1 Tesalonianina 1:1-10

1  Paoly sy Silvano+ ary Timoty.+ Ho an’ny fiangonan’ny Tesalonianina izay tafaray+ amin’Andriamanitra Ray sy amin’i Jesosy Kristy Tompo, Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana!+  Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay rehefa mahatsiaro anareo rehetra amim-bavaka.+  Tadidinay foana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika mantsy izay ataonareo+ noho ny finoanareo, sy ny asa mafy ataonareo amim-pitiavana, ary ny fiaretanareo vokatry ny fanantenanareo+ an’i Jesosy Kristy Tompontsika.  Fantatray mantsy, ry rahalahy tian’Andriamanitra, fa nifidy anareo izy,+  satria rehefa nitory ny vaovao tsara taminareo izahay dia tsy tamin’ny teny fotsiny, fa tamin’ny hery koa,+ ary tamin’ny fanahy masina sy ny fatokisana tanteraka.+ Ary fantatrareo hoe lasa karazan’olona nanao ahoana izahay teo aminareo mba hahasoa anareo.+  Ary nanjary nanahaka+ anay sy ny Tompo+ ianareo, satria nandray ny teny tao anatin’ny fahoriana+ be sy fifaliana avy tamin’ny fanahy masina,+  ka tonga modely ho an’ny mpino rehetra any Makedonia sy Akaia.  Tsy vitan’ny hoe nanakoako tany Makedonia sy Akaia fotsiny ny tenin’i Jehovah+ notorinareo, fa niely teny rehetra teny+ koa ny finoanareo+ an’Andriamanitra, hany ka tsy mila miteny na inona na inona intsony izahay.  Mbola tantarain’izy ireo foana mantsy ny nidiranay voalohany teo aminareo, sy ny nialanareo tamin’ny sampy+ ka nitodihanareo tamin’Andriamanitra mba hanompoana Andriamanitra velona+ sady tena izy,+ 10  sy mba hiandrasana+ ny Zanany avy any an-danitra,+ ilay natsangany tamin’ny maty,+ dia i Jesosy, izay manafaka antsika amin’ilay fahatezerana ho avy.+

Fanamarihana