1 Tesalonianina 2:1-20

2  Fantatrareo tokoa, ry rahalahy, fa tsy very maina ny fitsidihanay+ anareo.+  Fantatrareo koa fa rehefa avy nijaly+ sy nalam-baraka+ tany Filipy+ aloha izahay—araka ny efa fantatrareo—dia nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitsika mba hitory+ taminareo ny vaovao tsaran’Andriamanitra, tao anatin’ny ady mafy.  Tsy avy amin’ny hevi-diso na fahalotoana+ ny anatra omenay, sady tsy misy fitaka.  Efa hitan’Andriamanitra fa mendrika hanankinana+ ny vaovao tsara izahay, ka izany no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka+ amin’olona, fa amin’Andriamanitra izay mandinika ny fonay.+  Fa mbola tsy nanao teny mandoka+ mihitsy izahay rehefa tonga teo aminareo—fantatrareo tsara izany. Mbola tsy nifetsy+ anareo noho ny fitsiriritana+ koa izahay. Ary Andriamanitra no vavolombelon’izany!  Tsy nitady voninahitra avy tamin’olona+ koa izahay, na avy taminareo izany na avy tamin’olon-kafa, na dia afaka nampitondra enta-mavesatra anareo teo amin’ny lafiny ara-bola+ aza, satria apostolin’i Kristy izahay.  Fa nalemy fanahy teo aminareo kosa izahay, tahaka ny reny mampinono izay maneho fitiavana+ ny zanany naterany.  Koa satria tena maminay ianareo,+ dia sitrakay tokoa ny hanome anareo, tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay* koa aza,+ satria efa malalanay ianareo.+  Azo antoka, ry rahalahy, fa tsaroanareo ny asa mafy nataonay sy ny fisasaranay. Fa rehefa nitory ny vaovao tsaran’Andriamanitra taminareo izahay, dia niasa+ andro aman’alina mba tsy hampitondra enta-mavesatra na iza na iza taminareo teo amin’ny lafiny ara-bola.+ 10  Ianareo no vavolombelona, ary toy izany koa Andriamanitra, fa olona tsy nivadika tokoa izahay teo aminareo mpino, sady marina sy tsy nanan-tsiny.+ 11  Fantatrareo tsara, araka izany, fa toy ny ananaran’ny ray+ ny zanany no nananaranay+ hatrany ny tsirairay taminareo, sy nampiononanay anareo ary nampirisihanay mafy anareo 12  mba handehananareo+ foana amin’ny fomba mendrika eo anatrehan’Andriamanitra, izay miantso+ anareo ho amin’ny fanjakany+ sy ny voninahiny. 13  Izany koa no isaoranay mandrakariva an’Andriamanitra,+ satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra+ renareo avy taminay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona+ izany fa araka ny tena izy, dia tenin’Andriamanitra, izay miasa koa ao anatinareo mpino.+ 14  Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa nanahaka an’ireo fiangonan’Andriamanitra any Jodia izay tafaray amin’i Kristy Jesosy. Nijaly+ koa mantsy ianareo noho ny nataon’ny mpiray tanindrazana aminareo, sahala amin’ny ijalian’izy ireo noho ny ataon’ny Jiosy. 15  Na i Jesosy Tompo+ sy ny mpaminany+ aza mantsy dia novonoin’ny Jiosy, ary nanenjika anay koa izy ireo.+ Tsy manao izay hahafaly an’Andriamanitra koa izy ireo, fa manohitra kosa ny tombontsoan’ny olona rehetra, 16  satria mitady hisakana+ anay tsy hitory amin’ny hafa firenena mba hahavoavonjy+ an’ireny. Koa manao fahotana maro foana izy ireo,+ kanjo nihatra taminy ihany ny fahatezeran’Andriamanitra,+ rehefa ela ny ela. 17  Fa izahay kosa, ry rahalahy, rehefa tafasaraka vetivety monja taminareo ny tenanay, fa tsy ny fonay, dia niezaka mafy mihoatra lavitra noho ny efa fanaonay izahay mba hahita ny endrikareo, fa naniry mafy ny hahita izany.+ 18  Izany no nahatonga anay, eny, izaho Paoly, haniry hankany aminareo, indray mandeha, eny, indroa aza. Nosakanan’i Satana anefa izahay. 19  Fa inona moa ny fanantenanay na fifalianay na satroboninahitra+ iravoravoanay eo anatrehan’i Jesosy Tompontsika mandritra ny fanatrehany?+ Tsy ianareo ve? 20  Ianareo tokoa no voninahitray sy fifalianay.

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.