2 Korintianina 1:1-24

1  Paoly, apostolin’i+ Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy Timoty+ rahalahintsika. Ho an’ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto, mbamin’ny olona masina+ rehetra eran’i Akaia,+  Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana izay avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo!+  Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i+ Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny fangorahana+ sy Andriamanitry ny fampiononana+ rehetra!  Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy,+ mba hahaizantsika hampionona+ an’izay ao anatin’ny fahoriana isan-karazany, amin’ny alalan’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra antsika.+  Fa tahaka ny habetsahan’ny fijaliana iaretantsika noho ny amin’i Kristy,+ ny habetsahan’ny fampiononana azontsika koa amin’ny alalan’i Kristy.+  Koa raha ao anatin’ny fahoriana izahay, dia ho fampiononana sy famonjena+ anareo izany. Ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, eny, fampiononana izay miasa mba hahatonga anareo hiaritra ny fijaliana+ toy izay mahazo anay koa.  Koa mafy orina ny fanantenanay momba anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo fijaliana aminay no hiombonanareo fampiononana aminay koa.+  Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ny fahoriana nanjo anay tany amin’ny faritr’i Azia,+ fa niharam-panerena faran’izay mafy izahay, eny, mihoatra noho izay zakanay, ka tsy azonay antoka intsony mihitsy na ny ainay aza.+  Eny, tsapanay tao anatinay tao fa nahazo fanamelohana ho faty izahay. Izany dia mba hitokisanay+ amin’Andriamanitra izay manangana ny maty,+ fa tsy amin’ny tenanay. 10  Nanafaka anay tamin’ny loza saika nahafaty anay mantsy izy, ary mbola hanafaka anay koa.+ Ary manantena izahay fa mbola hanafaka anay indray izy amin’ny hoavy.+ 11  Ianareo koa afaka manampy rehefa mitalaho amim-bavaka ho anay.+ Amin’izay dia hanao fisaorana+ noho ny aminay ny maro, noho izay omena anay amin-katsaram-panahy, vokatry ny vavaka ataon’ny maro.+ 12  Fa izao no ataonay ho rehareha, ary madio ny feon’ny fieritreretanay+ milaza izany: Tamin’ny fahamasinana sy ny fahatsoram-po avy amin’Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin’izao tontolo izao, indrindra fa teo aminareo, nefa tsy tamin’ny fahendrena araka ny nofo,+ fa tamin’ny alalan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. 13  Fa tsy manoratra na inona na inona aminareo izahay, afa-tsy izay efa fantatrareo tsara na efa ekenareo. Ary antenaiko fa mbola hekenareo foana hatramin’ny farany izany,+ 14  tahaka ny aneken’ny sasany aminareo fa reharehanareo izahay,+ dia tahaka anareo koa izay ho reharehanay amin’ny andron’i Jesosy Tompontsika.+ 15  Koa noho izany fatokisana izany, dia nikasa ho any aminareo fanindroany aho,+ mba hifalianareo indray.+ 16  Nikasa hankatỳ Makedonia+ aho rehefa avy nijanona kely tany aminareo, ary hiverina any aminareo indray rehefa avy atỳ Makedonia,+ ka haterinareo+ lavidavitra rehefa ho any Jodia. 17  Nanao kitoatoa+ ve aho raha izany no fikasako? Ary izay kasaiko, araka ny nofo+ ve no ikasako izany mba hilazako hoe: “Eny e, Eny e”, dia avy eo hoe: “Tsia, Tsia”?+ 18  Ny teninay taminareo dia tsy hoe Eny sady Tsia. Raha ny amin’izany, dia azo itokisana Andriamanitra. 19  Tsy hoe Eny sady Tsia mantsy i Kristy Jesosy Zanak’Andriamanitra,+ izay notorinay sy Silvano ary Timoty+ teo aminareo. Fa tonga Eny ny Eny, raha ny amin’i Kristy.+ 20  Ary na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra,+ dia tonga Eny ireny amin’ny alalan’ny Zanany.+ Noho izany, dia amin’ny alalany koa ny “Amena”+ lazaina amin’Andriamanitra, mba hanomezanay voninahitra azy. 21  Fa Andriamanitra no manome antoka fa samy an’i Kristy na izahay na ianareo, ary izy koa no nanosotra+ antsika. 22  Nanisy tombo-kase+ teo amintsika koa izy sady nanome antsika ilay antoka+ ny amin’izay ho avy, dia ny fanahy,+ ao am-pontsika. 23  Ary miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona+ hanameloka ahy aho, fa ho fitsimbinako anareo+ no mbola tsy nahatongavako tany Korinto. 24  Tsy tompon’ny+ finoanareo anefa izahay fa mpiara-miasa+ kosa mba hahazoanareo fifaliana, fa ny finoanareo+ ihany no ijoroanareo.+

Fanamarihana