1 Tesalonianina 5:1-28

5  Raha ny amin’ny fotoana sy ny vanim-potoana,+ ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,  satria fantatrareo tsara fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina+ ny andron’i Jehovah.+  Rehefa milaza izy ireo+ hoe: “Fandriampahalemana+ sy filaminana!”, dia hanjo azy avy hatrany ny fandringanana+ tampoka, toy ny fitrangan’ny fanaintainana eo amin’ny vehivavy mihetsi-jaza.+ Ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.+  Fa ianareo kosa, ry rahalahy, dia tsy ao amin’ny maizina+ ka hoe hahatratra anareo tampoka toy ny mpangalatra+ izany andro izany.  Fa zanaky ny mazava+ sy zanaky ny andro avokoa ianareo.+ Tsy an’ny alina isika sady tsy an’ny haizina.+  Koa aoka àry isika tsy hatory+ toy ny hafa,+ fa aoka kosa hifoha hatrany+ sy hisaina tsara foana.+  Fa amin’ny alina+ no fatorian’izay matory,+ ary amin’ny alina koa no fimamoan’izay mpimamo.  Fa an’ny andro kosa isika, ka aoka hisaina tsara foana sy hitafy ny finoana+ sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra,+ ary hitafy ny fanantenana famonjena+ ho fiarovan-doha,+  satria Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana,+ fa ho amin’ny fahazoana famonjena+ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.+ 10  Maty ho antsika izy,+ mba hahavelona antsika miaraka aminy,+ na mifoha isika na matory. 11  Koa mifampionòna sy mifampahereza hatrany,+ toy izao efa ataonareo izao.+ 12  Ary izao no angatahinay aminareo, ry rahalahy: Mba asio fiheverana ireo miasa mafy eo aminareo, sy mitarika+ anareo eo amin’ny asan’ny Tompo ary mananatra anareo. 13  Angatahinay koa ianareo mba hanaja fatratra azy ireny amim-pitiavana, noho izay ataony.+ Aoka ianareo samy ho tia fihavanana.+ 14  Ary mampirisika anareo koa izahay, ry rahalahy, mba hananatra ny tsy laitra fehezina,+ hanao teny mampahery ny kivy,+ hanohana ny malemy, ary hahari-po+ amin’ny olona rehetra. 15  Tandremo sao misy mamaly ratsy ny ratsy,+ fa aoka kosa hifanao soa hatrany sy hanao soa amin’ny olona rehetra.+ 16  Mifalia mandrakariva.+ 17  Ary aza mitsahatra mivavaka.+ 18  Misaora amin’ny zava-drehetra,+ fa izany no sitrapon’Andriamanitra ny aminareo, eny, ny sitrapony amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. 19  Aza mamono ny afon’ny fanahy.*+ 20  Ary aza atao tsinontsinona ny teny faminaniana.+ 21  Fantaro tsara ny zava-drehetra,+ ka mifikira amin’izay tsara.+ 22  Fadio ny ratsy+ amin’ny endriny rehetra. 23  Hanamasina tanteraka anareo anie ilay Andriamanitry ny fiadanana!+ Enga anie ilay toe-tsaina* sy aina* ary vatana iraisanareo ka samy hotehirizina tsy hisy kilema amin’ny lafiny rehetra sy tsy hanan-tsiny amin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika!+ 24  Tsy mivadika amin’ny teniny ilay miantso anareo, ary hanatanteraka izany rehetra izany koa izy. 25  Mivavaha foana ho anay, ry rahalahy.+ 26  Miarahabà ny rahalahy rehetra, amin’ny oroka masina.+ 27  Andraikitra lehibe ankiniko aminareo, eo anatrehan’ny Tompo, ny famakiana an’ity taratasy ity amin’ny rahalahy rehetra.+ 28  Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i+ Jesosy Kristy Tompontsika!

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.