkia, 46  zanak’i Amzy, zanak’i Bany, zanak’i Samera, 47  zanak’i Maly, zanak’i Mosy,+ zanak’i Merary,+ zanak’i Levy. 48  Ary ny Levita+ rahalahiny no nasaina nanao ny fanompoana rehetra+ tao amin’ny tranolay, dia ny tranon’Andriamanitra. 49  Ary i Arona+ sy ny zanany dia nanolotra setroka ho sorona+ teo ambonin’ny alitaran’ny fanatitra dorana+ sy ny alitaran’ny emboka manitra,+ araka ny asa rehetra nifandray tamin’ireo zavatra masina indrindra. Nanao izany izy ireo mba handrakofana+ ny fahotan’ny Israely,+ araka izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra. 50  Ary ny zanak’i Arona+ dia i Eleazara,+ ary i Eleazara niteraka an’i Finehasa,+ ary i Finehasa niteraka an’i Abisoa,+ 51  ary i Abisoa niteraka an’i Boky, ary i Boky niteraka an’i Ozy, ary i Ozy niteraka an’i Zerahia,+ 52  ary i Zerahia niteraka an’i Meraiota,+ ary i Meraiota niteraka an’i Amaria, ary i Amaria niteraka an’i Ahitoba,+ 53  ary i Ahitoba niteraka an’i Zadoka,+ ary i Zadoka niteraka an’i Ahimaza.+ 54  Ary izao no toeram-ponenan’ny taranak’i Arona anisan’ny fianakavian’ny Kehatita,+ araka ireo tobiny misy manda tao amin’ny faritaniny,+ fa izany no anjara azony tamin’ny antsapaka. 55  Koa nomena azy ireo i Hebrona+ ao amin’ny tanin’i Joda, sy ny kijana manodidina azy. 56  Ary nomena an’i Kaleba+ zanak’i Jefone ny faritra ambanivohitr’ilay tanàna mbamin’ireo tanàna keliny.+ 57  Ary nomena ho an’ny taranak’i Arona ny tanàna fialokalofana,+ dia i Hebrona,+ ary koa Libna+ sy ny kijanany, sy Jatira+ sy Estemoa+ sy ny kijanany, 58  Hilena+ sy ny kijanany, Debira+ sy ny kijanany, 59  Asana+ sy ny kijanany, ary Beti-semesy+ sy ny kijanany. 60  Ary ny tanàna avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Geba+ sy ny kijanany, Alemeta+ sy ny kijanany, ary Anatota+ sy ny kijanany. Telo ambin’ny folo+ ny tanàna rehetra nomena ny fianakavian’izy ireo. 61  Ary ny sisa tamin’ny taranak’i Kehata dia nomena tanàna folo+ tamin’ny antsapaka, avy tamin’ny fianakavian’ny foko hafa sy ny antsasaky ny fokon’i Manase. 62  Ary ireo fianakavian’ny taranak’i Gersoma+ dia nomena tanàna telo ambin’ny folo, avy tamin’ny fokon’i Isakara+ sy ny fokon’i Asera+ sy ny fokon’i Naftaly+ ary ny fokon’i Manase+ any Basana. 63  Ary ny taranak’i Merary+ araka ny fianakaviany avy, dia nomena tanàna roa ambin’ny folo tamin’ny antsapaka, avy tamin’ny fokon’i Robena+ sy ny fokon’i Gada+ ary ny fokon’i Zebolona.+ 64  Koa nomen’ny zanak’Israely ho an’ny Levita+ ireo tanàna ireo sy ny kijanany.+ 65  Nomeny tamin’ny alalan’ny antsapaka avy tamin’ny fokon’ny taranak’i Joda+ sy ny fokon’ny taranak’i Simeona+ ary ny fokon’ny taranak’i Benjamina,+ ireo tanàna voalaza anarana ireo. 66  Ary nisy tamin’ireo fianakavian’ny taranak’i Kehata nahazo tanàna tao amin’ny faritaniny, avy tamin’ny fokon’i Efraima.+ 67  Koa nomena azy ny tanàna fialokalofana, dia i Sekema+ sy ny kijanany eny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, ary koa Gazera+ sy ny kijanany, 68  Jokmeama+ sy ny kijanany, Beti-horona+ sy ny kijanany, 69  Aialona+ sy ny kijanany, ary Gata-rimona+ sy ny kijanany. 70  Ary ny tanàna avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Anera+ sy ny kijanany, Bileama+ sy ny kijanany, ho an’ny sisa tamin’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata.+ 71  Ary ny taranak’i Gersoma+ dia nomena an’i Golana+ any Basana sy ny kijanany, sy Astarta+ sy ny kijanany, avy tamin’ny fianakavian’ny antsasaky ny fokon’i Manase. 72  Ary ny tanàna avy tamin’ny fokon’i Isakara dia i Kedesy+ sy ny kijanany, Daberata+ sy ny kijanany, 73  Ramota+ sy ny kijanany, ary Anema+ sy ny kijanany. 74  Ary ny tanàna avy tamin’ny fokon’i Asera dia i Masala sy ny kijanany, Abdona+ sy ny kijanany, 75  Hokoka+ sy ny kijanany, ary Rehoba+ sy ny kijanany. 76  Ary ny tanàna avy tamin’ny fokon’i Naftaly+ dia i Kedesy+ any Galilia+ sy ny kijanany, Hamona sy ny kijanany, ary Kiriataima+ sy ny kijanany. 77  Ary ny sisa tamin’ny taranak’i Merary dia nomena an’i Rimono+ sy ny kijanany, Tabara sy ny kijanany, avy tamin’ny fokon’i Zebolona.+ 78  Ary ny nomena azy tany amin’ny faritr’i Jordana tany akaikin’i Jeriko, tany atsinanan’i Jordana, avy tamin’ny fokon’i Robena,+ dia i Bezera+ any an-tany efitra sy ny kijanany, Jahaza+ sy ny kijanany, 79  Kedemota+ sy ny kijanany, ary Mefata+ sy ny kijanany. 80  Ary ny tanàna avy tamin’ny fokon’i Gada+ dia i Ramota+ any Gileada sy ny kijanany, Mahanaima+ sy ny kijanany, 81  Hesbona+ sy ny kijanany, ary Jazera+ sy ny kijanany.

Fanamarihana