1 Tantara 7:1-40

7  Ary ny zanakalahin’i Isakara dia i Tola+ sy Poha+ sy Jasoba ary Simrona,+ ka efatra ireo.  Ary ny zanakalahin’i Tola dia i Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Semoela, izay samy lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy. Nisy lehilahy natanjaka sy nahery fo tamin’ny taranak’i Tola, ka eninjato sy roa arivo sy roa alina ny isany tamin’ny andron’i Davida.+  Ary ny zanak’i Ozy dia i Jizrahia. Ary ny zanakalahin’i Jizrahia dia i Mikaela sy Obadia sy Joela sy Jisia, ..., ka dimy izy rehetra sady samy lohany teo amin’ny fianakaviany.  Ary niaraka tamin’izy ireo dia nisy miaramila mpiady enina arivo sy telo alina, araka ny firazanany avy, araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, satria maro ny vady aman-janak’izy ireo.+  Ary lehilahy natanjaka sy nahery fo+ ireo rahalahiny anisan’ny fianakaviana rehetran’i Isakara, ka fito arivo sy valo alina ny isan’izy rehetra voasoratra tao amin’ny tetirazana.+  Ary ny zanakalahin’i Benjamina+ dia i Bela+ sy Bekera+ ary Jediaela,+ ka telo izy ireo.  Ary ny zanakalahin’i Bela+ dia i Ezbona, Ozy, Oziela, Jerimota, ary Iry, ka dimy izy ireo ary samy lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy, sady lehilahy natanjaka sy nahery fo. Efatra amby telopolo sy roa arivo sy roa alina ny isan’ny voasoratra ao amin’ny tetirazany.+  Ary ny zanakalahin’i Bekera dia i Zemira, Joasy, Eliezera, Elioenay, Omry, Jeremota, Abia, Anatota, ary Alemeta: Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Bekera.  Araka ny voasoratra ao amin’ny tetirazany,+ dia roanjato sy roa alina ny lehilahy natanjaka sy nahery fo izay samy lohan’ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy. 10  Ary ny zanak’i Jediaela+ dia i Bilana. Ary ny zanakalahin’i Bilana dia i Jeosy, Benjamina, Ehoda, Kenana, Zetana, Tarsisy, ary Ahisahara. 11  Ireo rehetra ireo no taranak’i Jediaela, dia lehilahy natanjaka sy nahery fo+ roanjato sy fito arivo sy iray alina izay nivoaka hiantafika, sady samy lohan’ireo fianakaviambeny. 12  Ary i Sopima+ sy Hopima+ no zanakalahin’i Iry,+ ary ny Hosima kosa no taranak’i Ahera. 13  Ary ny zanakalahin’i Naftaly+ dia i Jaziela+ sy Gony+ sy Jezera ary Saloma,+ izay samy zanakalahin’i Bilaha.+ 14  Ary ny zanak’i Manase+ dia i Asriela, izay naterak’ilay vadikeliny syrianina taminy.—Niteraka an’i Makira+ rain’i Gileada koa izy io. 15  Ary i Makira naka vady ho an’i Hopima sy Sopima, ary Maka no anaran’ny anabaviny.—Ary ny anaran’ny zanany faharoa dia Zelofada,+ nefa tsy niteraka afa-tsy zanakavavy i Zelofada.+ 16  Ary nitera-dahy i Maka vadin’i Makira, ka nataony hoe Paresy ny anarany. Ary Saresy no anaran’ny rahalahiny, ary i Olama sy Rekema no zanany. 17  Ary ny zanak’i Olama dia i Bedana. Ireo no taranak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase. 18  Ary i Hamoleketa no anabaviny, izay niteraka an’i Isehoda sy Abi-ezera+ ary Mahala. 19  Ary ny zanakalahin’i Semida dia i Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama. 20  Ary ny zanak’i Efraima+ dia i Sotela,+ ary i Sotela niteraka an’i Bareda, ary i Bareda niteraka an’i Tahata, ary i Tahata niteraka an’i Elada, ary i Elada niteraka an’i Tahata, 21  ary i Tahata niteraka an’i Zabada, ary i Zabada niteraka an’i Sotela. Ary zanak’i Efraima koa i Ezera sy Elada. Dia namono azy ireo ny teratany tao Gata,+ satria nidina hangalatra ny biby fiompiny izy ireo. 22  Koa nisaona andro maro+ i Efraima rainy, ary tonga nampionona azy ny rahalahiny. 23  Taorian’izany dia nanao firaisana tamin’ny vadiny izy. Dia bevohoka+ ravehivavy ka nitera-dahy. Nataon’i Efraima hoe Beria anefa ny anarany, satria nisy fahoriana+ tao amin’ny ankohonany tamin’ny fotoana niterahan’ny vadiny. 24  Ary ny zanany vavy dia i Sera, izay nanorina an’i Beti-horona+ ambany+ sy ambony+ ary Ozena-sera. 25  Ary niteraka an’i Refa sy Rasefa izy. Ary i Rasefa niteraka an’i Tela, ary i Tela niteraka an’i Tahana, 26  ary i Tahana niteraka an’i Ladana, ary i Ladana niteraka an’i Amihoda, ary i Amihoda niteraka an’i Elisama, 27  ary i Elisama niteraka an’i Nona,+ ary i Nona niteraka an’i Josoa.+ 28  Ary ny taniny sy ny toeram-ponenany dia i Betela+ sy ny tanàna niankina taminy. Ary ny tany atsinanana dia i Narana,+ ary ny tany andrefana dia i Gazera+ sy ny tanàna niankina taminy. Ary teo koa i Sekema+ sy ny tanàna niankina taminy, hatrany Gaza sy ny tanàna niankina taminy. 29  Ary ny nifanila tamin’ny an’ny taranak’i Manase dia i Beti-sana+ sy ny tanàna niankina taminy, Tanaka+ sy ny tanàna niankina taminy, Megido+ sy ny tanàna niankina taminy, ary Dora+ sy ny tanàna niankina taminy. Tany amin’ireo no nonenan’ny taranak’i Josefa+ zanak’i Israely. 30  Ary ny zanakalahin’i Asera+ dia i Jimna+ sy Jisva sy Jisvy+ ary Beria,+ ary i Sera no anabavin’izy ireo. 31  Ary ny zanakalahin’i Beria dia i Hebera sy Malkiela rain’i Birzavita. 32  Ary i Hebera niteraka an’i Jafleta sy Somera ary Hotama, ary koa Soa anabavin’ireo. 33  Ary ny zanakalahin’i Jafleta dia i Pasaka sy Bimala ary Asvata: Ireo no zanakalahin’i Jafleta. 34  Ary ny zanakalahin’i Samera dia i Ahia sy Rohaga sy Hoba ary Arama. 35  Ary ny zanakalahin’i Helema rahalahiny dia i Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala. 36  Ary ny zanakalahin’i Zofa dia i Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra, 37  sy Bezera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera. 38  Ary ny zanakalahin’i Jatera dia i Jefone sy Pispa ary Ara. 39  Ary ny zanakalahin’i Ola dia i Ara sy Haniela ary Rizia. 40  Ireo rehetra ireo no taranak’i Asera, izay samy lohan’ny+ fianakaviambe avy amin’ireo rainy. Lehilahy voafantina sy nahery fo+ ary natanjaka koa izy ireo, sady lohan’ny mpiadidy. Ary nampiasain’ny tafika tamin’ny fotoanan’ny ady ny anaran’ireo voasoratra tao amin’ny tetirazany.+ Enina arivo sy roa alina ny isan’izy ireo.+

Fanamarihana